Seminera
Lesona 179—Manohana ireo mpitarika antsika: Manaraka ireo izay antsoin’ny Tompo hitarika


“Lesona 179—Manohana ireo mpitarika antsika: Manaraka ireo izay antsoin’ny Tompo hitarika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Manohana ireo mpitarika antsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 179: Ho zatovo mahery!: Manao safidy

Manohana ireo mpitarika antsika

Manaraka ireo izay antsoin’ny Tompo hitarika

mpikambana manohana ireo mpitarika ny tanora

Afaka ny ho mpitarika tsara amin’ny fomba maro isika. Ny fetezana ho mpanara-dia tsara dia fomba iray amin’izany. Maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa manohana ireo mpitarika izay voantso eo ambany fitarihany. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ireo izay antsoin’ny Tompo mba hitarika.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Vonona ny hanaraka

Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ireo izay antsoin’ny Tompo hitarika:

Alaivo sary an-tsaina hoe nisy namanao iray natao batisa latsaky ny herintaona lasa izay ary vao nantsoina ho filohan’ny kilasinao na ny kôlejy misy anao izy. Efa ela ianao no nahatoky tamin’ny filazantsara, ary tsapanao fa tsy mahafeno fepetra toa anao na ny hafa ho filohan’ny kilasy na ny kôlejy ilay namanao.

  • Ahoana no ahafahanao manitsy ny fisainanao mba ho mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy maneho fanohanana anao?

  • Inona no azonao atao hanohanana ny namanao amin’io antso io?

Azonao atao ny manontany ny mpianatra raha toa izy ireo, na olona iray fantany, ka niaina zavatra mitovy amin’izany. Ahoana ny fihetsika nasehon’izy ireo nanoloana izany?

Ohatra iray amin’ny fahavononana hanaraka ireo nantsoin’ny Tompo i Hyrum Smith. Na dia zokin’i Joseph rahalahiny enin-taona aza i Hyrum dia nanohana an’i Joseph tamin’ny antsony izy.

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao momba an’i Hyrum:

2:3
Filoha M. Russell Ballard

Nanampy sy nanompo an’i Joseph Mpaminany rahalahiny [i Hyrum] nandritra ny dingana lava sy sarotra tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. …

Nandritra izany rehetra izany dia nijoro mafy i Hyrum. Fantany ny lalam-piainany, ary nisafidy ny hanaraka izany tao anatin’ny fahazavan-tsaina izy. Lasa mpiara-mitory, mpiaro, mpanome, olona itokiana, ary niaraka tamin’i Joseph ho maritiora tamin’ny farany i Hyrum. Nanenika azy ireo nandritra ny androm-piainany ny fanenjehana tsy ara-drariny. Na dia efa lehibe aza izy dia nahafantatra ny antso masina naha-mpaminany ny rahalahiny i Hyrum. Na dia nanome torohevitra voalanjalanja an’i Joseph aza izy indraindray, dia nitodika tany amin’ny zandriny foana i Hyrum. (M. Russell Ballard, “Hyrum Smith: ‘Firm as the Pillars of Heaven,’” Ensign, Nov. 1995, 6–7)

ry Smith mirahalahy
  • Inona no mety ho nanasarotra ny fanarahan’ny olona iray tao anatin’ny toe-javatra niainan’i Hyrum an’i Joseph mba ho mpitarika azy ao amin’ny fisoronana?

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay mety ho nanampy an’i Hyrum ho vonona hanaraka an’i Joseph? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:94–96, ka tadiavo ny fomba nitahiana an’i Hyrum noho ny fahavononany hanaraka ny zandriny lahy. (Mariho fa i Hyrum no resahina ao amin’ny andininy 94 fa tsy i Joseph.)

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

Manohana ireo mpitarika

Hazavao fa ny fomba iray ahafahantsika maneho ny fahavononantsika hanaraka ireo mpitarika antsika dia ny fanohanana azy ireo. Mety hanampy ny fanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra ny dikan’ny hoe manohana. Fomba iray ahafahanao manao izany ny mangataka ny mpianatra hanoratra ny famaritany manokana ny dikan’ny hoe manohana. Avy eo dia asao izy ireo mba hampitaha ny zavatra nosoratany amin’ny famaritana avy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Mba hanohana ireo izay manompo amin’ny toeran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny sy eo an-toerana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanohanana ireo Mpitondra ny Fiangonana,” Médiathèque de l’Évangile).

