Seminera
Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina: Topimaso ankapobeny


“Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Topimaso ankapobeny

Ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina dia afaka manampy antsika hanatsara kokoa ny fandalinana soratra masina sy manampy antsika hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy, ny fanisiana marika ao amin’ny soratra masina, ny fitadiavana fahamarinana, ny fampiasana ireo fitaovana fandalinana soratra masina, ary ny fahatakarana ny sahan-kevitra dia mety hampisy dikany kokoa ny fandalinana ny soratra masina.

Soso-kevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ireto lesona ireto dia azo ampianarina amin’ny fotoan-drehetra. Kanefa mety hahomby kokoa ny fampianarana lesona iray na mihoatra momba ireo fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina mandritra ny vanim-potoana hiandohan’ny taom-pianarana ary avy eo mampiditra fahaiza-manao iray hafa isaky ny herinandro vitsivitsy. Izany dia manome fahafahana ireo mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fahaiza-manao ireo mandritra ny taom-pianarana.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hifantoka amin’ny Mpamonjy eo am-pandalinan’izy ireo ny soratra masina, indrindra indrindra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitady anarana na anaram-boninahitra iray fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay manan-danja amin’izy ireo ary mba hiomana ho vonona hizara izay hitan’izy ireo.

  • Zavatra haseho: Sarin’ny Mpamonjy manjavozavo iray sy mazava iray hafa

  • Horonan-tsary:-Nombre- – Inona no anarana tokony homentsika Azy?” (1:47)

Mitady fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahaizan’ny mpianatra mitady fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina sy manatona kokoa ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Ho isan’ny fandalinan’izy ireo isan’andro ny soratra masina dia asao ireo mpianatra hiezaka mafy hahita fahamarinan’ny filazantsara izay hanampy azy ireo eo amin’ny fiainany sy hisaintsaina ny zavatra nataon’izy ireo mba hahitana izany.

  • Horonan-tsary:Fanoharana momba ny vatosoa” (6:47; jereo manomboka avy amin’ny kaodim-potoana faha 2:13 ka hatramin’ny 4:20)

  • Zavatra haseho: Sarina zatovovavy iray mikaroka sy mahita vatosoa ao anaty fasika eny amin’ny tora-pasika

  • Taratasy zaraina: “Mitady fahamarinana ao anaty soratra masina”

  • Fitaovana: Taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay

Manisy marika ny ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanisy marika sy naoty ao amin’ny soratra masin’izy ireo amin’ny fomba izay hampisy dikany kokoa ny fandalinan’izy ireo sy hitondra azy ireo ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Ho isan’ny fandalinan’izy ireo isan’andro ny soratra masina dia asao ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra manan-danja amin’izy ireo, indrindra ireo teny na andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra na hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka ny ho vonona hizara ny zavatra izay nasian’izy ireo marika sy ny antony nanasiany marika izany izy ireo.

  • Zavatra haseho: Ohatra vitsivitsy amin’ny fomba ahafahan’ny olona manisy marika ao amin’ny soratra masina (Raha ilaina dia manomàna ihany koa fomba iray anoroanao ny fomba fanisiana marika ny soratra masina ao amin’ny fampiharana Médiathèque de l’Évangile.)

  • Horonan-tsary:Fomba fanisiana marika izay mety aminao” (1:56); “Fanisiana marika ny soratra masina” (1:45)

Fitaovana fandalinana soratra masina

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanatsara ny fandalinany manokana ny soratra masina sy hanamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana fandalinana soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiomana ho vonona hizara ireo fitaovana misy afaka manampy antsika amin’izao tontolo ankehitriny izao izay tsy nisy 50 taona lasa izay. Angataho izy ireo mba hiomana hanazava hoe nahoana no hafa kokoa ny fiainantsika noho ireo fitaovana ireo.

  • Zavatra haseho: Sarina lehilahy iray mitana angadin’omby, milina fambolena maoderina iray, olona iray mitaingin-tsoavaly, ary fiaramanidina iray

Mahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe nahoana ny sahan-kevitry ny soratra masina no hampisy dikany kokoa ny fandalinana soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana amin’ity lesona ity amin’ny alalan’ny famakiana ny sasin-tenin’ny fizarana alohan’ny handalinany ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Angataho izy ireo hitady hoe inona no maha hafa kokoa ny mahatakatra tsara ny votoatin’ilay fizarana.

  • Zavatra haseho: Sarina lehilahy iray manosika lehilahy iray hafa sy sarina lehilahy iray manosika lehilahy iray hafa hanalavitra fiarakodia iray (Raha ilaina dia manomàna ihany koa fomba iray anoroanao loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny sahan-kevitra ao amin’ny fampiharana Médiathèque de l’Évangile.)