Seminera
Lesona 176—Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra: Manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika


“Lesona 176—Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra: Manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra”, Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 176: Ho zatovo mahery!: Manao safidy

Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra

Manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika

ankizy madinika miaraka amin’i Jesoa

Amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra antsika dia afaka ny ho tonga tahaka azy ireo isika ary handova izay ananany. Ireo fitahiana ireo dia afaka ny ho azon’ny tsirairay amintsika noho ny i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fa amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo dia manana toetra sy tanjona araka an’ Andriamanitra izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Iza moa aho ary inona no tanjoko?

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hieritreritra ny maha-mora ny fanadinoana ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny maha-sarobidy antsika.

2:3

Atombohy amin’ny alalan’ny fizarana rafi-tantara iray toy izao manaraka izao ka arindra ny antsipirian’izany mba hanehoana ireo ahiahy mey hananan’ireo mpianatrao.

15 taona i Amelia. Matetika izy no mahatsiaro ho irery sy tsy tsikaritry ny hafa. Maniry ny hanana namana bebe kokoa izay tsy mitovy aminy izy. Mahita ny hafa manao zavatra manan-danja i Amelia saingy tsy mihevitra ny tenany ho manana fahaiza-manao ampy hanaovana zavatra manan-danja izy. Miahiahy ny amin’ny hasarobidin’ny tenany izy.

  • Inona no mety hanasarotra ny fitadidiantsika ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika?

Hazavao fa mandritra ity lesona ity dia hianatra momba ny fananan’izy ireo toetra maha-Adriamanitra amin’ny maha-zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba sasantsasany mahatonga ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra izy ireo ho lasa misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Afaka manoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Asao ny mpianatra hihaino ny Fanahy Masina mampianatra azy ireo momba ny fananan’izy ireo toetra maha-Andriamanitra sy ny tanjon’izy ireo araka an’ Andriamanitra.

Toetra sy tanjona araka an’Andriamanitra

sary famantarana ny taratasy zarainaAmin’ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona kely. Asao ny mpianatra mba hampiasa ilay taratasy zaraina hoe “Ny fiizoko sy ny tanjoko araka an’ Andriamanitra” mba hanomanana valiny ho an’i Amelia. Manendre mpitarika vondrona iray izay afaka manampy ny vondrona misy azy ireo hanatanteraka andraikitra samihafa. Ohatra, ny mpianatra iray dia afaka mamaky teny, ny iray hafa afaka manoratra valiny ary ny iray hafa afaka mizara izany amin’ny iray kilasy.

Afaka mitady soratra masina na fanambarana fanampiny ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fikarohana ny hoe “toetra araka an’ Andriamanitra” na “anjara masina” ao amin’ny Médiathèque de l’Evangile.

Vakio ny soratra masina sy ireo fanambarana ao amin’ilay taratasy zaraina. Mitadiava andian-teny izay heverinao fa afaka manampy an’i Amelia, ary diniho ny antony mety hanampian’izy ireny.

Ilay toetra maha-Andriamanitra ahy sy ny tanjoko araka an’ Andriamanitra

1. Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka tadiavo ny fanirian’ny Mpamonjy ho anao:

Loholona Dieter F. Uchtdorf

Mino aho fa tian’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho hitanao sy ho tsapanao ary ho fantatrao fa Izy no herinao. Fa noho ny fanampiany dia tsy misy fetra ny zavatra azonao atao. Tsy misy fetra ny hery anaty anananao. Tiany hahita ny tenanao amin’ny fomba fahitany anao ianao. Ary izany dia tena hafa noho ny fomba fijerin’izao tontolo izao anao.

