“Lesona 104—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–17: Tenin’ny Fahendrena avy amin’ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–17,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Araka ny zavatra fahita nahazatra tamin’ny taona 1833, dia maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nifoka sigara sy nisotro toaka, dite ary kafe. Ho valin’ny vavak’i Joseph Smith momba io lohahevitra io, dia nanambara tamim-pamindram-po ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny fampianarana feno fitiavana nomen’ny Tompo izay antsoina hoe Tenin’ny Fahendrena.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanamarihana: Ireo fitahiana ara-panahy nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 noho ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena no ifantohan’ny lesona manaraka. Mety ho tsara kokoa ny mampianatra ireo lesona roa ireo mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa ny fitahiana avy amin’ny Tenin’ny Fahendrena dia manana toetra ara-panahy lavitra kokoa mihoatra ny ara-batana.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fandrika ampiasain’i Satana mba hamandrihana ireo zanak’ Andriamanitra. Azonao atao ny mitondra na mampiseho sarina hanin-jono. Azonao atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra manana traikefa amin’ny fanjonoana mba hamariparitra ireo hanin-jono tsara indrindra ampiasaina ao amin’ny faritra misy anao. ChurchofJesusChrist.org
2:58
Nahoana ny paikadin’i Satana no azo ampitahaina amin’ny hanin-jono?
Inona no torohevitra nomen’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hamantatra sy hiala amin’ny fandrik’i Satana?
Betsaka ny valiny marina ho an’ilay fanontaniana faharoa, isan’izany ny vavaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 ), fandalinana soratra masina isan’andro (jereo ny Helamàna 3:29–30 ), fikatsahana ny fanahin’ny fanambarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–4 ), ary ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5 ).
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony ahafahantsika matoky ny torohevitry ny Mpamonjy dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny 2 Nefia 26:24 sy ny Jakôba 4:10 ary hizara ny zavatra ianaran’izy ireo momba Azy.
Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina na hizara amin’ny iray kilasy ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity:
Nitahy sy niaro ny fiainanao tamin’ny fomba ahoana ny torohevitra na fampitandremana manokana avy amin’ny Mpamonjy sy avy amin’ireo mpanompony nahazo lalana?
Asehoy ity sarin’ny efitra kely iray tao ambonin’ny fivarotan’i Newel K. Whitney tany Kirtland, Ohio, ity. Asao ny mpianatrao haka sary an-tsaina ilay efitrano feno lehilahy, izay mifoka sigara sy mitsako paraky ny ankamaroany, rehefa manazava ny fampahalalana ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ianao.
Tamin’ny ririnin’ny taona 1833 dia mpihazona ny fisoronana teo amin’ny 20 teo no nivory matetika tao amin’io efitrano io mba hanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:127 ). Toy ny fahita nahazatra tamin’izany andro izany, dia maro tamin’izy ireo no nifoka sy nitsako paraky nandritra ny fivoriana. Nampahatsiahy i Brigham Young fa “matetika ny Mpaminany rehefa niditra tao amin’ny efitrano mba hanome fampianarana tao amin’ilay sekoly no tojo setroka paraky sy sigara.” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 263 ). Ireo toe-javatra ireo, miaraka amin’ny fitarainan’i Emma Smith izay voatery nanadio ny rora-paraky tamin’ny tany, no nanosika an’i Joseph Smith hivavaka mikasika ny fampiasana ny zavatra toy izany. Ho valin’izany dia nanambara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ny Tompo (jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany , boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 167–68).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–4 , dia tadiavo ireo antony nanomezan’ny Mpamonjy io fanambarana io.
Inona no ianaranao momba ny antony nanosika an’i Jesoa Kristy hanambara io fizarana io?
Rehefa mizara ny valin’ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia ataovy azo antoka fa takany fa ny Tompo dia nanome antsika ny Tenin’ny Fahendrena mba hiarovana antsika amin’ny faharatsiana amin’izao androntsika izao .
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ny antony nanambaran’ny Mpamonjy ny Tenin’ny Fahendrena amin’ny zavatra tsapantsika momba izany?
Inona avy ireo teti-dratsy sasany amin’izao androntsika izao izay ilantsika ny fiarovany?
Rehefa mamaly ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia azonao atao ny manampy azy ireo hamantatra hoe nahoana ny sasany amin’ireo faharatsiana izay resahiny no amboarina na kajikajina mba hamitahana antsika.
Mety hanampy ny mpianatra ny mieritreritra na mizara ireo fanontaniana ananany momba ny Tenin’ny Fahendrena. Mety hanampy azy ireo hahita valiny ity fizarana manaraka ity.
Boky torolalana ho an’ny mpampiasa avy amin’ny Mpamorona
Mba hampidirana ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny mitondra na miresaka momba ny boky torolalana fampiasana vokatra iray izay fantatry ny mpianatra. Hazavao fohifohy ny hasarobidin’ny fahalalana ny fomba fikojakojana ilay vokatra sy ny fampitandremana sasany momba ny fampiasana tsy mety. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa Andriamanitra, amin’ny maha-Mpahary Azy (jereo ny Genesisy 1:27 ), dia mahatakatra tsara ny momba ny vatantsika ary nanome torolalana sy fampitandremana momba ny fampiasana sy ny fikarakarana azy.
Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny antsipirian’ny Tenin’ny Fahendrena izay tsy nampianarin’ny Fiangonana mazava tsara ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hifampidinika amin’ny ray aman-dreniny, na ny eveka, na ny filohan’ny sampana.
Mamoròna boky torolalana mikasika ny fampiasana ny vatantsika araka ny tokony ho izy. Mahaiza mamorona sy mampifanaraka izany amin’ny tena manokana araka izay tianao. Iray fotsiny ihany amin’ireo fomba maro azo anaovana izany ireto dingana manaraka ireto:
Aforeto roa ny taratasy iray mba hitovy amin’ny bokikely. Mamoròna pejy fonony misy lohateny toy ny hoe “Ny Tenin’ny Fahendrena: Boky Torolalana momba ny fampiasana avy amin’ny Mpamorona.” Azonao atao ny manampy sary na kisary amin’ny pejy fonony.
Asio lohateny hoe “Ny torohevitry ny Mpamorona momba ny zavatra tokony hataontsika” ny pejy havia ao anatin’ilay bokikely. Asio lohateny toy ny hoe “Ny torohevitry ny Mpamorona momba ny zavatra tokony hosorohantsika” ny pejy havanana. Aza misalasala ihany koa manampy sary na zavatra noforonina ao amin’ireo pejy anatiny.
Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–17 ary fenoy ny bokikelinao amin’ny alalan’ny fanoratana na fampidirana ny sarin’ny zavatra ianaranao.
Ho fanampin’ireto soso-kevitra manaraka ireto dia hevero ny hanome fitaovana manampy ny mpianatra avy ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” ato amin’ity lesona ity.
Mitadiava loharanom-pahalalana voafidin’ Andriamanitra toy ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2022), Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ampidiro ao amin’ny bokikelinao ny zavatra ianaranao.
Omeo fahafahana ny mpianatra hizara na haneho ny zavatra noforoniny.
Fanamarihana: Ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny lesona manaraka dia misy soso-kevitra ho an’ny mpianatra mba hanampy pejy iray farany ao amin’ny bokikeliny. Ilay pejy farany dia hanasongadina ireo fitahiana atolotr’ Andriamanitra ao amin’ny andininy 18-21 noho ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena. Raha mety ho zavatra tsara ho an’ny mpianatrao izany dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hamerina ny bokikeliny androany na haka antoka fa hitondra izany ao am-pianarana amin’ny lesona manaraka izy ireo.
Ilay Mpamonjintsika feno famindram-po sy mahari-po
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny faharetan’ny Mpamonjy tamin’ireo Olomasiny taorian’ny nanambarany io didy io dia azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto zavatra manaraka ireto amin’ny teninao manokana amin’ny mpianatra:
Nambaran’i Jesoa ny Tenin’ny Fahendrena tamin’ny 1833, saingy tsy nomena ho didy izany tamin’izany fotoana izany (jereo ny andininy 2 ). Taorian’ny nahazoana izany, dia maro ireo Olomasina no nanomboka niezaka nandresy ireo fomban-drazana izay neken’ny kolontsaina ary, ho an’ny sasany, ireo fiankinan-doha lasa nananany. Rehefa nandeha ny fotoana dia nitarika ireo mpitarika ny Fiangonana ny Tompo, anisan’izany i Brigham Young sy i John Taylor, mba hiandry zavatra misimisy kokoa avy amin’ny Olomasina amin’ny fitandremana ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 . Taorian’ny fiafaran’ny taonjato faha-20, ny Filoha Heber J. Grant dia “nanentana azy ireo hitandrina amin’ny antsakany sy andavany ny Tenin’ny Fahendrena, hifady ny toaka, ny kafe, ny dite, ny paraky, ary ny zavatra hafa izay manimba nampiasain’ireo taranaka Olomasina teo aloha indraindray,” ka nahatonga “ny Tenin’ny Fahendrena ho zavatra notakina mba hahafahana mankany amin’ny tempoly sy ny asa fitoriana” (Saints , 3:291–92). “Tamin’ny 1921 ny Tompo dia nanome fitaomam-panahy ny Filoha Heber J. Grant mba hitaky ny hifadian’ny Olomasina rehetra ny toaka, paraky, kafe, ary dite mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly” Sujets de l’histoire de l’Église, “Parole de Sagesse [D&A 89] ,” Médiathèque de l’Evangile).
Ireo mpianatra izay te hahazo fanampiana bebe kokoa amin’ny fiankinan-doha dia azo alefa any amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasiny sy asaina mankao amin’ny pejy “Fanampiana amin’ny fiainana ” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org .
