Seminera
Lesona 171: Manoratra fampahalalana ao amin’ny soratra masina: Manisy marika sy fanamarihana


“Manoratra fampahalalana ao amin’ny soratra masina: Manisy marika sy fanamarihana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Manoratra fampahalalana ao amin’ny soratra masina,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 171: Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Manoratra fampahalalana ao amin’ny soratra masina

Manisy marika sy fanamarihana

mpianatra manisy marika soratra masina eo amin’ny taratasy

Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanisy marika sy fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo amin’ny fomba izay hampanan-danja kokoa ny fandalinan’izy ireo sy hampanakaiky kokoa azy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Ao anatin’ny fandalinan’izy ireo isan’andro ny soratra masina, dia asao ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra manan-danja amin’izy ireo, indrindra ireo teny na andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra na hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka ny ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra izay nasian’izy ireo marika ary ny antony nanasiany marika izany izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Manao izay hampisy lanjany kokoa ny fandalinana ny soratra masina

Asao ireo mpianatra hizara hevitra vitsivitsy momba ireo zavatra mety ataon’izy ireo amin’ny fomba tsotsotra sy ireo zavatra ataon’izy ireo amin’ny fomba mifanohitra amin’izany, dia amin’ny fomba manan-danja kokoa izany. Ohatra amin’izany ny fiarahabana sy firesahana amin’ny mpiara-mianatra, fandefasana teny fisaorana na hafatra fohy, ary fandalinana ny soratra masina.

Nandidy antsika ny Mpamonjy mba tsy hamaky amin’ny fomba tsotsotra ny soratra masina fa mba “[handinika]” ny teniny ary “[hivoky]” amin’izany kosa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37; 11:22; 2 Nefia 32:3). Amin’ny alalan’ny soratra masina isika dia afaka mahafantatra Azy sy mahatsapa ny fitiavany (jereo ny Jaona 5:39; Jakôba 3:2).

Asao ireo mpianatra haka fotoana hanombanana ny fandalinany ny soratra masina, tafiditra ao anatin’izany ny hoe mahatsapa ve izy ireo fa manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany na inona no tsapan’izy ireo eo amin’ny fanampian’izany azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Inona avy ireo zavatra sasany nataonao (na azonao atao) mba hanaovana ny fandalinanao ny soratra masina ho manan-danja kokoa aminao?

Henoy tsara ny valin-tenin’ny mpianatra ary soraty eny amin’ny solaitrabe izany. Hevero ny hanazava ity zavatra manaraka ity amin’ny alalan’ny teninao manokana:

Mamaritra: Manisy marika ao amin’ny soratra masina

Ny fomba iray mba hampanan-danja ny fandalinana ny soratra masina dia ny fanisiana marika sy fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava fomba fanisiana marika ao amin’ny soratra masinao izay mety tianao mba hanampian’ny fandalinanao ny soratra masina anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Manao fanehoana ohatra: Manisy marika ao amin’ny soratra masina

Mampisehoa ohatra vitsivitsy izay ahitana ny fomba fanasiana marika ao amin’ny soratra masina izay mety ataon’ny olona tahaka ny ao amin’ireto horonan-tsary na sary nampidirina ireto. Azon’ny mpianatra atao mihitsy aza ny mizara ny fomba fanisian’izy ireo marika ao amin’ny soratra masiny. Asao ireo mpianatra hamantatra ny mety ho antony nanaovana ny marika hitan’izy ireo.

manisy marika ao amin’ny soratra masina
manisy marika ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba elektrônika

A Marking System That Works for You” (1:56). Ao anatin’ity horonan-tsary ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampiseho ny fomba fanisiany marika ao amin’ny soratra masina.

1:58

Marking Scriptures” (1:45). Ao anatin’ity horonan-tsary ity ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia mampiseho ny fomba fanisiany marika ao amin’ny soratra masina.

2:3
  • Inona avy ireo antony sasantsasany izay mahatonga ny olona hanisy marika ao amin’ny soratra masiny?

  • Amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ny fanisiana marika ao amin’ny soratra masina manampy anao?

Manao fampiharana: Manisy marika ao amin’ny soratra masina

Hevero ny hanoratra na hampiseho ny lahatsoratra fenon’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Na raha misy dia asehoy avy ao amin’ny Mediathèque de l’Évangile ny endrika elektrônikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Azonao soloina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andininy hafa na izay andininy nosafidinao ireo andininy ireo.

Ho an’ireo mpianatra mampiasa soratra masina amin’ny endrika elektrônika dia azonao atao ny manokana fotoana fohy mba hampisehoana ny fomba fanisiana marika ireo soratra masina ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Raha hijery torolalana momba ny fanaovana izany dia jereo ny fizarana “Aide” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile, tafiditra ao anatin’izany ny Guide d’utilisation de la Médiathèque de l’Évangile (iOS) sy ny Guide d’utilisation de la Médiathèque de l’Évangile (Android) eo ambanin’ny lohateny hoe “Surligner du contenu.”

Mba hanaovana fampiharana ny fanisiana marika dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:5–6 ary asio marika izay manan-danja aminao. Azonao atao ny mifantoka amin’ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy sy ny zavatra tsapany momba anao.

Raha aseho eny amin’ny solaitrabe ireo andininy ireo dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hampiasa marqueur mba hamerenana ny fanasiana marika nataon’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ary angataho izy ireo hizara ny antony nanisiany marika izany.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny nasianao marika? Nahoana izy ireo no nisarika ny sainao?

  • Manana fahatsapana hafa momba ny soratra masinao ve ianao taorian’ny nanisianao marika azy ireo? Nisy fiantraikany teo amin’ny fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy ve izany? Raha eny, dia nahoana?

Mety hanampy ny manamafy amin’ny mpianatra fa rehefa misy andian-teny ao amin’ny soratra masina manaitra azy ireo dia mety ho fomba iray hifandraisan’ny Tompo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany.

Mamaritra: Mampifandray na mampivondrona andinin-tsoratra masina

Mety hilaina koa ny mandalina andinin-tsoratra masina fanampiny mahakasika ny lohahevtra iray ary mampifandray na mampivondrona ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Manao fanehoana ohatra: Mampifandray na mampivondrona andinin-tsoratra masina

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mampifandray na mampivondrona soratra masina momba ny fitiavan’ny Mpamonjy anao?

    Henoy ny valin-ten’ireo mpianatra ary hevero ny hampiditra an’ireto zavatra azo atao manaraka ireto. Azonao ampiasaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:5–6 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 ho ohatra amin’ireo andininy izay manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ity lisitra manaraka ity dia ahitana hevitra vitsivitsy izay mety holazain’ireo mpianatra na izay azonao hampidirina ao amin’ny zavatra zarain’ny mpianatra.

  • Soraty eo amin’ny pejy tsy misy na inona na inona any amin’ny fiandohan’ny soratra masinao na any amin’ny fiafarany, na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ireo andinin-tsoratra masina.

  • Soraty eo akaikin’ny andinin-tsoratra masina iray eo amin’ny sisiny tsy misy soratra ny andinin-tsoratra masina iray mifandray amin’izany.

  • Rehefa mampiasa ny application Médiathèque de l’Évangile dia ampiasao ilay endrika fiasa hanaovana fampifandraisana na fametrahana famantarana.

Raha ilaina dia hazavao fa ny fampifandraisana dia hampifandray andinin-tsoratra masina anankiroa, fa ny fametrahana famantarana kosa dia hanome fahafahana anao hampivondrona andinin-tsoratra masina maro ao anatina lohahevitra iray ihany. Hevero ny hampiseho ohatra mikasika io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny application Médiathèque de l’Évangile na manasà mpianatra iray hanao izany. Raha azo atao dia mety hanampy ny mampiseho amin’ny efijery lehibe kokoa noho ny amin’ny finday ny zavatra ataonao na ataon’ny mpianatra iray. Mba hahitana torolalana mikasika ny fomba fanaovana izany dia jereo ny fizarana “Aide” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Afaka miditra ao amin’izany fizarana izany ianao amin’ny alalan’ny fisafidianana ireo teboka telo eny amin’ny zorony ambony havanana. (Fanamarihana: Afaka mampifandray na manisy marika famantarana andiam-pehezan-teny ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ihany koa ianao na ao amin’izay fitaovana hafa ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.)

Manao fampiharana: Mampifandray na mampivondrona andinin-tsoratra masina

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka mamporisika ny mpianatra hampivondrona na hampifandray soratra masina. Raha nisafidy andinin-tsoratra masina hafa ianao mba hohalalinin’ny mpianatra mialoha ny lesona, dia azonao atao koa ny misafidy andininy hafa mikasika an’ilay lohahevitra ihany ho solon’ireo andininy etsy ambany.

Vakio farafahakeliny ny telo amin’ireto soratra masina manaraka ireto ary hevero ny hampifandray na hampivondrona azy ireo mba ho andininy izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11; 34:1–3; 45:3–5; 49:26–27; 68:5–6; 138:3; Isaia 49:15–16; Jaona 15:13; Romana 8:35–39; 1 Jaona 4:19; 1 Nefia 19:9.

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy na ao anatina vondrona kely ny fomba nampivondronany andinin-tsoratra masina sy ny antony mety ho maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Afaka mizara hevitra momba ny fomba azon’izy ireo ampiasana ny fampivondronana na fampifandraisana amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina koa izy ireo.

Mamaritra: Manisy fanamarihana

Fomba iray hanakaikezana kokoa ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina ny fanisiana fanamarihana momba ny zavatra ianaranao.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny firaketana an-tsoratra rehefa mandalina ny soratra masina:

Loholona David A. Bednar

Ny fanoratana ny zavatra ianarantsika sy eritreretintsika ary tsapantsika rehefa mandalina ny soratra masina dia endrika iray hafan’ny fisaintsainana ary fanasana mahery vaika ny Fanahy Masina hitondra toromarika tsy tapaka. (“Because We Have Them before Our Eyes,” New Era, April 2006, 6–7)

Manao fanehoana ohatra: Manisy fanamarihana

Asehoy na ampio ireo mpianatra mba hahatsiaro amin’ny alalan’ireo sary sy horonan-tsary tany am-piandohan’ny lesona fa afaka manisy fanamarihana izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana eny amin’ny sisiny tsy misy soratra ao amin’ny soratra masiny, na amin’ny tapa-taratasy kely apetrany ao amin’ny soratra masiny, na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina, na amin’ny fomba elektrônika amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Médiathèque de l’Évangile.

Manao fampiharana: Manisy fanamarihana

Farano ity lesona ity amin’ny alalan’ny fanoratana ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao momba ny iray amin’ireo andinin-tsoratra nohalalininao androany farafahakeliny.

Azonao aseho ny fomba fanisiana fanamarihana ao amin’ny soratra masina amin’ny endrika elektrônika amin’ny alalan’ny fanasongadinana andian-teny iray, dia misafidy ny hoe Note, ary manoratra ao.

Rehefa nanana fotoana nampiharana ny fanisiana fanamarihana ireo mpianatra dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara ny zavatra nosoratany, raha toa ka tsy mahakasika ny tena manokana loatra izany. Azonao anontaniana koa hoe inona no fomba fanisiana marika ao amin’ny soratra masiny mety ho tian’ny mpianatra hatao any aoriana ary nahoana.