Lesona 108: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–53: Mandray ny fahazavana sy fahamarinan’ny Mpamonjy
“Lesona 108: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–53: Mandray ny fahazavana sy fahamarinan’ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–53,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 108: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ny Mpamonjy dia namariparitra ny fomba ahafahantsika mandray bebe kokoa ny fahazavana sy ny fahamarinana izay avy Aminy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana handray bebe kokoa ny fahazavana sy ny fahamarinan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Hazavana miohatra amin’ny haizina
Ny Loholona Timothy J. Dyches ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara ny zavatra niainan’izy sy ny zanany lahy rehefa nidina tao anaty zohy lalina.
Tsy nisy fampandrenesana fa dia maty tampoka ny jiro [tao anaty zohy]. Teo am-pihantonana teo izahay no tafalatsaka tanaty haizin-kitroka tanteraka ka na ny tananay mihazona ny tady eo anoloanay aza dia tsy hitanay. Teo no ho eo dia nisy feo niantsoantso hoe: “Dada a, dada a, aiza ianao?”
“Ito aho ry zanako, ito aho,” hoy aho namaly.
Ny tsy fananana hazavana tampoka teo dia natao hanehoana fa raha tsy misy herinaratra dia tsy azo nidirana ilay zohy. Nahomby izany satria “tsapanay” tokoa ilay haizina. (Timothy J. Dyches, “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,” Liahona, mey 2021, 113)
Inona avy ireo teny na andian-teny izay mamaritra hoe toy ny ahoana ny fahatsapana izany hazavana izany?
Ny Loholona Dyches dia namariparitra hoe toy ny ahoana ny zavatra niainan’izy sy ny zanany lahy rehefa niverina nirehitra indray ny jiro tao amin’ilay zohy.
Rehefa tafaverina ny hazavana dia lefy tanteraka avy hatrany ilay haizina, satria tsy maintsy lefy hatrany foana ny haizina, na dia amin’ny alalan’ny hazavana bitika aza. Mitamberina amiko sy amin’ireo zanako ny fahatsiarovana momba ilay haizina izay tsy mbola niainanay hatrizay, ny fankasitrahana kokoa ny fahazavana izay tsy hohadinoinay mihitsy, ary ny fanomezan-toky fa tsy irery na oviana na oviana isika ao anatin’ny haizina.
Ahoana no ahafahan’ny fahazavana sy ny fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny dianao mandritra ny fiainana an-tany?
Mampianatra antsika ny fomba handraisana ny fahazavany i Jesoa Kristy
Vakio ireo andininy voatanisa ao amin’ilay tabilao ary tadiavo ny fampianaran’ny Mpamonjy izay mamaritra ny fomba ahafahantsika mampitombo na mampihena ny fahazavany sy ny fahamarinany eo amin’ny fiainantsika. Soraty eo amin’ny tsanganana tsirairay ny zavatra hitanao.
Inona no fitahiana afaka ny ho azon’ireo izay mikatsaka ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny Mpamonjy?
Ahoana no hamintinanao ny zavatra hitanao ao amin’ny tsanganana tsirairay ao amin’ny tabilaonao amin’ny endrika teny manambara fahamarinana?
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fitandremana ny didin’ny Mpamonjy hisy fiantraikany eo amin’ny fahafahanao manavaka ny fahamarinana?
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fampianaran’ny Mpamonjy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo hisy fiantraikany amin’ny safidy ataontsika?
Mampitombo ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika
Inona avy ireo zavatra manokana izay nanampy na afaka manampy anao hahazo bebe kokoa amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao?
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ohatra mikasika ny fomba ahafahantsika miaina ny fahazavan’ny Mpamonjy.
Isaky ny mampitodika ny fonareo amin’ Andriamanitra ianareo ao anatin’ny vavaka feno fanetrentena, dia miaina ny fahazavany ianareo. Isaky ny mikatsaka ny teniny sy ny sitrapony ao anatin’ny soratra masina ianareo dia mihamamiratra ilay fahazavana. Isaky ny mahatsikaritra olona iray mila fanampiana ianareo ka mahafoy ny tontolo mampiadana anareo mba hanampy amim-pitiavana dia mivelatra sy mitombo ilay fahazavana. Isaky ny manohitra fakam-panahy ary misafidy ny fahadiovana ianareo, isaky ny mikatsaka na manolotra famelana ianareo, isaky ny mijoro ho vavolombelona amin-kerimpo momba ny fahamarinana ianareo, dia roahin’ny fahazavana ny haizina ary sarihiny ireo olona hafa izay mikatsaka fahazavana sy fahamarinana ihany koa. (Dieter F. Uchtdorf, “Mpihazona fahazavana avy any an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 79)
Ampiharo ny fampianaran’ny Mpamonjy
Tsapanao ho taomim-panahy hanomboka hanao inona ianao mba hanasana kokoa ny fahamarinana sy ny fahazavan’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao? Inona no tsapanao fa asain’ny Fanahy hatsahatrao?
Inona avy ireo sakana mety ho sendra anao rehefa manomboka na manajanona ireo zavatra ireo ianao? Ahoana no ahafahanao miatrika ireo sakana izay hitanao?