“Lesona 105—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21: -Izaho Tompo dia manome azy ireo fampanantenana,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 105: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21
“Izaho Tompo dia manome azy ireo fampanantenana”
Rehefa avy nanambara ny Tenin’ny Fahendrena tamin’i Joseph Smith i Jesoa Kristy (jereo ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–17”), dia nanazava ireo fitahiana sasany atolony ho an’ireo izay mitandrina amim-pahatokiana ireo fitsipika ampianarina ao amin’io fanambarana io Izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hisafidy ny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena sy handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny sakana
Nankafy andro iray teny amoron-dranomasina ny Loholona Von G. Keetch no nahita fa sosotra ny andian’olona mpanao surf noho ny fametrahana sakana nataon’olombelona teo anelanelan’ny helodrano sy ny ranomasimbe. Nitaraina tamin-katezerana ireo mpanao surf fa nanimba ny dian’izy ireo ny fefy tamin’ny fisakanana azy ireo tsy hanao surf teo amin’ireo onja lehibe kokoa izay nipoitra ivelan’ny helodrano.
Nony farany dia nitsangana [ny mpilalao surf iray efa lehibe kokoa tao an-toerana] ary nandeha teo amin’ilay vondrona. Tsy niteny izy na nivolana fa namoaka masolavitra avy tao anaty kitapo am-babeny dia nanome izany an’ny iray tamin’ireo mpanao surf sady nanondro tany amin’ilay fefy. Samy nijery tamin’ilay masolavitra avokoa ireo mpanao surf tsirairay. Rehefa tonga ny anjarako dia afaka nahita zavatra iray izay tsy afaka hitako teo aloha aho, rehefa nohalehibiazina ny fahitana: vombon-trondro an-dramosina—antsantsa lehibe izay misakafo eny akaikin’ny harandriaka any ambadik’ilay fefy. …
Teo am-pijoroana teo amin’io tora-pasika mahafinaritra io dia niova tampoka teo ny fomba fijerinay. Ilay fefy izay toa mafy sy mamehy—izay toa mametra ny fahafinaretana sy ny fientanentanana amin’ilay fanaovana surf amin’ireo onjan-dranomasina lehibe tokoa—dia lasa zavatra hafa mihitsy. Lasa nanome fiarovana sy fiadanana ilay fefy noho ny fomba fijery vaovao nanananay momba an’ilay loza izay niafina tao ambanin’ilay rano. (Von G. Keetch, “Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 116)
-
Inona no azon’ny zavatra niainan’ny Loholona Keetch ampianarina antsika mikasika an’ Andriamanitra sy ny didiny?
-
Inona no didy izay mampiseho amin’ny fomba tsara indrindra aminao ny fanirian’ Andriamanitra hiaro antsika? Nahoana?
-
Moa ve ianao mahita ny Tenin’ny Fahendrena ho toy ny fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra sa ho toy ny famerana eo amin’ny fiainanao?
-
Inona no fantatrao momba ireo fitahiana atolotry ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Manan-danja toy ny ahoana ho anao ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena? Nahoana?
Ireo fitahiana tian’ny Mpamonjy homena antsika
Rehefa avy nanambara ny Tenin’ny Fahendrena tamin’i Joseph Smith i Jesoa Kristy dia nanazava ireo fitahiana omen’Izy sy ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay mankatò amim-pahatokiana io fanambarana io.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21, ary asio marika ny fampanantenana tsirairay izay omen’Izy Ireo ny mpankatò.
-
Inona araka ny eritreritrao no fanontaniana mety hananan’ny olona sasany rehefa mamaky ireo fampanantenana avy amin’ny Tompo ireo izy ireo?
