“Lesona 109: Tombano ny fianaranao 7: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–93,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Tombano ny fianaranao 7,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 109: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
Tombano ny fianaranao 7
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fivoarany ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Fivoarana
-
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo zavatra izay azontsika arahina maso ny fivoarany?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny fivoaran’ireo zavatra ireo?
Ato amin’ity lesona ity dia hanombantombana ny sasany amin’ireo fivoarana ara-panahy azonao amin’ny alalan’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao. Izany dia afaka manome anao fahafahana hankalaza ny fahombiazanao sy hanao izay fanitsiana ilaina.
-
Inona avy ireo fomba vitsivitsy nivoaranao ara-panahy rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao?
Hazavao ireo anjara asa, anarana fiantsoana ary ireo toetoetra mampiavaka an’i Jesoa Kristy
Isan’ireo fanasana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny “ [mianatra Aminy] sy [mihaino] ny teni[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).
-
Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fandalinanao vao haingana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?
-
Manaova lisitry ny sasany amin’ireo anarana na anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay nohalalininao vao haingana. Avy eo dia mifidiana iray na maromaro amin’izy ireo ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto: (1) Inona no ampianarin’io anarana na anarana fiantsoana io anao momba an’i Jesoa Kristy? (2) Manampy anao hahatakatra inona momba ny fomba ahafahany manampy anao io anarana na anarana fiantsoana io?
-
Mamoròna fanehoana an-tsary ny sasany amin’ireo anjara asa na anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy tianao indrindra. Mety ho vondron-teny tsy mitovy habe mivangongo izany na sary izay maneho ny iray na ny maromaro amin’ireo anjara asa na anarana fiantsoana nosafidianao. Ampidiro ao anatin’ny zavatra noforoninao ireo andinin-tsoratra masina azo ampiharina.
-
Manorata tononkalo na tononkira izay ahitana ireo anjara asa na anarana fiantsoana sasany an’i Jesoa Kristy izay tianao indrindra.
-
Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana hampianatra olona iray ianao momba ny hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no azony atao ho antsika. Manorata fanoritsoritana anaty andiam-pehezan-teny iray farafahakeliny, izay ahitana telo amin’ireo anjara asan’i Kristy na anarana fiantsoana Azy.
Mahatsapa faniriana lehibe kokoa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy
Mety ho tadidinao ny nandalinanao fanasana manan-danja iray avy amin’ny Mpamonjy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63. Vakio io andininy io mba hijerena ny fanasana nataon’ny Mpamonjy.
-
Manao ahoana ny fanirianao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao, raha oharina amin’ny toerana nisy azy herinandro na volana vitsivitsy lasa izay (ambany kokoa, mitovitovy ihany, na ambony kokoa)?
-
Inona no zavatra nianaranao na niainanao ka nisy fiantraikany tamin’ny fanirianao?
-
Inona no zavatra nataonao mba hanatonana kokoa an’i Kristy? Inona no zavatra tianao hatao mba hanatonana Azy kokoa?
Fanasana hampihatra
Mety ho efa nasaina ianao, tao anatin’ny fandalinanao nandritra ny seminera, mba hampihatra eo amin’ny fiainanao ny sasany amin’ireo fanasana avy amin’ny soratra masina.
Makà fotoana kely hitadidiana ny sasany amin’ireo tanjona napetrakao ho an’ny tenanao na ireo fahatsapana ara-panahy nanananao rehefa nandalina ianao. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fijerena ny diary fandalinanao na amin’ny fitadiavana soratra masina izay nomarihinao vao haingana.
-
Inona no ezaka nataonao mba hampiharana ireo fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy ireo eo amin’ny fiainanao?
-
Inona no fiovana nentin’ireo ezaka ireo teo amin’ny fiainanao sy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?
-
Inona araka ny hevitrao no tokony hataonao manaraka amin’ireo sehatra ireo?