“Lesona 178: Tsodranon’ny patriarika: -Soratra masina an’ny tena manokana ho anao-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Tsodranon’ny patriarika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia manana fomba maro hanomezana fitarihana sy torolalana ho an’ireo zanany. Ny fomba iray anaovany izany dia amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fanirian’ny Tompo hitarika azy ireo amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika noraisiny.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Tari-dalana eo amin’ny fiainantsika
Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity na hanao sary mitovy amin’izany eny amin’ny solaitrabe.
Inona avy ireo lafin-javatra sasany eo amin’ny fiainanao izay mety hahatsapanao fa itovianao amin’ilay olona eto amin’ity sary ity? Nahoana?
Inona no afaka manampy antsika mba hahafantatra izay tokony hataontsika rehefa tsy azontsika antoka ny lalana tokony harahintsika eo amin’ny fiainana?
Hazavao fa ny soratra masina dia mampianatra fahamarinana manan-danja momba an’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika rehefa mila fitarihana isika.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14 ; 42:61 ; ary 112:10 , ka mitadiava fahamarinana izay afaka manampy antsika rehefa miatrika toe-javatra mampiahiahy isika.
Asao ny mpianatra hizara ireo fahamarinana hitany. Afaka mizara fahamarinana mitovy amin’izany izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny teniny manokana:
Isaky ny manontany an’ Andriamanitra isika dia hampianatra antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14 ).
Raha mangataka isika, dia hanome antsika fanambarana miampy fanambarana Andriamanitra ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61 ).
Hitarika antsika amin’ny tanana Andriamanitra ary hanome antsika ny valin’ny vavaka ataontsika ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 ).
Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra hizara andinin-tsoratra masina hafa fantany izay maneho ny fahavononan’ Andriamanitra hanome fitarihana sy torolalana ho antsika.
Ahoana no fiantraikan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fahatsapanao momba an’Andriamanitra na ny fihetsikao manoloana an’Andriamanitra?
Inona avy ireo fomba sasany anomezan’ Andriamanitra antsika fitarihana ho an’ny fiainantsika?
Raha ilaina, dia lazao fa ny tsodranon’ny patriarika dia fomba iray ahafahantsika mandray fitarihana avy amin’ Andriamanitra. Mba hanampiana ireo mpianatra hanombantombana ny fahalalany amin’izao fotoana izao mikasika ny tsodranon’ny patriarika, dia asehoy ity zavatra manaraka ity ary omeo fotoana ny mpianatra hamaliana amim-pahanginana na ao anatin’ny diary fandalinany.
Amin’ny alalan’ny fampiasana maridrefy manomboka amin’ny iray (tsy marina) mankany amin’ny dimy (tena marina), dia saintsaino hoe hatraiza ny maha-marina ny tsirairay amin’ireto teny ambara manaraka ireto:
Azoko ny atao hoe tsodranon’ny patriarika.
Fantatro ny fiantraikan’ny tsodranon’ny patriarika eo amin’ny fiainako.
Mino aho fa afaka manome tari-dalana ho an’ny fiainako Andriamanitra amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika noraisiko.
Omeo fotoana ny mpianatra hanoratana ireo fanontaniana ananany mikasika ny tsodranon’ny patriarika eny amin’ny solaitrabe. Mety manana fanontaniana toy izao manaraka izao izy ireo:
Inona no atao hoe tsodranon’ny patriarika?
Ahoana no ahafahan’ny tsodranon’ny patriarika hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Ahoana no ahafahako miomana amin’ny tsodranon’ny patriarika?
Rahoviana aho no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika?
Mifidiana fanontaniana iray farafahakeliny momba ny tsodranon’ny patriarika izay tianao hovalina. Soraty eny an-tampon’ny pejin’ny diary na ao amin’ny pejy fanoratana ao amin’ny findainao ny fanontanianao. Katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontanianao.
Famaliana fanontaniana momba ny tsodranon’ny patriarika
Omeo fotoana ny mpianatra hitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo momba ny tsodranon’ny patriarika. Diniho ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny fahaizany eo amin’ny famantarana ny fomba hikarohan’izy ireo ny valiny. Mety hanampy ny sasany ny mitady valiny ao anaty vondrona kely.
