Ankizy sy Zatovo
Andao ary!


“Andao ary!” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)

“Andao ary!” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo

Andao ary!

olona mihanika tendrombohitra

Andramo ampiasaina ilay lamina hoe Mianatra, Manao Drafitra, Manao asa, ary Mandinika mba hanampiana anao hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy eo am-pitomboanao. Azonao atao ny mametraka tanjona ho an’ny tsirairay amin’ireo sehatra efatra mba hihazonana ny fiainanao ho voalanjalanja. Azonao ampiasaina ireto pejy manaraka ireto mba hitarihana anao. Na afaka mampiasa diary iray hafa na fomba fametrahana tanjona iray hafa izay mety tsara aminao ianao.

Tsarovy fa ny fivoaranao dia miankina aminao, saingy tsy natao hanao izany irery ianao anefa. Te hanampy anao ny Ray any An-danitra, ary afaka mangataka ny ray aman-dreninao sy ny mpitarika anao ary ireo namanao ianao mba hanampy anao. Mitadiava ihany koa fahafahana hanampy ny hafa ao anatin’ny fivoarany. Tian’ny Ray any An-danitra hifankatia sy hifanampy ireo zanany.

Mamantatra

Inona no tsapanao fa tokony hianaranao na hatsarainao? Soraty ireo fahatsapana sy hevitra eo am-pieritreretanao fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Ahoana no ahafahako mampitombo ny talentako? Tia manao inona aho? Inona avy ireo andraikitra ananako amin’izao? Ahoana no hamantarako ny Fanahy Masina? Iza no azoko tompoina?

ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-tsaina, ara-batana

Ara-panahy

Ohatra: mihazona diary, mivavaka isa-maraina, mandalina ny soratra masina isan’andro, mitandrina ny andro Sabata ho masina

Ara-piarahamonina

Ohatra: Manompo ny hafa, misoroka ny fifosana, maka namana vaovao

Ara-tsaina

Ohatra: Mianatra zavatra tiana na fahaiza-manao iray, mizatra mampianatra, mianatra ny fomba fitantanam-bola

Ara-batana

Ohatra: Manao sy mihinana sakafo ara-pahasalamana, mampiasa vatana, manadio na manatsara ny manodidina anao

Manao drafitra.

Ny tanjoko:

Nahoana no manan-danja amiko izany?

Ahoana no hanampian’izany ahy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Ny fomba hanaovako izany.

Inona avy ireo dingana na asa kelikely sasany azoko atao mba hahatratrarana ny tanjoko?

Daty/Impiry

Daty/Impiry

Daty/Impiry

Iza no afaka manampy ahy?

Manao asa

  • Inona no ianarako izao?

  • Inona no fanamboarana mila ataoko?

Mandinika

  • Inona no nianarako?

  • Aiza ho aiza aho amin’ny fanakaikezana ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahako mampiasa ny zavatra nianarako mba hanompoana ny hafa?

sary famantarana, fankalazana

Daty nahavitany:

Hankalaza ny fivoarako aho amin’ny:

sary faneva, fivoaran’ny ankizy sy ny tanora

Inona indray no hataoko manaraka?

Miverena any amin’ilay zavatra fenoina mikasika ny hoe Mamantatra mba ahitana hevitra.