Seminera
Lesona 172: Fitaovana fandalinana soratra masina: Mampiasa ireo fanampiana amin’ny fandalinana


“Fitaovana fandalinana soratra masina: Mampiasa ireo fanampiana amin’ny fandalinana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fitaovana fandalinana soratra masina,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 172: Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Fitaovana-fandalinana soratra masina

Mampiasa ireo fanampiana amin’ny fandalinana

mpianatra manisy marika ao amin’ny soratra masina

Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanatsara ny fandalinanao manokana ny soratra masina sy hanamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana fandalinana soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ireo fitaovana misy izay afaka manampy antsika eto amin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity izay tsy nisy 50 taona lasa izay. Angataho izy ireo ho vonona hanazava ireo fiovana entin’ireo fitaovana ireo eo amin’ny fiainantsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Fitaovana

Hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto (na sary hafa mitovy amin’izany) ary asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

soavaly sy angadinomby
traktera
olona mitaingina soavaly
fiaramanidina eny am-panidinana
  • Inona no fiantraikan’ireo fitaovana ireo teo amin’ny fahaizantsika manao dia sy miasa?

  • Inona avy ireo fitaovana hafa novolavolaina tao anatin’ireo taona nifandimby izay nampitombo ny fahafahantsika manao zavatra?

  • Hanao ahoana ny fiainana raha tsy fantatsika ireny fitaovana ireny na ny fomba fampiasana azy ireny?

Tahaka ny amin’ny fanaovana dia sy ny asa dia misy fitaovana manampy antsika handalina ny soratra masina sy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

Ny Rahalahy Tad R. Callister, izay Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha dia nizara ity manaraka ity:

Filoha Tad R. Callister

Ny taranaka amin’izao fotoana izao dia mahita fahamarinana, hevi-baovao, ary fanamafisana fanampiny izay tsy fantatry ny maro tamin’ireo razambeny. Tsy hoe marin-toetra kokoa akory ny taranaka amin’izao fotoana izao, na mahiran-tsaina kokoa, fa manana fitaovana tsara kokoa izy ireo. Ny mpamboly mahay indrindra mampiasa soavaly sy angadinomby dia tsy mitovy velively amin’ny mpamboly mahay mitovy aminy izay manana traktera avo lenta eo am-pelatanany. Ny mpahay matematika mampiasa fanipihana misy fanaovan-kajy dia tsy hampatahotra velively ny mpiara-miasa aminy izay mampiasa solosaina haingam-pandeha. Ny Galilée iray manana teleskaopy kirakiraina amin’ny tanana dia tsy hahita izao tontolo izao tahaka ny Galilée iray manana ilay teleskaopy avo lenta indrindra eo am-pelatanany. Ny Tompo dia tsy maintsy hanantena zavatra bebe kokoa avy amintsika eo amin’ny fianarana ny filazantsara noho ireo taranaka teo aloha, satria manana zavatra maro kokoa isika eo am-pelatanantsika. (Tad R. Callister, The Infinite Atonement [2000], 21)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Manao ahoana ny fahafantaranao ireo fitaovana fandalinana soratra masina izay afaka manampy anao hahita ny valin’ireo fanontanianao sy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Toy ny ahoana, raha ny fahatsapanao azy, ny fampiasanao azy ireny?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia katsaho ny hahatakatra bebe kokoa ireo fitaovana fandalinana soratra masina sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy anao.

Mamaritra: Mampiasa ireo fitaovana fandalinana soratra masina

Ataovy izao manaraka izao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra mazava tsara ny atao hoe fitaovana fandalinana soratra masina.

Asao ireo mpianatra hitsangana sy hanoratra izay fitaovana fandalinana soratra masina fantany fa nomen’ny Tompo mba hanampiana antsika hamaly ireo fanontaniantsika sy hanatona Azy bebe kokoa. Hevero ny hampiditra ny iray amin’ireto fitaovana manaraka ireto izay tsy nolazain’ny mpianatra.

Fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy

Torolalana ho an’ny Soratra Masina

Sarintany

Sarin’ny tantaran’ny Fiangonana

Tondroy ireo fitaovana isan-karazany eny amin’ny solaitrabe ary anontanio ny mpianatra hoe inona izy ireo ary aiza no hahitany azy ireo. Raha toa ka tsy mahafantatra na dia ny iray amin’izy ireo aza ny mpianatra dia ampiasao ireto fanazavana manaraka ireto ary asehoy amin’ny mpianatra ny toerana misy azy ireo.

Fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy: Ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy dia aseho amin’ny alalan’ny zanatsoratra kely ao amin’ny andininy iray izay mitarika anao ho eny amin’ny farany ambanin’ny pejy izay toerana hahitanao andinin-tsoratra masina fanampiny na lohahevitra mifandray amin’ilay andininy. Ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile, ny fanindriana ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy dia hampiseho fampahalalana mitovy amin’izany ihany.

Torolalana ho an’ny Soratra Masina: Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana famaritana fohy sy tsotra momba ireo teny ao amin’ny soratra masina miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina vitsivitsy mifandray amin’ny teny tsirairay. Hita any amin’ny faran’ny Bokin’i Môrmôna izany na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny hoe Soratra masina, ary avy eo ao amin’ny hoe Fanampiana amin’ny fandalinana.

Sarintany sy Sarin’ny tantaran’ny Fiangonana: Ireo loharanom-pitaovana ireo dia hita any amin’ny faran’ny triptika na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny hoe Soratra masina, ary avy eo ao amin’ny hoe Fanampiana amin’ny fandalinana.

Manao fanehoana ohatra

Mba hanehoana ohatra mikasika ny fampiasana ireo fitaovana fandalinana soratra masina amin’ny iray kilasy dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Eritrereto ny zavatra fantatrao sy ny zavatra tianao ho fantatra momba ny famelan-keloka.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11, ary tadiavo ireo fahamarinana momba ny famelan-keloka.

  • Inona no nianaranao? Inona no zavatra entin’ireo andininy ireo mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    Asao izao ny mpianatra hizara izay fitaovana azon’izy ireo ampiasaina mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo. Rehefa mizara fitaovana iray ny mpianatra iray dia anontanio azy ireo ny fomba fampiasana izany ary asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny toromarik’izy ireo. Ohatra, mety hitady soratra masina hita ao amin’ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy amin’ireo andininy ireo izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mikaroka ny hoe “Jesoa Kristy” na “Manavotra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

    Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.

  • Ahoana no nanampian’ireo fitaovana fandalinana soratra masina ireo ny fandalinanao?

Manao fampiharana

Asao ny mpianatra handeha hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo lohahevitra na fanontaniana momba ny filazantsara izay tian’izy ireo na tian’ny olona hafa fantany mba ho fantatra bebe kokoa na ho voavaly. Raha tsy izany, azonao atao ny mampiasa fitaovana fitsapan-kevitra izay tsy itononana anarana mba hahazoana ny valintenin’izy ireo.

Raha toa ka sahirana mitady hevitra ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohahevitra manaraka ireto. Asao ny mpianatra hifidy ny iray amin’ireo lohahevitra ireo (na lohahevitra iray hafa izay nosafidiny) izay ananan’izy ireo fanontaniana na tsapan’izy ireo fa hitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny fandalinany azy:

  • Famelan-keloka

  • Fandraisana fanambarana

  • Ray any An-danitra

  • Ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy

  • Fiainana talohan’ny nahaterahana

  • Tontolon’ny fanahy

  • Fitsarana farany

  • Fanambadiana sy fianakaviana

  • Ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany

Raha tsy izany, dia azon’ny mpianatra atao ny milalao an-tsehatra ny hoe misy namana iray izay te hahafantatra bebe kokoa momba ny iray amin’ireo lohahevitra etsy ambony ireo.

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina, ary manokàna minitra maromaro handalinana io lohahevitra na fanontaniana io. Mitadiava fahamarinana izay manan-danja aminao, na mamaly ny fanontanianao, na mampanakaiky kokoa anao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ny zavatra nianaran’izy ireo sy ny fomba nianaran’izy ireo. Avy eo dia asao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra mba hamaranana ny fotoam-pianarana:

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fampiasana tsy tapaka ireo fitaovana ireo ao amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina eo amin’ny fahalalanao sy ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?