Misafidiana amin’ireto safidy atolotra manaraka ireto mba hahitana ny valin’ireo fanontanianao momba ny tsodranon’ny patriarika:
1. Tadiavo ireo loharano misy ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Ohatra, azonao atao ny mandalina ny “Bénédictions patriarcales” ao amin’ny Sujets et questions na mikaroka ny “tsodranon’ny patriarika” ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
2. Halalino ny iray amin’ireto lahateny manaraka nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny Aprily 2023 ireto: “Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika ” izay nataon’ny Loholona Kazuhiko Yamashita (Liahona , mey 2023, 88–90) na ny “Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra ” izay nataon’ny Loholona Randall K. Bennett (Liahona , mey 2023, 42–43).
3. Halalino ireo teny voalaza ao amin’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Famaliana ireo fanontaniana mikasika ny tsodranon’ny patriarika.”
Nizara izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Sarobidy [ny tsodranon’ny patriarika]. Soratra masina ho anao manokana izany. Manambara ilay firazananao miavaka izany. Mampahatsiahy anao ny amin’ny fifandraisanao amin’ny lasa izany. Ary hanampy anao ho tonga amin’izay azonao hahatongavana any aoriana izany. Azonao atao ara-bakiteny mihitsy ny mangataka amin’ny Tompo ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo amin’ny alalan’ny fahatokianao. (Russell M. Nelson, “Thanks for the Covenant ” [Brigham Young University devotional, Nov. 22, 1988], 5)
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Kazuhiko Yamashita ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Namaky matetika sy ombam-bavaka ny tsodranoko avy amin’ny patriarika aho; mampahery ahy hatrany izany. Fantatro ny zavatra andrasan’ny Tompo amiko, ary nanampy ahy hibebaka sy hanetry tena izany. Rehefa mamaky sy misaintsaina izany aho dia maniry ny hiaina mba ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana nampanantenaina. …
… Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahitokana malalany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Tia antsika Izy Ireo. Fanomezana masina avy amin’ Izy ireo ny tsodranon’ny patriarika. Rehefa mandray ny tsodranonareo ianareo dia ho resy lahatra sy hahatsapa ny fitiavan’Izy ireo anareo sy ny fomba ifantohan’Izy ireo aminareo manokana. (Kazuhiko Yamashita, “Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika ”, Liahona , mey 2023, 90)
Ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, dia nizara izao:
Nandritra ny fivoriambe HZM (Ho Zatovo Mahery!) vao haingana, dia nifankahafantatra tamin’ny zatovovavy roa izay nanana olana aho. Samy milaza ho nitodika tany amin’ny tsodranon’ny patriarika ireo zatovovavy roa ireo mba hahitana indray ny fitiavan’ny Tompo sy ny fitarihany azy manokana. Tadiavo ny tsodranon’ny patriarika nomena anao, tsofy ny vovoka raha ilaina, kanefa halalino matetika izany. Raha tsy manana ianao dia maka iray. Aza atao ela. Aza mangataka andro amin’ny famantarana izay tian’ny Tompo holazaina momba anao amin’izao fotoana izao. (Bonnie H. Cordon, “Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery ,” Liahona , nôv. 2021, 10)
© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Rehefa avy nanana fahafahana nandalina ny mpianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao:
Inona no nianaranao avy ao amin’ny fandalinana nataonao izay hitanao fa tena nanampy?
Inona avy ireo valiny sasantsasany hitanao tamin’ny fanontanianao?
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny tsodranon’ny patriarika hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Zarao ny fomba nitahian’ Andriamanitra na nitarihany anao tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika azonao. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra izay nahazo ny tsodranon’ny patriarika mba hizara ny zavatra niainany. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa tsy tokony hizara ny antsipirian’ireo fitahiana azony izy ireo. Na izany aza, tsara ny mizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nandray ny tsodranon’ny patriarika sy ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo.
ChurchofJesusChrist.org
Eritrereto ny zavatra nianaranao
Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany dia asao izy ireo hanao izao manaraka izao:
Saintsaino ireo bitsika na ireo zavatra tsapanao androany avy amin’ny Fanahy Masina. Manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao momba ny fitarihana sy ny torolalana nomen’ny Ray any An-danitra anao androany sy ny mety ho zavatra hataonao manoloana ireo bitsika ireo.
