Ankizy sy Zatovo
Lamina hitondra fivoarana


“Lamina hitondra fivoarana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)

“Lamina hitondra fivoarana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo

Lamina hitondra fivoarana

Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fivoarana. Mba hanampiana anao dia manome anao fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina sy ny soratra masina ary ny mpaminany ny Ray any An-danitra. Hianatra avy amin’ny zavatra iainanao ianao, indrindra rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ity misy lamina mba hanampiana anao hiaina ny filazantsara eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao.

Fantaro ny zavatra ilainao hanaovana ezaka.

zatovo mivavaka sy mikaroka

Manaova drafitra ny amin’ny fomba hanaovanao izany.

zatovo mitondra sarintany

Manaova asa am-pinoana araka ilay drafitrao.

zatovo manatanteraka asa fanompoana

Diniho ny zavatra nianaranao.

zatovo mandinika

Fantaro

ny zavatra ilainao sy ny fanomezam-pahasoavana anananao ary ny talentanao

olona manao zavatra

Ny Ray any An-danitra dia nanome anao fanomezam-pahasoavana sy talenta ary fahaiza-manao. Tiany ianao hamantatra sy hampivoatra azy ireo mba hahatonga anao sy ny olona hafa ary izao tontolo izao mihitsy ho lasa tsaratsara kokoa. Ahoana no fomba ahafahanao mihatsara sy mivoatra?

Andramo apetraka ny fanontaniana toy ny hoe:

  • Inona no zavatra tsapako fa tokony hianarako na hovaiko eo amin’ny fiainako?

  • Inona no talenta na fahaiza-manao tiako hananana?

  • Fahazarana ara-panahy toy ny ahoana no ilaiko mba hitomboako sy hivoarako?

  • Ahoana no hitandremako ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny nanaovana batisa ahy?

  • Iza no azoko tompoina?

Hamaly ireo fanontaniana ireo ny Ray any An-danitra rehefa miantehitra Aminy ianao. Mivavaha. Mikaroha ao amin’ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminany. Vakio ny tsodranon’ny patriarika nomena anao, raha manana ianao. Mianara mamantatra ireo fahatsapana sy eritreritra avy amin’ny Fanahy Masina. Hanampy anao hahafantatra ny tena manan-danja ho anao eo no ho eo Izy. Raha tsy fantatrao izay tokony hatao, dia jereo ny ao amin’ny pejy 58–63.

Manaova drafitra

mba hivoatra

olona ao anaty tanàna

Raha vantany vao tapakao hoe inona no zavatra hanaovanao ezaka dia manaova drafitra ny amin’ny fomba ahafahanao manao azy. Mety hahitana dingana na zavatra atao voafaritra tsara ny drafitrao na mety hahitana fomba hampivoatra fahazarana na toetra manokana iray.

Andramo apetraka ny fanontaniana toy ny hoe:

  • Nahoana no manan-danja amiko izany?

  • Ahoana no hanampian’izany ahy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

  • Inona no zavatra azoko atao mba hanaovana izany?

  • Azoko zaraina ho dingana kely kokoa ve ireo zavatra atao ireo?

  • Inona izao no drafitra azoko atao mba handresena ireo fanamby atrehako?

Mivavaha momba ny drafitrao, ary henoy tsara ireo fahatsapana sy eritreritra voarainao. Afaka mangataka ny fanampian’ny Fanahy Masina sy ny fianakavianao ary ireo mpitarika ianao.

Manaova asa

mba hitombo am-pinoana

olona manao zavatra

Araho ny drafitrao! Manaova fampahatsiahivana mba hanampy anao hifantoka. Afaka maka naoty ianao, na manao famoha-mandry, na mangataka olona iray hiara-hiasa aminao. Indraindray dia ho mafy ny manao zavatra araka ny drafitrao. Tsy hahomby ianao indraindray. Tsy maninona izany! Manampy anao hitombo ny fianarana izay mety sy izay tsy mety.

Raha tampin-dalan-kaleha ianao dia mametraha fanontaniana toy ny hoe:

  • Inona no nety? Nahoana?

  • Inona no tsy nety? Nahoana?

  • Inona ihany koa no azoko andramana?

  • Aiza no ahitako hevitra bebe kokoa?

  • Azoko zaraina ho dingana na zavatra atao kelikely kokoa ve ny tanjoko?

  • Inona no azoko ianarana avy amin’ireo zavatra tsy nampoizina?

Mila fampiharana sy faharetana ny manao zavatra tsara. Mangataha fanampiana amin’ny fianakavianao, na ireo namanao, na ireo mpitarika anao. Mahafantatra anao sy ireo fanamby atrehanao ny Mpamonjy. Afaka manampy anao hanao zavatra sarotra Izy. Mivavaha mba hahazo fanampiana sy fitarihana.

Diniho

ny zavatra nianaranao

olona miakatra tohatra

Saintsaino ireo tanjonao sy drafitrao rehefa manao zavatra araka izany ianao ary rehefa vitanao izany. Inona no tsapanao? Inona no nianaranao? Mety hanampy anao any aoriana any ny fanoratana ireo eritreritra sy fahatsapana.

Mametraha fanontaniana toy ny hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitomboako?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahako mampiasa ny zavatra nianarako mba hanompoana ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana ny zavatra nataoko no nanampy ahy hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahako mitombo hatrany amin’io sehatra io?

Rehefa avy nilofo tamin’ny tanjona na drafitra iray ianao dia isaory ny Ray any An-danitra sy ireo izay nanampy anao. Diniho ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao. Eritrereto ary ivavaho izay zavatra azonao ezahina atao amin’ny manaraka.