Lesona 169—Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina: Mandalina ireo anarana sy anaram-boninahitra ary ireo toetra ananan’ny Mpamonjy
“Lesona 169—Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina: Mandalina ireo anarana sy anaram-boninahitra ary ireo toetra ananan’ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 169: Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina
Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina
Mandalina ireo anarana sy anaram-boninahitra ary ireo toetra ananan’ny Mpamonjy
Iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hanampy antsika hianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Arakaraka ny ianarantsika momba Azy Ireo no hitomboan’ny finoantsika Azy Ireo. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hifantoka amin’ny Mpamonjy eo am-pandalinanao ny soratra masina, indrindra indrindra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Inona no zavatra hitanareo?
Jereo ity sary manjavozavo manaraka ity dia ezaho faritana hoe inona no mitranga raha ny eritreritrao manokana.
Avy eo dia avereno jerena ilay sary ka atao mazava tsara.
Rehefa mijery ilay sary ianao dia inona no eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy?
Ny teny hoe mifantoka dia mety hidika hoe nohatsaraina mba hazava kokoa ny zavatra iray na koa hoe atao ivon’ny fahalianantsika io zavatra io na koa hoe dinihantsika manokana ilay izy.
Inona avy ireo fomba ahafahantsika mifantoka amin’ny Mpamonjy rehefa mandalina ny soratra masina isika?
Nahoana isika no mety ho te hifantoka Aminy?
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary tadiavo hoe nahoana no mety ho fitahiana ho anao ny fifantohanao amin’ny Mpamonjy mandritra ny fandalinanao soratra masina. Saintsaino ireo fomba ahafahanao mifantoka Aminy.
Farito: Fantaro ireo anarana sy anaram-boninahitra niantsoana an’i Jesoa Kristy
Inona no azontsika ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ireo anarana sy anaram-boninahitra ireo?
Nahoana no manan-danja aminao izany anaram-boninahitra izany? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy izany anao eo amin’ny fiainanao ankehitriny?
Mba hanampiana anao hisaintsaina ny lanjan’ny anarana sy anaram-boninahitra dia jereo ilay horonan-tsary “‘Nombre’—What Should We Name Him?” (1:47) hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
1:47
Fanazaran-tena
Tohizo ny fanazaran-tena fitadiavana ireo karazana anarana sy anaram-boninahitr’i Jesoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny sasantsasany amin’ireo andalan-tsoaratra masina izay hohalalininao dia mety hahitana anarana na anaram-boninahitra mihoatra ny iray. Raha toa ka mila fanampiana ianao mba hahatakaranao ny dikan’ny anarana na anaram-boninahitra iray dia ampiasao ireo loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izay hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.
Vakio ny sasantsasany amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto na izy rehetra ka raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo anarana na anaram-boninahitra izay hitanao. Saintsaino izay zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ireo anarana na anaram-boninahitra ireo sy ny fomba ahafahany manampy anao eo amin’ny fiainanao.
Fomba iray hafa hifantohana amin’ny Mpamonjy eo am-pandalinanao ny soratra masina ny fitadiavana ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay ananany. Ny toetra dia zavatra tsara izay ananan’ny olona iray na novolavolainy toy ny fahatsorana na ny hatsaram-panahy.
Lamina hakan-tahaka
Fanazaran-tena
Vakio ny sasantsasany amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto na izy rehetra ka tadiavo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy. Misafidiana toetra iray izay manan-danja aminao ary hazavao fohifohy hoe nahoana ny fahafantaranao fa manana an’io toetra io ny Mpamonjy no manampy anao hitia sy hatoky Azy kokoa.
Mifantoha amin’ny Mpamonjy ao amin’ireo fizarana rehetra
Araka ny zavatra izay nianaranao sy nampiharinao anio, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy hitondra fiovana eo amin’ny fandalinanao ny soratra masina?