Amporisiho ny mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra tsapan’izy ireo androany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitarihana sy ny torolalana avy amin’ny Ray any An-danitra izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika.
Ny Rahavavy Rebecca L. Craven, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, dia nampianatra izao:
Ny tsodranon’ny patriarika dia fitahiana tena tsara avy amin’ny Ray any An-danitra izay nomen’ny patriarika voatendry iray, izay matetika avy ao anatin’ny tsatòka misy anao. Hafatra manokana sy mifono fanambarana ho anao manokana izany. Ny tsodranonao dia hanome anao torohevitra, fampitandremana, fananarana ary fampanantenana mba hanampiana anao hitarika ny fiainanao. (Rebecca L. Craven, “Your Book of Possibilities ,” For the Strength of Youth , Aug. 2022, 26)
Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra mitahy ahy amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika?
Tamin’ny Aprily 2020 dia nasaina nandray fitenenana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny zatovovavy iray nantsoina hoe Laudy Ruth Kaouk. Nijoro ho vavolombelona izy hoe:
2:3
Nianatra ny hamaky ny tsodranon’ny Patriarikako aho isaky ny mahatsiaro malahelo na manirery. Ny tsodrano nomena ahy dia manampy ahy hahatakatra izay azoko hahatongavana sy ny drafitra manokana nataon’ Andriamanitra ho ahy. Mankahery ahy izany ary manampy ahy hahita mihoatra noho ny fomba fijeriko amin’ny maha-olombelona. Mampahatsiahy ahy an’ireo fanomezam-pahasoavana ananako sy ireo fitahiana ho azoko izany raha miaina amim-pahamendrehana aho. Manampy ahy ihany koa izany hahatsiaro sy hahatsapa fiadanana fa hamaly ahy Andriamanitra ary hanokatra lalana ho ahy amin’ny fotoana tena ilàko izany indrindra.
Manampy antsika ny tsodranon’ny patriarika hiomana hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra. Fantatro fa avy amin’ Andriamanitra ireo tsodranon’ny patriarika ary afaka manampy antsika hamadika ireo fahalementsika ho lasa tanjaka. Tsy hafatra avy amina mpanandro akory ireo. Fa ireo tsodrano ireo dia manambara amintsika izay tokony ho rentsika. Toy ny Liahona izy ireny ho antsika tsirairay. Rehefa Andriamanitra no ataontsika lohalaharana ary mino Azy isika, dia hitarika antsika Izy hamakivaky ny tany foanantsika. (Laudy Ruth Kaouk, “Ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo ,” Liahona , mey 2020, 56–57)
Ireto torolalana manaraka ireto dia voafaritra ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany :
Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao dinidinika miaraka amin’ireo mpikambana izay maniry ny hahazo tsodranon’ny patriarika. Raha mendrika ilay mpikambana dia manomana Fahazoan-dalana hahazo tsodranon’ny patriarika ilay mpanao dinidinika. …
Rehefa mahazo fahazoan-dalana ilay mpikambana dia mifandray amin’ny patriarika mba hakana fotoana handraisana tsodranon’ny patriarika. Amin’ilay fotoana nifanomezana dia tokony mankany amin’ny patriarika amim-pisaintsainana ombam-bavaka sy manao fitafy fanao alahady ilay mpikambana. Afaka mifady hanina ireo mpikambana, kanefa tsy takina ny hanaovana izany. (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany , 18.17 ; 18.17.1 , ChurchofJesusChrist.org ).
Hevero ny hampianatra ny mpianatra ny fomba hahazoana ny tsodranon’ny patriarika noraisin’izy ireo, na ny tsodranon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nodimandry, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org . Azonao atao ny mizara ity tranonkala manaraka ity amin’izy ireo, na manome izany ho azy ireo ho toy ny kaody QR, ary angataho izy ireo hiditra amin’ny alalan’ny solon’anarana sy ny tenimiafina ampiasain’izy ireo ao amin’ny kaontiny ao amin’ny Fiangonana.
https://pb.churchofjesuschrist.org/pbrequest/home/personal
Azonao atao koa ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto mba hitarihana azy ireo.
Mankanesa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org .
Tsindrio eo amin’ Ny kaontiko sy ny Paroasy .
Midira amin’ny alalan’ny fampiasana ny kaontinao ao amin’ny Fiangonana.