2:58
Alohan’ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity dia asao ny mpianatra hiaiky ny hatsaran’i Jesoa Kristy noho ny fanomezany antsika ny Tenin’ny Fahendrena. Mety hanampy ny manasa azy ireo haka sary an-tsaina hoe hafa toy ny ahoana izao tontolo izao raha toa ka tsy misy ny fidorohana zava-mahadomelina. Azonao atao koa ny manome fotoana azy ireo hanoratana ny fomba nitahian’ny Tenin’ny Fahendrena sy niarovan’izany azy ireo sy ireo olona akaikin’ny fon’izy ireo.
Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fomba nitahian’ny Tenin’ny Fahendrena ny fiainanao sy ny fanehoana fankasitrahana noho ny nanomezan’ny Mpamonjy antsika ity fanambarana ity.
Milaza izao ny fanambarana ôfisialin’ny Fiangonana iray ao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org :
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanome torolalana fanampiny momba ireo zavatra izay amporisihin’ny Tenin’ny Fahendrena na voararan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary nampianatra izy ireo fa tokony hohalavirina ireo zavatra manimba, mahatonga fahazarana na mampiankin-doha.
Tao anatin’ireo boky navoaka vao haingana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia nanazava ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa zavatra maro no voararan’ny Tenin’ny Fahendrena, anisan’izany ny fifohana sigara eletrônika, ny dite maitso ary ny zavatra vokarina avy amin’ny kafe. Nampitandrina ihany koa izy ireo fa ny akora toy ny marijuana sy opioïdes dia tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’ny fitsaboana araka ny voalazan’ny dokotera manana fahaizana manokana momba izany. (“Statement on the Word of Wisdom”” [fanambarana ôfisialin’ny Fiangonana, 15 aog. 2019], newsroom.ChurchofJesusChrist.org )
Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:
Manoratra ireo mpikambana mba hanontany raha toa ny karazan-javatra izatsy na zaroa ka mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Fantatsika rehetra fa mifanohitra amin’izany ny dite, ny kafe, ny zava-pisotro mahamamo ary ny paraky sy ny sigara. Tsy nisy fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa nomena momba izany. Fa mampianatra ny fitsipika miaraka amin’ireo fitahiana ampanantenaina kosa isika. Maro ireo zavatra izay miteraka fahazarana sy fiankinan-doha izay azo sotroina na tsakoana na trohana na atsindrona amin’ny vatana izay mandratra ny vatana sy ny fanahy no tsy voalaza ao amin’ilay fanambarana.
Tsy notanisaina manokana ao ny zava-drehetra izay manimba; ny arsenika, ohatra—izay azo antoka fa ratsy kanefa tsy miteraka fiankinan-doha! Fa izay didiana amin’ny zava-drehetra, hoy ny Tompo, dia “mpanompo kamo sady tsy hendry” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26 ). (Boyd K. Packer, “La Parole de Sagesse: principes et promesses ,” Ensign , May 1996, 17)
Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany , 38.7.14 , ChurchofJesusChrist.org .
Ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum Smith dia voalaza fa namaritra manokana ny kafe sy dite ho ireo “zavapisotro mahamay” voalaza ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena, ary ny Filoha Brigham Young dia nanamafy izany fanazavana izany tatỳ aoriana (jereo ny The Joseph Smith Papers , Tahirin-kevitra, Boky 3: ed. Febroary 1833–Martsa 1834. Gerrit J. Dirkmaat sy ny hafa [2014], 14).
Ny teny hoe kafe dia tsy voatery antsoina amin’ny anarana hoe kafe sotroina foana. … Ny zava-pisotro manana anarana ahitana ny hoe kafe sy caffé , mocha , latte , espresso , na izay zavatra rehetra miafara amin’ny -ccino dia kafe ary mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena. …
Ny dite maitso sy ny dite mainty dia … sady dite no manohitra ny Tenin’ny Fahendrena. … Mbola dite ihany koa ny dite mangatsiaka. (“Vaping, Coffee, Tea, and Marijuana ,” New Era , aog. 2019, 28)
Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) hoe:
Tamin’izany fotoana izany, … raha toa ny [Tenin’ny Fahendrena] ka nomena ho toy ny didy dia mety ho nitondra ny olona rehetra, izay niankin-doha tamin’ireny zavatra manimba ireny, ho eo ambany fanamelohana; noho izany dia namindra fo ny Tompo ka nanome azy ireo fahafahana handresy izany talohan’ny nitondrany azy ireo eo ambanin’ny lalàna. (Joseph F. Smith, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1913, 14)
Mitondrà fonon-tanana iray ao amin’ny kilasy. Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina fa ny tananao dia maneho ny fanahin’ny zanak’ Andriamanitra iray, ary ny fonon-tanana kosa dia maneho ny vatana ara-nofon’io olona io. Ampidiro ao anatin’ilay fonon-tanana ny tananao mba hanehoana ny fiainan’ny olona iray eto an-tany. Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ny torohevitra nomen’ Andriamanitra izay mampianatra mivantana ny zavatra tokony hataontsika sy tsy tokony hataontsika amin’ny vatantsika ara-nofo.
Asao ireo mpianatra hamantatra ireo antony mahatonga ny fomba itondrantsika ny vatantsika ho zava-dehibe amin’ Andriamanitra. Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinana andinin-tsoratra masina toy ireto manaraka ireto: