Seminera
Lesson 173: Mahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina


“Mahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Mahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 173: Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Mahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina

zatovolahy mandalina ny soratra masiny

Manampy antsika hahafantatra ny tanjon’ireo mpanoratra nentanim-panahy ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina. Maha lalim-paka ny fahatakarantsika ny tenin’izy ireo sy manampy antsika haheno ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika izany. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra hoe nahoana ny sahan-kevitry ny soratra masina no hampisy dikany kokoa ny fandalinana soratra masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny sary iray manontolo

Atombohy amin’ny alalan’ny fampisehoana tsirairay ireto sary manaraka ireto ny fotoam-pianarana ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha tsy izany, ny mpianatra dia afaka manoratra lohateny kely ho an’ny sary tsirairay rehefa asehonao izany. Azon’izy ireo atao avy eo ny mifanakalo hevitra momba ny fiovan’ilay lohateny rehefa hitany ilay sary iray manontolo.

Azon’ireo mpianatra atao ny tsy mampiasa ireo sary etsy ambany, fa afaka misafidy sary iray avy ao amin’ny findainy ireo mpianatra, ary ampahany amin’ilay sary ihany no asongadiny. Afaka manasa mpianatra iray miara-miasa izy hamantatra ny zava-mitranga eo amin’ilay sary. Azon’izy ireo atao avy eo ny mampiseho ilay sary manontolo ary manontany hoe inona no niova tamin’ny fahatakaran’ilay mpianatra.

ankizilahy manosika ankizilahy iray hafa
  • Inona no mitranga eto amin’ity sary ity?

ankizilahy manosika ankizilahy iray hafa hiala amin’ny lalan’ny fiara iray manatona
  • Ahoana no fiovan’ny fahatakarantsika rehefa hitantsika ny sary iray manontolo?

    Asao ny mpianatra hizara ohatra teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nahitany fiovana bebe kokoa satria hitan’izy ireo kokoa ilay sary. Ny ohatra sasany azo resahina dia mety hahitana ny fandefasana hafatra na fandefasana zavatra alohan’ny hananana ny antsipiriany rehetra, ny fitsarana olona iray nefa tsy fantatra akory ny tantarany, na ny fanatsoahan-kevi-diso avy amin’ny sary notapahina iray.

  • Ahoana no ifandraisan’izany amin’ny fandalinantsika ny soratra masina?

Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia diniho ny fahatakarany ny sahan-kevitra izay mifandray amin’ny fandalinana ny soratra masina. Mifototra amin’ny fanombanana ny fahatakaran’izy ireo nataonao, dia ampiasao ity fizarana manaraka ity manontolo na ny ampahany amin’izany.

Famaritana: Fahatakarana ny sahan-kevitra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe sahan-kevitra.

Mety hanadino antsipirian-javatra manan-danja isika ary mety hanana fahatakarana tsy feno ny zava-mitranga raha tsy misy sahan-kevitra.

  • Ahoana no hamaritanao ny teny hoe sahan-kevitra?

Hevero ny hanoratra ny valiny omen’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Raha ilaina dia zarao ity famaritana ny atao hoe sahan-kevitra manaraka ity:

Ny sahan-kevitra dia ny tantara sy ny toe-javatra ary ny toerana misy ny zava-mitranga izay ahafahantsika mahatakatra kokoa ny zava-mitranga.

Vakio ity manaraka ity avy amin’ny Loholona David A Bednar mikasika ny fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844):

David A. Bednar

“Manana fomba izay ahatakarako ny soratra masina aho. Manontany aho: inona ilay fanontaniana izay nahatonga ilay valiny, na nahatonga an’i Jesoa hampianatra ilay fanoharana?” (History of the Church, 5:261). Noho izany, ny fiezahana hahatakatra ny fanontaniana nialoha ny fanambarana, fanoharana, na tantara iray manokana dia afaka manampy antsika amin’ny fahazoana fahatakarana lalindalina kokoa ny soratra masina. (David A. Bednar, ao amin’ny “Witnesses of the Prophet Joseph Smith,” Liahona, jan. 2009, 15)

  • Ahoana no hanampian’ny fianarana ny sahan-kevitry ny soratra masina anao hahatakatra ny lesona ampianarin’izy ireo?

Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe impiry izy ireo no mikatsaka ny hahafantatra ny tantara sy ny toerana. Omeo iray na roa minitra ireo mpianatra hisaintsainana ny fomba nitahiana na mety hitahian’ny fahatakarana ny sahan-kevitra azy ireo rehefa mandalina ny soratra masina. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreritr’izy ireo na ireo zavatra niainany manokana.

