“Afaka manaraka ny Mpamonjy ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)
“Afaka manaraka ny Mpamonjy ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo
Afaka manaraka ny Mpamonjy ianao
Tian’ny Ray any An-danitra hianatra sy hitombo ireo zanany. Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba ho ohatra tonga lafatra ho antsika rehetra amin’ny fomba rehetra.
Ara-panahy
“Nandroso fitia tamin’ Andriamanitra” i Jesoa. Afaka mitombo ara-panahy ianao amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fahavononanao hiaina ny filazantsara.
Ara-piarahamonina
“Nandroso fitia tamin’ny … olona” i Jesoa. Afaka mitombo ara-piarahamonina amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana ny olona rehetra ianao.
Ara-batana
Nitombo “saina” i Jesoa. Afaka mianatra miasa ary mikarakara ny vatanao sy ny fahasalamanao ara-tsaina ary ireo zavaboarin’ Andriamanitra ianao.
Ara-tsaina
Nitombo “fahendrena” i Jesoa Afaka mianatra any an-tsekoly, mianatra fahaiza-manao vaovao, ary manatsara ireo talentanao ianao.