Fahazoana fahasalamana sy faharetana (andininy 18, 20)
Vakio ny andiam-pehezan-teny 7–8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Vakio ihany koa ireto fampianarana manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ireto, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany. Niresaka momba ny zavatra niainany fony izy tanora tao amin’ny tafika izy, ka nahatsikaritra izy tamin’izany fa nisy miaramila sasany tsy nitandrina ny Tenin’ny Fahendrena kanefa natanjaka noho izy tamin’ny fanazaran-tena ara-batana nataon’izy ireo. Mitadiava fahamarinana izay afaka manampy ny olona iray hamaly ireo fanontaniana ananany mikasika ireo fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18, 20.
Nianatra aho tamin’ny farany fa ny fampanantenan’ Andriamanitra dia tsy voatery ho tanteraka haingana sy araka izay mety antenaintsika foana, fa tonga araka ny fotoany sy ny fombany. Taona maro taty aoriana dia afaka nahita porofo mazava aho mikasika ireo fitahiana ara-nofo azon’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena—ankoatra ireo fitahiana ara-panahy izay azo avy hatrany noho ny fankatoavana ny lalan’ Andriamanitra na inona izany na inona. Rehefa nanao jery todika aho dia izay vao tena fantatro fa ny fampanantenan’ny Tompo, raha mety hoe tsy tanteraka haingana foana, dia tsy maintsy ho tanteraka foana. (Dieter F. Uchtdorf, “Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 58)
-
Inona no nianaranao momba ny Tompo sy ny fampanantenany izay afaka manampy olona iray mitandrina amim-pahatokiana ny Tenin’ny Fahendrena kanefa mbola miady amin’ny olana ara-pahasalamana ihany?
Fahazoana fahendrena sy fahalalana (andininy 19 )
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34, ary eritrereto ny fomba azo hampiharana ny fotopampianarana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io amin’ny Tenin’ny Fahendrena.
-
Nahoana ny Tenin’ny Fahendrena no fitahiana ara-panahy aloha vao fitahiana ara-batana?
-
Ahoana no ahafahan’ny fankatoavantsika ny Tenin’ny Fahendrena mamela ny Mpamonjy hanome antsika fahendrena sy fahalalana araka izao tontolo izao misimisy kokoa? hanome fahendrena sy fahalalana ara-panahy misimisy kokoa?
-
Ahoana no anampian’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena antsika handray feno kokoa ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
Nampianarina sy nampiofanina ho tonga olon-kendrin’ny mpanjaka i Daniela sy ny tanora hafa nonina tany Babylona. Rehefa natolotra azy ireo ny hanin’ny mpanjaka, dia tsy nety nihinana izany i Daniela noho ny lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana tamin’izany fotoana izany. Ny mpanompon’ny mpanjaka dia namela an’i Daniela sy ny hafa hanao andrana naharitra 10 andro hihinana sakafo hafa, mba hahitana raha ho salama sy mahira-tsaina toy ny tanora hafa ao amin’ilay fandaharanasa izy ireo.
Vakio ny Daniela 1:17–20, ka tadiavo ireo porofon’ny fitahiana araka izao tontolo izao sy ara-panahy avy amin’ny fahendrena izay nomen’ Andriamanitra an’i Daniela sy ireo namany.
-
Inona no porofon’ny fitahian’ Andriamanitra hitanao?
Fanomezana fiarovana (andininy 21)
-
Inona no ohatra momba ny fiarovan’ny Mpamonjy hitanao teo amin’ny fiainanao rehefa nitandrina ny Tenin’ny Fahendrena ianao?
Fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena
-
Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao momba ny Tenin’ny Fahendrena dia nahoana no zava-dehibe ho anao ny mankatò ity fanambarana avy amin’i Kristy ity?
Manaova drafitra izay hanampy anao hitandrina ny Tenin’ny Fahendrena. Eritrereto ireo toe-javatra na fakam-panahy mety hatrehinao, ary manapaha hevitra ny amin’ny fomba tsara indrindra handresenao izany. Zarao amin’ny Ray any An-danitra ny fanirianao sy ny drafitrao amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fangatahana ny heriny mba hahitana fahombiazana.