Safidio ny Tsodranon’ny patriarika ao amin’ny lisitra.
Tsindrio ny kisary manga Ny tsodranoko .
Tsindrio eo amin’ny Mangataka tsodrano manokana na Mangataka tsodranon’ny fianakaviana ary fenoy ny taratasy fangatahana. (Rehefa mangataka tsodranon’ny fianakaviana ianao dia miomàna hanome ireo anarana sy ireo daty tokotokony ho nahaterahana.)
Afaka maka minitra vitsivitsy ny mpianatra ary mangataka tahadikan’ny tsodranon’ny patriarika na tahadikan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry. Azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’ny mpianatra mikasika ny fomba ahafahan’ny famakiana tsodranon’ny patriarika iray an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny razambeny.
Mety hanontany tena ny mpianatra sasany hoe nahoana no zava-dehibe ny mandray fanambarana momba ny rohim-pirazanana ao anatin’ny tsodranon’ny patriarika. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny rohim-pirazanany dia azonao atao ny mampiseho izao fanambarana manaraka izao:
10:47
Rehefa mandray fanambarana momba ny rohim-pirazanana ianareo dia ho fantatrareo fa anisan’ny mpianakavin’i Isiraely sy taranak’i Abrahama ianareo [jereo ny Abrahama 2:10 ]. Mba hahatakarana ny lanjan’izany dia mifantoha amin’ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny alalan’i Abrahama.
Izany fampanantenana izany dia ahitana ny hoe:
“Ho maro an’isa ny taranany (jereo ny Genesisy 17:5–6 ; Abrahama 2:9 ; 3:14 ).
“Handray ny filazantsara sy hihazona ny fisoronana ny taranany na koa ny naloaky ny kibony (jereo ny Abrahama 2:9 ).
“Amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ny taranany no –hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany, dia amin’ny fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay– (Abrahama 2:11 )” [Sujets et questions, “Alliance abrahamique ,” Médiathèque de l’Évangile].
(Kazuhiko Yamashita, “Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika ”, Liahona , mey 2023, 89)
Ny mpianatra koa dia afaka mamaky ny “Déclaration de lignée ” (ao anatin’ny Sujets et questions ChurchofJesusChrist.org “Bénédictions patriarcales ,” Médiathèque de l’Évangile) mba hianarana bebe kokoa momba ny rohim-pirazanana.
Azonao atao avy eo ny mangataka ny mpianatra mba hanazava ny antony hiheveran’izy ireo fa ampahany manan-danja amin’ny tsodranon’ny patriarika ny fanambarana ny rohim-pirazanana.
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fiantraikan’ny tsodranon’ny patriarika teo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay teo amin’ny tantaran’ny fiangonana dia zarao ny iray na maromaro amin’ireto tantara manaraka ireto. Azonao atao ny mamorona kaody QR ho an’ny tantara tsirairay ary asehoy eo amin’ny solaitrabe izany. Afaka misafidy ny handalina ny iray na maromaro amin’ireo tantara ireo ny mpianatra avy eo.
Ny finoana nananan’i Phebe Carter Woodruff tamin’ny tsodranon’ny patriarika noraisiny dia nanampy azy handroso na dia mbola tsy nahazo ny zavatra niriny aza izy (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days , boky 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 262–64 ).
Ny finoana sy ny fahazotoana nananan’i Connie Taylor dia nahatonga azy hahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenana tao amin’ny tsodranon’ny patriarika noraisiny (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days , boky 3, Boldly, Nobly, and Independent, 1893–1955 , 350–53 , 536–37 ).
Ny tsodranon’ny patriarika azon’ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanampy azy hijoro mafy sy hahatoky teo anatrehan’ireo loza natrehiny nandritra ny ady tamin’ny Ady Lehibe II (jereo ny Saints , 3:465–68 ).
Niova ny fiainan’i Ruben Gapiz ary voavaly ny vavaka nataony noho ny tsodranon’ny patriarika noraisiny (jereo ny Global Histories, Philippines, “Growing While Serving the Lord ,” Médiathèque de l’Évangile).
I Eva Hernández dia nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana iray tamin’ny tsodranon’ny patriarika azony (jereo ny Global Histories, Spain, “A Blessing Fulfilled ,” Gospel Library).