Hambaran’ny Mpamonjy tsy am-pihambahambana fa ianao dia zanakavavy na zanakalahin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Ny Rainao any An-danitra no olona be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao, feno fitiavana, fifaliana, fahadiovana, fahamasinana, fahazavana, fahasoavana ary fahamarinana. Ary indray andro any dia tiany handova izay rehetra ananany ianao. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no maha-zatovo mahery,” Liahona, nôv. 2022, 9–10)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7 ka tadiavo ny zavatra irin’ny Ray any An-danitra homena anao.


2. Vakio ity teny nambaran’ny Rahavavy Michelle D. Craig ity, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, ka tadiavo ny toroheviny ho an’izay rehetra miahiahy momba ny hasarobidiny araka an’ Andriamanitra:

Rahavavy Michelle D. Craig

Angamba ny zavatra manan-danja indrindra tokony ho hitantsika mazava tsara dia hoe iza Andriamanitra sy hoe iza marina isika. Isika dia zanakalahy sy zanakavavin’ireo ray aman-dreny any an-danitra izay manana “toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.” [teny filamatry ny Zatovovavy, ChurchofJesusChrist.org]. Angataho Andriamanitra mba hanambara ireo fahamarinana ireo aminao sy ny zavatra tsapany momba anao. (Michelle D. Craig, “Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020, 15)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13, ka tadiavo ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba anao.


3. Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Susan H. Porter, izay Filohan’ny Kilonga maneran-tany ity, ka tadiavo ny antony ilantsika tsirairay mahafantatra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba antsika:

Susan H. Porter

Rehefa fantatrao sy takatrao fa tena tiana tanteraka ianao amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao dia manova ny zavatra rehetra izany. Manova ny fahatsapanao momba ny tenanao izany rehefa manao fahadisoana ianao. Manova ny fahatsapanao izany rehefa sendra zavatra sarotra mitranga. Manova ny fahitanao ireo didin’ Andriamanitra izany. Manova ny fahitanao ny hafa sy ny fahaizanao mitondra fiovana izany. (Susan H. Porter, “Ny fitiavan’ Andriamanitra: Ilay mampiravoravo indrindra ny fanahy,” Liahona, nôv. 2021, 33)


4. Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny zavatra nampianariny momba ny fanantenan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika tsirairay avy:

Filoha Russell M. Nelson

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany dia manome fahafahana antsika hiaina any amin’ny toerana iainany sy hiaina ny fomba iainany ary amin’ny farany dia ho tonga kokoa hatrany tahaka Azy. Ny drafiny dia manao izay ahafahantsika mahazo ara-bakiteny ireo fitahiana sarobidy indrindran’ny mandrakizay rehetra, anisan’izany ny fahafahantsika ho tonga “mpiray lova amin’i Kristy” [Romana 8:17]. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Asao ireo mpianatra hanampy ny zavatra mety hozarain’izy ireo amin’i Amelia.

2:3

Rehefa avy namarana ny fifanakalozan-kevitry ny vondrona misy azy ny mpianatra dia asao izy ireo hanao tatitra amin’ny iray kilasy momba ny zavatra nianarany. Mba hamporisihana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany fa manan-danja mikasika ny fanehoan-kevitry ny hafa.

Ny maha-zava-dehibe ny maha-izaho ahy sy ny hoe mety ho lasa toy ny ahoana aho

Ny fanoratana diary dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy hahafantatra bebe kokoa ny zavatra tsapany. Afaka manampy ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo ihany koa izany. Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nandalina momba ilay toetra maha-Andriamanitra anao sy ny tanjonao araka an’ Andriamanitra ianao?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’io fahalalana io eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao na eo amin’ny fomba itondranao ny hafa?

  • Inona no zavatra niainanao izay nanampy anao hahatsapa fa zanak’ Andriamanitra manana anjara araka an’ Andriamanitra ianao?

Asao ireo mpianatra maniry hanao izany mba hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fananan’izy ireo toetra araka an’ Andriamanitra sy ny anjaran’izy ireo araka an’ Andriamanitra.

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fananan’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay toetra maha-Andriamanitra sy tanjony araka an’ Andriamanitra.