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanao izao fanamarihana manaraka izao mikasika ny fanohanana ireo antsoin’ny Tompo mba hitarika.

2:3
Filoha Henry B. Eyring

Manao fampanantenana ianareo amin’ny alalan’ny fanangananareo ny tananareo mba hanohana. Ianareo dia manao fampanantenana amin’ Andriamanitra, mahakasika ireto mpanompony ireto, fa ianareo dia hanohana azy ireo.

Olombelona tsy tonga lafatra izy ireo, tahaka anareo ihany. Ny fitandremana izany fampanantenana izany dia hitaky finoana tsy voahozongozona fa ny Tompo no niantso azy ireo. Hitondra fiadanana mandrakizay ihany koa ny fitandremana ireo fampanantenana ireo. (Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 58–59)

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Filoha Eyring?

  • Inona no hevi-baovao azonao momba ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy androany?

Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa manohana ireo izay antsoiny hitarika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny fanohanana ireo mpitarika?

  • Oviana ianao no nahatsapa ho voatahy noho ny nisafidiananao ny hanohana olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra hitarika anao?

Raha toa ka sahirana ny mpianatra hieritreritra ohatra iray dia azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fanohanana olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra hitarika anao.

Matoky an’i Kristy hanohana ireo voantso hitarika

Ampio ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba ampiharana ny fitsipiky ny fahatokiana an’i Kristy eo am-panohanana ireo izay antsoiny eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto rafi-tantara manaraka ireto na ny famoronana rafi-tantara hafa azo ampiharina kokoa amin’ny mpianatrao. Hevero ny hanasa ny mpianatra hifidy rafi-tantara iray mba hotadidiny rehefa mandalina fizarana iray na maromaro ao amin’ilay taratasy zaraina izy ireo. Azon’ny mpianatra atao koa ny mampiasa ilay rafi-tantara nampiasaina tany am-piandohan’ny kilasy.

Vao naverina narafitra indray ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy misy an’i Amanda. Ilay tovovavy nantsoina ho filoha dia olona ratsy fanahy tamin’i Amanda taloha.

I Josh dia misiônera miasa mafy. Vao haingana ny filohan’ny misiônany no nanambara fitsipika iray momba ny misiôna izay tsy tian’i Josh.

Vao nantsoina ho filohan’ny kilasiny ny naman’i Jossie. Nanantena i Jossie fa hangataka azy ho ao amin’ny fiadidiana ny namany, saingy tsy nanao izany izy.

Nangatahina ho filohan’ny kôlejy misy azy i Cade. Saro-kenatra izy ary tsy tia mandray fanapahan-kevitra. Manahy izy ny amin’ny fahombiazan’ny fomba hitarihany ny kôlejiny sy ny fiadidiany.

sary famantarana ny taratasy zarainaIlay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fampianarana momba ny fanohanana ireo voantso hitarika” dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampiharana ny fahamarinana izay hitan’izy ireo ao amin’ilay rafi-tantara nofidiny sy eo amin’ny fiainany manokana.

Ny fomba iray hijerena ilay taratasy zaraina dia ny fametrahana toeram-piantsonana manodidina ny efitrano. Azon’ny mpianatra atao ny mitety ireo toeram-piantsonana ary mandalina amim-pahanginana ny fizarana tsirairay ao amin’ilay taratasy zaraina, ka mitady sy mirakitra an-tsoratra ireo hevi-baovao izay miantefa amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo. Afaka mizara ho vondrona na tsiroaroa ny mpianatra avy eo ary mizara ny zavatra nianarany.

Fomba hafa hijerena ilay taratasy zaraina ny fizarana ireo mpianatra ho vondrona efatra efatra sy ny fanomezana fizarana iray avy ao amin’ilay taratasy zaraina ny mpikambana tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny fizarana nomena azy ireo ary mitady ny fomba ampitahana izany amin’ny rafi-tantara halalinin’izy ireo. Avy eo ny mpianatra tsirairay dia afaka mampianatra ny zavatra nianarany amin’ny vondrona misy azy.

Fampianarana momba ny fanohanana ireo voantso hitarika

Fizarana 1

Nampianatra izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Henry B. Eyring

Ny mpitarika anareo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia mety ho malemy sy toa olombelona ihany raha ny fijerinareo azy, na mety ho hitanareo fa toa matanjaka na entanim-panahy. Ny marina dia fitambaran’ireo toetoetra ireo sy ny maro hafa ny mpitarika rehetra. Manampy an’ireo mpanompon’ny Tompo izay nantsoina hitarika antsika isika rehefa afaka mahita azy ireo tahaka ny nahitan’ny Tompo azy ireo tamin’ny fotoana niantsoany azy.

