Seminera
Lesona 175—Mametraka tanjona: Hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy


“Lesona 175—Hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Mametraka tanjona,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 175: Ho zatovo mahery!: Manao safidy

Mametraka tanjona

Hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

mpandeha an-tongotra eo amin’ny lalana iray

Maniry ny hahazoan’ny zanany tsirairay ny fiainana mandrakizay ny Ray any An-danitra (jereo ny Mosesy 1:39). Afaka mandroso amin’ny ezaka ataontsika mba ho tonga tahaka an’ Andriamanitra sy hiverina eo anatrehany isika amin’ny alalan’ny fametrahana tanjona manokana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hametraka tanjona amim-pahombiazana sy hamorona drafitra rehefa mikatsaka ny hitovy kokoa amin’ Andriamanitra miaraka amin’ny fanampiany izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Handeha ho aiza ianao? Ahoana no hahatongavanao any?

Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao na sarintanin’ny faritra misy anao. Angataho ny mpianatra mba hizara toerana efa notsidihiny na tiany hotsidihina. Omeo roa minitra ny mpianatra mba hamoronana drafitra izay afaka manampy olona iray handeha any amin’io toerana io. Mety ho tafiditra ao anatin’ilay drafitra ny zavatra toy ny fomba fitaterana mifanaraka amin’izany, ny antsipiriany mikasika ny lalana, ary ny vola ilaina. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny drafitr’izy ireo amina mpianatra iray miara-miasa aminy.

  • Ahoana no ampitahana ny famoronana drafitra momba ny dia amin’ny fiainantsika eto an-tany?

Nizara izao manaraka izao ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly:

Filoha M. Russell Ballard

Ny fahafantarana ny tanjona halehanao sy ny fomba eritreretinao hahatongavana amin’izany dia afaka mitondra lanja sy tanjona ary fahatanterahan-javatra eo amin’ny fiainana.

Ny olona sasany dia manana olana amin’ny fanavahana ny tanjona sy ny drafitra, mandra-pahafantarany fa ny tanjona dia zavatra hahatongavana na ny fiafarana, raha ny drafitra kosa no lalana tokony haleha mba hahatongavana any. (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 62)

  • Inona avy ireo zava-kendren’ny tanjona sy ny drafitra?

    Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo tanjony manokana sy ny drafiny amin’ny alalan’ny fisaintsainana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Impiry ianao no mametraka tanjona ho anao sy manao drafitra hanatratrarana izany?

  • Inona avy ireo fahombiazana sy fahasahiranana niainanao?

  • Aiza no antenainao hitondran’ny tanjonao sy ny drafitrao anao?

Mandritra ny lesona dia amporisiho ny mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mivelatra sy miasa manatratra ny tanjony sy ny drafiny izy ireo.

Nanome ohatra iray ho antsika Andriamanitra

Rehefa mampiseho ity teny nambara manaraka ity ianao dia esory ilay andian-teny hoe “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny lehilahy [sy ny vehivavy]” ary ny teny hoe “famonjena” ao amin’ny andiam-pehezanteny voalohany. Angataho ny mpianatra mba hameno ny banga amin’ny tanjon’ Andriamanitra sy ny anaran’ny drafiny. Afaka mamaky ny Mosesy 1:39 na ny Almà 42:5 ireo mpianatra avy eo mba hamantarana ireo teny nampiasain’ny Filoha Ballard. Azonao atao ny manazava fa ny fampiasana ny teny hoe “lehilahy” ao amin’ny Mosesy 1:39 sy ny soratra masina hafa (ohatra, Genesisy 1:27; Môrmôna 9:17) dia fanondroana ankapobeny momba ny olona mety maty na olombelona, noho izany dia ilazana lehilahy sy vehivavy.

Nanohy nampianatra ny Filoha Ballard hoe:

Filoha M. Russell Ballard

Andriamanitra, Raintsika any An-danitra, dia nanome antsika ny ohatra tonga lafatra momba ny fametrahana tanjona sy ny fandrindrana. Ny tanjony dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny lehilahy [sy ny vehivavy]” [Mosesy 1:39], ary ny fomba hanatanterahany izany dia ny drafitry ny famonjena. …

… Mino aho fa ny fanalahidin’ny fahasambarana iray manan-danja dia ny mianatra ny fomba fametrahana ny tanjontsika manokana sy ny fametrahana ny drafintsika manokana ao anatin’ny rafitry ny drafitra mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra. (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 63)

  • Inona no ianaranao avy amin’io fanambarana io momba ny tanjonao sy ny drafitrao manokana?

    Ny fahamarinana iray azon’ny mpianatra fantarina dia ny hoe afaka miaina fahasambarana isika amin’ny alalan’ny fiezahana hanatratra tanjona manokana izay manampy antsika hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa Andriamanitra dia nanao izay hahatonga antsika ho velona mandrakizay amin’ny alalan’ny Mpamonjy, na hahazo ny tsy fahafatesana. Maniry koa Izy mba ho tonga tahaka Azy sy tahaka an’i Jesoa Kristy isika ary hiverina hiara-hiaina amin’Izy Ireo, na hahazo ny fiainana mandrakizay. Ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra dia mahatonga ireo fitahiana ireo ho azo tanterahina.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mahatsapa fahasambarana isika rehefa manampy antsika hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra ny tanjontsika? (jereo ny 2 Nefia 2:25; Môzià 2:41).

    Vakio ny Lioka 2:52, ka tadiavo ny fomba nitomboan’ny Mpamonjy fony Izy mbola tanora rehefa nanaraka ny drafitry ny Rainy Izy.

