“Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy
Topimaso ankapobeny
I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery. Afaka mibanjina Azy isika rehefa manao safidy. Ny fahafantarana ny maha-izy azy araka an’ Andriamanitra ao amintsika sy ny tanjontsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika sy ny fametrahana tanjona dia afaka manampy antsika ho tonga tahaka Azy kokoa. Ny fandraisana andraikitra momba ny fampiasantsika ny teknôlôjia dia afaka manampy antsika handeha amin’ny fahazavan’ Andriamanitra. Ny tsodranon’ny patriarika nomena antsika dia afaka manampy antsika hahatsapa ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Ny fanohanana ireo izay antsoin’ny Tompo hitarika ao amin’ny Fiangonany dia afaka manampy antsika hanaraka Azy.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Boky torolalana Ho zatovo mahery!
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hitodika any amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra fanapahan-kevitra iray izay atrehin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hikaroka fampahalalana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy mba hanampiana azy ireo hanao safidy tsara sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba tsara kokoa.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy
-
Sary haseho: Jesoa Kristy
Fametrahana tanjona
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hametraka tanjona amim-pahombiazana sy hamorona drafitra rehefa mikatsaka ny hitovy kokoa amin’ Andriamanitra izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny ezaka nataony mba hivoatra ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Raha namorona tanjona izy ireo dia afaka misaintsaina ny fivoarany na ny olana natrehiny. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019) ary azo asaina hitondra ny tahadikan’izany ao an-dakilasy izy ireo.
-
Zavatra haseho: Sarintany; boky Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo
-
Taratasy zaraina: “Lamina hitondra fivoarana”
Ny maha-izy azy araka an’ Andriamanitra ao amintsika sy ny tanjontsika
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatsapa fa amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy dia manana toetra araka an’ Andriamanitra sy tanjona masina izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra fanontaniana iray na maromaro izay ananan’ny zatovo mikasika ny maha-izy azy araka an’ Andriamanitra ao amin’izy ireo sy ny tanjon’izy ireo.
-
Taratasy zaraina: “Ny maha-izy azy araka an’ Andriamanitra ao amiko sy ny tanjoko”
Mandray andraikitra momba ny fampiasana teknôlôjia
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ireo fiarovana mba handraisan’izy ireo andraikitra momba ny fampiasany ny teknôlôjia.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fampiasan’izy ireo ny teknôlôjia. Azon’ny mpianatra tanisaina ireo fomba nanampian’ny fampiasan’izy ireo ny teknôlôjia mba hahafantatra kokoa ny Mpamonjy sy ireo fomba mety nampanalaviran’izany azy ireo Taminy.
-
Taratasy zaraina: “Mandray andraikitramomba ny fampiasana ny teknôlôjia”
Tsodranon’ny patriarika
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fanirian’ny Tompo hitarika azy ireo amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny iray amin’ireto manaraka ireto: (1) hamaky ny tsodranon’ny patriarika nomena azy mba hitadiavana ny fitarihana sy torolalana omen’ny Ray any An-danitra azy ireo, na (2) hiresaka amin’ny olon-dehibe iray azo itokisana na olona iray akaikin’ny fo mikasika ny fomba nanomezan’ny tsodranon’ny patriarika azy ireo fahafahana hahazo fitarihana sy torolalana avy amin’ny Ray any An-danitra.
-
Sary haseho: Zatovo eo amin’ny sampanan-dalana
-
Taratasy zaraina: “Famaliana fanontaniana momba ny tsodranon’ny patriarika”
Manohana ireo mpitarika antsika
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ireo izay antsoin’ny Tompo mba hitarika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hiresaka amin’ny mpitarika ao amin’ny kilasiny na ao amin’ny kôlejy misy azy ary anontanio raha misy zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana azy ireo. Raha toa ka filohan’ny kilasiny na ny kôlejy misy azy ny mpianatra iray, dia afaka manatona mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny Zatovovavy izy ireo. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanontany ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny fanohanana ireo mpitarika.
-
Horonan-tsary: “Hyrum Smith, -ferme comme les colonnes du ciel-” (17:03; jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha-4:49 hatramin’ny 5:54); “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana” (12:57; jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha-3:48 hatramin’ny 4:19)
-
Taratasy zaraina: “Fampianarana momba ny fanohanana ireo olona voantso hitarika (Tapany 1 sy Tapany 2)”