Mahita tanteraka ny mpanompony ny Tompo. Hitany ny hery hahafahana mahavita zavatra izay ananany sy ny hoaviny. Ary fantany ny fomba azo hanovana ny toetra ara-boajanaharin’izy ireo. Fantany ihany koa ny fomba azo hanovana azy ireo amin’ny alalan’ny traikefa azon’izy ireo miaraka amin’ireo olona tarihiny. …

… Raha mino ianao fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana omena an’ireo mpanompo tsy tonga lafatra antsoiny ny Tompo, dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho azy ireo, tahaka ny hanokafany izany ho anao ny Tompo. (Henry B. Eyring, “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo,” Liahona, nôv. 2017, 83–84)


Fizarana 2

Ny Rahalahy Stephen W. Owen, izay Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha, dia nilaza hoe:

Loholona Stephen W. Owen

Hisy fotoana eo amin’ny fiainanareo izay iantsoana anareo mba hitarika. Amin’ny fotoana hafa ianareo dia ho antenaina mba hanaraka. Saingy ny hafatro ho anareo anio dia na inona na inona antso anananareo, dia mpitarika foana ianareo, ary mpanara-dia foana ianareo. Ny fitarihana dia fanehoana ny maha-mpianatra. Izany dia resaka fanampiana fotsiny ny hafa hanatona an’i Kristy, izany no ataon’ny tena mpianatra. Raha miezaka ny ho mpanara-dia an’i Kristy ianareo dia afaka manampy ny hafa hanaraka Azy ary afaka ho mpitarika ianareo.

Ny fahaizanareo mitarika dia tsy avy amin’ny toetra izay mahay mifandray amin’olona, na ny fahaiza-manentana, na ny fahaiza-miteny eo imason’olona akory aza. Izany dia avy amin’ny fanolorantenanareo hanara-dia an’i Jesoa Kristy. (Stephen W. Owen, “Izay mpitarika lehibe indrindra no mpanara-dia lehibe indrindra,” Liahona, mey 2016, 75)


Fizarana 3

Vakio ireto andininy manaraka ireto:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22 (Jereo ireo fomba ampianaran’io andininy io antsika mba hanohananana ny Fiadidiana Voalohany. Eritrereto ny fomba azo hampiharana ireo fomba hanohanana ireo amin’ny antso hafa koa.)

Eksodosy 17:9–12 (Jereo ny fomba nanohanana an’i Mosesy rehefa niady tamin’ny vahoakan’i Amaleka i Isiraely.)


Fizarana 4

Ny Rahalahy Stephen W. Owen izay filohan’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha dia nampianatra izao:

Loholona Stephen W. Owen

[I Jesoa Kristy] no mpitarika lehibe indrindra satria Izy no mpanara-dia lehibe indrindra. Nanaraka ny Rainy tanteraka Izy tamin’ny zavatra rehetra. (Stephen W. Owen, “Izay mpitarika lehibe indrindra no mpanara-dia lehibe indrindra,” Liahona, mey 2016, 75)

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia jereo ny fomba nanarahan’i Jesoa ny Rainy sy ny fomba nampaherezana an’i Jesoa rehefa nanao izany Izy.

Lioka 22:41–43

Jaona 12:49–50

Diniho ny zavatra nianaranao

Asao ny mpianatra hizara amin’ny mpiara-miasa iray aminy na amin’ny vondrona iray ny zavatra heverin’izy ireo fa manan-danja ho an’ny tanora ao amin’ny Fiangonana ny mahafantatra azy avy amin’ny lesona anio sy ny anton’izany.

Rehefa avy nanana fotoana nizarana ireo mpianatra dia asao hisaintsaina amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo ary hifantoka amin’ny fahatsapana izay mety ho azony avy amin’ny Fanahy Masina:

  • Manao ahoana ianao eo amin’ny fanohanana ireo izay nasain’ny Tompo harahinao?

  • Ahoana no ahafahanao maneho finoana ny Mpamonjy mba hanohanana tsara kokoa ireo voantso hitarika?

Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fizarana ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa nanohana ireo mpitarika ny Fiangonana ianao.