“Lesona 174: Boky torolalana Ho zatovo mahery! : -Hanafaka anao ny fahamarinana,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
Boky torolalana Ho zatovo mahery! ,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tia sy matoky ny taranaka vao misondrotra ny Ray any An-danitra. Nanome fitarihana avy amin’ny mpaminany Izy mba hanampiana ireo zatovo amin’izao fotoana izao hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitodika any amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny “Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy .”
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fizarana roa voalohany amin’ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hianatra kokoa momba ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022) mba hahafahan’izy ireo miantehitra kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ny fizarana farany dia ahitana sahanasa hoenti-mianatra mifantoka amin’ny fizarana ao amin’ny kiboky mitondra ny lohateny hoe “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny pejy 30–33. Resahina ao amin’ny boky torolalana hafa ho an’ny mpampianatra seminera ireo hevitra handalinana lohahevitra fanampiny avy ao amin’ilay boky torolalana. Manapaha hevitra hoe inona avy ireo fizarana ao amin’ity lesona ity sy ireo lohahevitra avy ao amin’ny Ho zatovo mahery! izay tena mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.
I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe hery ary asao ireo mpianatra hizara hoe iza na inona no eritreretiny rehefa mahita io teny io izy ireo. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto.
Nahoana i Jesoa Kristy no ohatra tsara momba ny hery? Ahoana no nanehoany hery tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainany?
Inona no toe-javatra sasany atrehin’ny tanora izay ahafahan’ny herin’ny Mpamonjy manampy azy ireo?
Vakio ny “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ” ao amin’ny pejy 2 amin’ny Ho zatovo mahery! , ka tadiavo ny fomba ahafahanao mahazo hery.
Manao safidy entanim-panahy
Asao ireo mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany.
Tanisao ny sasany ireo safidy manan-danja sasany hilainao atao na fanapahan-kevitra mety ilainao raisina ao anatin’ny 10 taona manaraka. Fantaro hoe iza amin’ireo safidy ireo no hisy fiantraikany lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao manontolo.
Afaka manamafy ireo fanapahan-kevitra izay tsapany fa hisy fiantraikany lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanipihana izany. Ho an’ny fanontaniana manaraka, dia afaka mamaly mangina izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana sary mitsiky, na endrika tsy maneho fihetseham-po, na endrika miketrona ao amin’ny diariny mba hanehoana ny fatokisa-tenan’izy ireo amin’ny fanapahan-kevitra tsirairay.
Afaka mizara ny fomba nanampian’ny Ho zatovo mahery! azy ireo hanao safidy nentanim-panahy ireo mpianatra.
Vakio ny fizarana “Manaova safidy entanim-panahy ” ao amin’ny pejy 4–5 amin’ny Ho zatovo mahery! , ka tadiavo ny zavatra afaka manampy anao amin’ireo safidy nataonao ankehitriny sy izay hataonao any aoriana any.
Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa mba handalina ity fizarana ity. Omeo andraikitra handalina ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ny mpianatra iray ao amin’ny ekipa tsirairay ary handalina ireo andiam-pehezan-teny telo farany ny iray hafa. Asao izy ireo hanisy marika ireo teny sy andian-teny manan-danja ary hizara ny zavatra nianarany amin’ny namany.
Rehefa avy mifanakalo hevitra tsiroaroa ireo mpianatra dia ataovy izay hanamorana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.
Amporisiho ny mpianatra hampiasa tsy tapaka ireo fampianarana sy fitsipika ao amin’ny Ho zatovo mahery! rehefa mandray fanapahan-kevitra sy miezaka manara-dia ny Mpamonjy izy ireo. Resaho amin’izy ireo ilay sary any amin’ny faran’ny fizarana “Manaova safidy entanim-panahy ” ao amin’ny pejy 5, na asehoy ity fampahalalana manaraka ity mba hanampiana azy ireo hahita ny fomba nandaminana ny Ho zatovo mahery! .
Ny lohahevitra tsirairay ao amin’ny Ho zatovo mahery! dia misy fizarana telo:
Fahamarinana mandrakizay , na fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny
Fanasana hanao asa mahakasika ireo fahamarinana ireo
Ireo fitahiana nampanantenaina omen’ny Tompo an’ireo izay miaina araka ny fampianarany
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana na olana izay mety hilan’izy ireo fanampiana amin’izao fotoana izao, indrindra rehefa mieritreritra ireo safidy manan-danja izay hataon’izy ireo ao anatin’ny taona vitsivitsy ho avy izy ireo. Omeo fotoana izy ireo handalinana ny Ho zatovo mahery! , dia hitady ireo fahamarinana mandrakizay sy fanasana ary fitahiana nampanantenaina izay afaka manampy amin’ireo olana manokana ananany. Amporisiho ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ireo hevi-baovao sy fahatsapana rehefa mandalina izy ireo. Rehefa vita izany dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra hitany, kanefa ampahatsiahivo izy ireo mba tsy hizara zavatra mahakasika loatra ny tena manokana. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.
Inona no hitanao na tsapanao fa tena hanampy anao rehefa nandalina ianao?
Afaka manampy anao hahazo hery avy amin’i Jesoa Kristy mba hanaovana safidy nentanim-panahy amin’ny fomba ahoana ny lamin’ny fianarana fahamarinana mandrakizay sy ny fanaovana asa araka ny fanasana nentanim-panahy ary ny fahatsiarovana ireo fitahiana nampanantenaina?
“Hanafaka anao ny fahamarinana”
Ity ampahany amin’ny lesona ity dia mifantoka amin’ny fizarana “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny Ho zatovo mahery! pejy 30–33. Azonao atao ny mampianatra izany miaraka amin’ireo fizarana hafa na koa mampianatra izany mitokana.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe tombony sy voka-dratsiny . Hevero ny hampiseho smartphone, solosaina, na fitaovana hafa azo ampiasàna internet sy hidirana amin’ny tambajotran-tserasera. Asao ny mpianatra hamariparitra ny tombony sy ny voka-dratsy ateraky ny fampiasana ny internet sy ny tambajotran-tserasera rehefa mitady fahalalana. Asao izy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo loharanom-pahalalana azo antoka izay fantany sy hizara ny antony maha-zava-dehibe ny fampiasana ireo loharanom-pahalalana ireo rehefa mitady ny fahamarinana.
Vakio ny Jaona 8:31–32 , ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa mikasika ny fahamarinana.
Inona no nianaranao?
Ahoana no ahafahan’ny fahamarinana hanampy antsika hahazo fahafahana?
Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely maromaro. Izarao taratasy kely ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hieritreritra rafi-tantara iray maneho ny tena zava-misy izay ahitana zatovo miaina zavatra hifandraisana amin’ireo lohahevitra ao amin’ny fizarana “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny pejy 30–33. Ohatra, ilay rafi-tantara dia afaka mamaritra ny olona iray izay tsy mahatakatra ny hasarobidin’ny fianarana ny fahamarinana, olona iray izay manana olana amin’ny fiainana amim-pahamarinana, na olona iray izay matahotra ny hiresaka momba ny finoany amin’ny hafa. Rehefa avy manoratra ny rafi-tantarany ireo vondrona dia asao izy ireo mba hifanakalo taratasy amin’ny vondrona hafa.
Asao ny mpianatra hamaky ny andiam-pehezan-teny 1–4 ao amin’ny fizarana “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny pejy 31 ary hamantatra fitsipika iray. Mety hamantatra fitsipika toy izao manaraka izao izy ireo: Ny fianarana sy ny fiainana ny fahamarinana mandrakizay dia manampy antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra kokoa sy hahita fiadanana sy fahasambarana eto amin’ity fiainana ity.
Ahoana no ahafahan’ny fianarana sy ny fiainana ny fahamarinana mandrakizay manampy antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra kokoa? Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao amin’izany dingana izany?
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa fiadanana sy fahasambarana avy amin’ny fiainana ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
Asao ny mpianatra hanoratra valin-teny ho an’ilay olona ao amin’ilay rafin-tantara amin’ny fampiasana ireo fahamarinana mandrakizay sy fanasana ary fitahiana nampanantenaina izay ampianarina ao amin’ny fizarana “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny pejy 30–33. Asao ny vondrona vitsivitsy hizara ilay rafi-tantara izay azon’izy ireo sy ny fomba nampiasan’izy ireo ny fampahalalana ao amin’ny Ho zatovo mahery! mba hitondrana fanampiana.
Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diarin’izy ireo.
Inona no fiovana azonao atao eo amin’ny fiainanao noho ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany?
Teo am-pandalinana ny “Hanafaka anao ny fahamarinana ” ao amin’ny pejy 30–33 na ireo fizarana hafa ao amin’ny Ho zatovo mahery! , dia mety ho nahatsapa ny mpianatra fa ilaina ny mitondra fiovana vitsivitsy eo amin’ny fiainany. Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ny fizarana hoe “Hanampy anao i Jesoa Kristy ” ao amin’ny pejy 6–9, ka hitady ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo hery avy amin’i Jesoa Kristy mba hiova.
Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy ho hendry kokoa ary hiantraika kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo! (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely ” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], ChurchofJesusChrist.org )
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
14:11
Ry tanora namako malala, raha teto izao ny Mpamonjy dia inona no holazainy aminareo?
Mino aho fa hanomboka amin’ny fanehoana ny fitiavany lalina ho anareo Izy. Mety hilaza izany amin’ny teny Izy, nefa mety hiseho mafy tokoa izany—amin’ny maha-eo Azy fotsiny—ka tsy azo ihodivirana fa mipaka lalina any am-ponao any, mameno ny atifanahinao iray manontolo! …
Mino aho fa tian’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho hitanao sy ho tsapanao ary ho fantatrao fa Izy no herinao. Fa noho ny fanampiany dia tsy misy fetra ny zavatra azonao atao. Tsy misy fetra ny fahafaha-manao ao aminao. Tiany hahita ny tenanao amin’ny fomba fahitany anao ianao. Ary izany dia tena hafa noho ny fomba fijerin’izao tontolo izao anao. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery ,” Liahona , nôv. 2022, 9)
Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
14:11
Rehefa manana safidy manan-danja tokony hatao ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no safidy tsara indrindra. Rehefa manana fanontaniana ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no valiny tsara indrindra. Rehefa mahatsapa ho malemy ianao dia i Jesoa Kristy no herinao. …
Aoka hazava tsara fa ny mpanoro lalana tsara indrindra hanananao amin’ny fanaovana safidy dia i Jesoa Kristy . I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery.
Koa ny tanjon’ny Ho zatovo mahery! dia ny hanoroana anareo ho any Aminy. Mampianatra anareo ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izany—fahamarinana momba ny hoe iza ianareo sy ny hoe iza Izy ary inona no zavatra azonareo tanterahana amin’ny heriny. Mampianatra anareo ny fomba hanaovana safidy tsara miainga avy amin’ireo fahamarinana mandrakizay ireo izany.
Zava-dehibe ho anareo koa ny mahafantatra hoe inona no tsy ataon’ny Ho zatovo mahery! . Tsy mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranareo izany. Tsy manome anao “eny” na “tsia” momba ny safidy rehetra mety hatrehinareo izany. Ny Ho zatovo mahery! dia mifantoka amin’ny fototry ny safidinareo. Mifantoka amin’ny soatoavina sy fitsipika ary fotopampianarana izany fa tsy amin’izay fitondrantena manokana rehetra. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery ,” Liahona , nôv. 2022, 10–11)
Rehefa mianatra momba ireo lohahevitra samihafa ao amin’ny Ho zatovo mahery! ny mpianatra, dia asao izy ireo hikaroka ireo andalan-tsoratra masina mifandray amin’izany mba hahazoana fahatakarana fanampiny. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny manazava ny fomba ahafahan’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo manampy ireo zatovo hanara-dia tsara kokoa an’i Jesoa Kristy sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Ho fampidirana ilay lohahevitra hoe “Manaova safidy entanim-panahy ” ao amin’ny Ho zatovo mahery! amin’ny mpianatra, dia asao izy ireo hanoratra fanapahan-kevitra manan-danja sasantsasany izay mety horaisiny ao anatin’ny taona vitsivitsy ho avy. Afaka mamorona hazon’ny fanapahan-kevitra izy ireo amin’ny alalan’ny fisafidianana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanapahan-keviny sy ny fanaovana ny sarin’ireo sampana izay manitatra ny safidy tany am-boalohany. Afaka manampy ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny vokatry ny safidiny izany. Ohatra, ny mpianatra iray dia afaka misafidy ny hoe “manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno” ho safidiny voalohany. Isan’ny sampana azo heverina hisandrahaka avy amin’izany safidy izany ny “fiovam-po mahery vaika kokoa ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany,” “fatokisan-tena kokoa rehefa miresaka amin’ny hafa,” “fahazarana mandalina tsara kokoa,” “fitiavana misimisy kokoa ireo zanak’ Andriamanitra,” ary “fifaliana sy fahafaham-po bebe kokoa amin’ny fanompoana.” Rehefa avy namorona ny hazon’ny fanapaha-keviny ny mpianatra dia asao izy ireo handalina ny fizarana “Manaova safidy entanim-panahy ” ao amin’ny pejy 4–5, ka hitady fahamarinana sy torohevitra hitarihana azy ireo ankehitriny sy amin’ny hoavy.