Ankizy sy Zatovo
Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana


“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)

“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo

Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana

Misy fomba maro ahafahanao mivoatra eo amin’ny fiainanao! Makà hevitra avy amin’ireto pejy manaraka ireto, na ampiasao ny hevitrao manokana. Angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao hahafantatra ny zavatra mila ilofosanao izao.

Afaka mahita hevitra fanampiny ianao ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Gospel Living (Fiainana ny filazantsara).

Ara-panahy

zatovo mamaky soratra masina
  • Mivavaka amin-kitsimpo.

  • Mandalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona.

  • Mitady fahafahana hizarana ny filazantsara.

  • Mamantatra sy mampivoatra ieo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao.

  • Miomana handray ny tsodranon’ny patriarika.

  • Mandray sy mihazona amim-pahamendrehana fahazoan-dalana hidirana ny Tempoly.

  • Manao ny asan’ny tantaram-pianakavianao sy manompo any amin’ny tempoly.

  • Maneho fankasitrahana isan’andro.

  • Mitandrina tanteraka kokoa didy iray.

  • Mandalina ny fiainan’i Kristy.

  • Mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro.

  • Mandray anjara amin’ny seminera.

Ara-piarahamonina

zatovo miarahaba olon-dehibe
  • Miraharaha bebe kokoa ny zavatra ilain’ny hafa.

  • Mianatra mihaino tsara sy milaza hevitra amin’ny fomba mazava.

  • Mitia sy manompo ny olona manodidina anao.

  • Mandany fotoana miaraka amin’ny fianakaviana.

  • Miomana ny ho vady sy ray aman-dreny.

  • Mampivoatra ny fahaiza-mizaka, izany hoe ny fahaizana mifanaraka sy miaritra rehefa mihasarotra ny fiainana.

  • Mandray anjara bebe kokoa any an-tsekoly na amin’ny zavatra atao eny amin’ny fiarahamonina.

  • Mitady fomba hikarakaraina ny mahantra.

  • Mianatra miala tsiny. Mianatra mamela.

  • Miresaka sy maneho fihetsika feno hatsaram-panahy, ary misoroka ny fifosana.

Ara-batana

zatovo mitaingina bisikileta
  • Manatsara ny fahasalamana sy ny hery ara-batana.

  • Mianatra na manatsara fahaiza-manao ara-batana, toy ny fanatanjahan-tena, na dihy, na zavatra atao any ivelany.

  • Mianatra na manatsara fahaiza-manao ara-kolotsaina sy amin’ny asatanana.

  • Mamehy ny fanirian’ny vatana amin’ny fomba ara-pahasalamana.

  • Mianatra fomba hiarovana ny tenanao amin’ny fanararaotana, ary mikatsaka fanampiana raha ilaina.

  • Misoroka ny pôrnôgrafia.

  • Mitady fomba ara-pahasalamana hamehezana ny fihetseham-po sy ny fitaintainana.

  • Mianatra mikarakara ankizy.

  • Manao madio tsara.

  • Mianatra mampiasa tsara ireo fitaovana fampiasa amin’ny zaridaina sy amin’ny trano.

  • Mianatra fahaiza-manao amin’ny vonjy aina sy ny fahaizana mitandro ny aina rehefa mivoaka.

  • Mampiasa fiteny matotra, ary tsy mianiana.

Ara-tsaina

zatovo manao fandalinana
  • Manatsara ny fahaizanao mamaky sy manoratra.

  • Mikolokolo tsara ny fahazarana mandalina.

  • Mikatsaka ny zavatra ilainao mba hahazoana asa tsara, ary manomboka manao zavatra hanatratrarana izany tanjona izany.

  • Mianatra bebe kokoa momba ny zavatra izay mahaliana anao.

  • Miresaka amin’ireo olona izay ankafizinao mba hahafantarana ny fomba nampiroboroboany ireo toetra izay tianao ananana.

  • Mianatra fomba fitantananam-bola amim-pahendrena.

  • Mandalina bebe kokoa lohahevitra iray momba ny filazantsara.

  • Mianatra fahaiza-manao arak’asa izay azonao ampiasaina izao sy any aoriana.

  • Manatrika hetsika ara-kolontsaina.

  • Mianatra fiteny hafa.

  • Manao izay hizakana tena kokoa.

  • Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fifehezan-tena.