Fanehoana ohatra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121

Ity manaraka ity dia fanehoana ohatra amin’ny fomba mety hahafahan’ny fahatakarana ny sahan-kevitra hahatonga ny fandalinana ny soratra masina hanan-danja kokoa. Raha tianao, dia azonao atao ny misafidy andininy samihafa mba ho modely.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andininy ireo?

    Ataovy anaty vondrona kely ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny valin’ity fanontaniana manaraka ity. Asao izy ireo hanao lisitr’ireo loharanom-pitaovana izay manampy antsika hianatra momba ny sahan-kevitra.

  • Inona avy ireo fitaovana na loharanom-pitaovana sasany izay afaka manampy antsika hianatra momba ny sahan-kevitrio sy ny soratra masina hafa?

Afaka mitanisa ny sasany amin’ireto loharano manaraka ireto ny mpianatra: sasin-tenin’ny fizarana na toko, andinin-tsoratra masina manodidina, fanamarihana ao amin’ny soratra masina, boky torolalana, lahateny nataon’ireo mpitarika ny Fiangonana, ary ny tantara ao amin’ny soratra masina ho an’ny ankizy.

Azonao atao ny milaza fa anisan’ireo loharanom-pitaovana manokana misy ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny tantaran’ny Fiangonana ny Olo-masina, boky 1 sy ny Revelations in Context. Raha te hahafantatra bebe kokoa ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho ny fomba ahafahan’ny mpianatra miditra amin’ireo loharanom-pitaovana ireo ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Omeo toky ny mpianatra fa na dia afaka manampy aza ny fandalinana loharano samihafa, dia afaka mampanan-danja kokoa ny fandalinana ny soratra masina ny fahazarana tsotra mamaky ny sasin-tenin’ny fizarana alohan’ny handalinany izany. Izany no hifantohan’ity lesona ity.

Vakio ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny fizarana 121, ka tadiavo ny fampahalalana izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ireo andininy ireo. Mety ho te hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6 ihany koa ianao mba hahazoana hevi-baovao fanampiny.

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8 miaraka amin’ny fahatakarana ny sahan-kevitra ao an-tsaina.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io sahan-kevitra io hanamafy ny fahatakaranao ny hafatra nomen’ny Tompo an’i Joseph ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no mahatonga ireo andininy ireo ho manan-danja kokoa aminao noho izany fahatakarana vaovao izany?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia tadiavo ny fomba hanamafisana na hanontaniana ny zavatra ampianarin’io sahan-kevitra io antsika momba ny Tompo. Ohatra, nomen’ny Tompo fiadanana sy fomba fijery ary fampanantenana fitahiana ho avy ao anatin’ny fotoan-tsarotra tamim-pitiavana ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fahatakarana io sahan-kevitra io dia manampy antsika hahafantatra fa afaka manome antsika fiadanana sy fitarihana eo amin’ny fiainantsika koa ny Tompo.

Ampiharo ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny fahatakarana ny sahan-kevitra dia asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky tsiroaroa ny iray na maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina ary hanoratra ny zavatra nianarany avy amin’izany eo afovoan’ny taratasy iray. Avy eo dia afaka mamaky ny sasin-teniny miaraka amin’ireo andininy manodidina izany izy ireo. Manodidina ny zavatra efa nosoratany, izy ireo dia afaka manao sary na manoratra zavatra izay mifantoka amin’ilay sahan-kevitra (ny sary lehibe kokoa).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:6–9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:3–5

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–23

Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Raha manampy dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny sahan-kevitra ao amin’ilay fizarana manamafy ny fahatakaranao ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no hanampian’ny sahan-kevitra anao hianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy, ny fitiavany, ny famindram-pony, na ny heriny eo amin’ny fiainantsika?

Raha ampy ny fotoana dia afaka mampihatra io fahaiza-manao io ny mpianatra amin’ny fampiasana fizarana na toko iray amin’izao fotoana izao ao anatin’ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mety ahafahan’ny fandalinana ny sahan-kevitra hitondra fiovana eo amin’ny fandalinany manokana sy ny fomba ahafahan’izy ireo manatsara ny fandalinany soratra masina amin’ny alalan’ny fampiharana io fahaiza-manao io.

Rehefa mampihatra io fahaiza-manao fandalinana soratra masina io ny mpianatra amin’ny herinandro ho avy, dia mitadiava fomba ahafahan’izy ireo mizara hevi-baovao izay nianarany tamin’ny iray kilasy ao anatin’ny fotoam-pivavahana ho avy.