  • Nahoana ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitomboana eo amin’ireo lafiny ireo no mety hitarika ho amin’ny fahasambarana mitombo?

Lamina hitondra fivoarana

Asehoy amin’ny mpianatra ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo. Hevero ny hanasa ny mpianatra iray hizara ny fomba azo ampiasana izany mba hanampiana amin’ny famoronana tanjona sy fametrahana drafitra. Raha ilaina dia hazavao fa asaina isika hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famoronana tanjona amin’ny tsirairay amin’ireto sehatra manaraka ireto: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-tsaina ary ara-batana.

Sary famantarana ny taratasy zarainaMba hanomanana ireo mpianatra hanatanteraka ny tanjony manokana dia avereno jerena ny fizarana “Lamina hitondra fivoarana” ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny zatovo ([2019], 7–15) na omeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Lamina hitondra fivoarana.” Apetraho ao anaty vondrona misy olona efatra ny mpianatra, ka ny mpianatra tsirairay dia handalina ny ampahany samihafa amin’ilay lamina. Avy eo izy ireo dia afaka manazava amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany.

ChurchofJesusChrist.org

3:42

Lamina hitondra fivoarana

Fantaro ny zavatra ilainao sy ny fanomezam-pahasoavana anananao ary ny talentanao. Andramo apetraka ny fanontaniana toy ny hoe:

Inona no zavatra tsapako fa tokony hianarako na hovaiko eo amin’ny fiainako?

Inona no talenta na fahaiza-manao tiako hananana?

Fahazarana ara-panahy toy ny ahoana no ilaiko mba hitomboako sy hivoarako?

Ahoana no hitandremako ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny nanaovana batisa ahy?

Iza no azoko tompoina?

“Handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia … hanontany Ahy ianao raha marina izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).

Manaova Drafitra mba hivoarana. Andramo apetraka ny fanontaniana toy ny hoe:

  • Nahoana no manan-danja amiko izany?

  • Ahoana no hanampian’izany ahy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

  • Inona no zavatra azoko atao mba hanaovana izany?

  • Azoko zaraina ho dingana kely kokoa ve ireo zavatra atao ireo?

  • Inona izao no drafitra azoko atao mba handresena ireo fanamby atrehako?

“Hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Diniho ny zavatra nianaranao. Andramo apetraka ny fanontaniana toy ny hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitomboako?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahako mampiasa ny zavatra nianarako mba hanompoana ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana ny zavatra nataoko no nanampy ahy hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahako mitombo hatrany amin’io sehatra io?

“Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao” (Ohabolana 4:26).

Manaova asa mba hitombo am-pinoana. Raha tapi-dalan-kaleha ianao dia mametraha fanontaniana toy ny hoe:

  • Inona no nety? Nahoana?

  • Inona no tsy nety? Nahoana?

  • Inona ihany koa no azoko andramana?

  • Aiza no ahitako hevitra bebe kokoa?

  • Azoko zaraina ho dingana na zavatra atao kelikely kokoa ve ny tanjoko?

  • Inona no azoko ianarana avy amin’ireo zavatra tsy nampoizina?

“Lazaiko marina tokoa, fa [ianao] dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-po[nao.]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27).

  • Inona avy ireo fanontaniana izay tsapanao fa mety hanampy anao eo am-panatontosana ny tanjonao sy ny drafitrao? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’io lamina io manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny ezaka ataonao?

Mamantatra, manao drafitra, manao asa, mandinika

Omeo fotoana ny mpianatra mba hanatratrarana ny tanjony manokana. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto:

Safidio ny lohateny izay mamaritra anao tsara indrindra, ary fenoy ny iray na ny maromaro amin’ireo torolalana mifanaraka amin’izany. Katsaho ny fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina ary ampiasao ny “Lamina hitondra fivoarana” (azo jerena ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny zatovo na ao amin’ilay taratasy zaraina).

  • Tsy nanao tanjona na drafitra manokana aho.

  • a. Tadiavo ny zavatra ilainao mba phanaovana asa amin’ny iray na maromaro amin’ireto sehatra manaraka ireto: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-tsaina, ara-batana.

    b. Mamoròna drafitra izay hanampy anao hahatratra ireo tanjona ireo.

    d. Raketo ao amin’ny Boky Torolalana ho an’ny zatovo na ny diary fandalinanao ny tanjonao sy ny drafitrao.

  • Manana tanjona sy drafitra izay iasako aho.

  • a. Raha mety dia ampiasao ny fotoana ao am-pianarana mba hanaovana asa eo anatrehan’ny sasany amin’ireo drafitrao sy tanjonao.

    b. Diniho ny zavatra nianaranao sy ny fivoaranao rehefa nanao asa teo anatrehan’ny tanjonao sy ny drafitrao ianao.

    d. Raketo an-tsoratra ny eritreritrao ary amboary araka izay ilaina ny tanjonao na ny drafitrao ao amin’ny Boky Torolalana ho an’ny zatovo na ny diary fandalinanao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny tanjona napetrany na ny fahombiazana sy olana niainany rehefa nanao asa teo anatrehan’ny tanjony izy ireo.

Asao ny mpianatra nanao asa eo anatrehan’ny tanjon’izy ireo manokana. Hazavao fa ny fanaovana asa eo anatrehan’ny tanjona dia fihetsika maneho finoana. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny tanjatsika sy ny fahalementsika i Jesoa Kristy. Hanampy antsika mba hahomby ny Ray any An-danitra rehefa mitodika any Aminy isika.