Seminera
Lesona 168—Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valinteny


“Lesona 168—Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valinteny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera, (2025)

“Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valinteny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 168: Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako

Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valinteny

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-4

Zatovo mandalina eo amin’ny solosaina

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fiavosan’ny fampahalalana

Hevero ny hitondra kaopy fisotroan-drano iray mba haseho. Asao haka sary an-tsaina hoe asaina hisotro zava-pisotro iray ny mpianatra. Anontanio azy ireo hoe inona no mety ho tian’izy ireo ho fantatra momba ilay rano alohan’ny hanapahan’izy ireo hevitra na hisotro izy ireo na tsia.

Mitovy amin’ny faniriantsika hahafantatra ny loharanon’ny zavatra ampidirintsika ao amin’ny vatantsika, rehefa manana fanontaniana na lohahevitra momba ny filazantsara mahaliana antsika isika, dia tsy maintsy manombana ireo loharano andrandraintsika hanome fampahalalana isika.

Nanazava toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany teo aloha:

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf

Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao nahafahantsika niditra mora kokoa amina fampahalalana misimisy kokoa toy ny amin’izao—ny sasany amin’izany dia marina, ny sasany diso ary betsaka amin’izany no marina amin’ny ampahany.

Noho izany dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny naha-zava-dehibe kokoa ny fianarana ny fomba fanavahana marina ny marina sy diso noho ny amin’izao. (Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” [Lahateny tamin’ny fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan., 2013], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona avy no loharanom-pahalalana jerenao matetika raha manana fanontaniana momba ny filazantsara ianao?

  • Ahoana no ahafahanao mahalala fa azo antoka ny loharano iray?

Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra fa mila miandrandra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo amin’ny fitadiavan’izy ireo fahamarinana, dia hevero ny hampiseho ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina samirery na miaraka ao anatina vondrona ny sasany na izy rehetra amin’ireo andininy ireo. Hevero ny hanasa azy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo teny na andian-teny hitan’izy ireo fa mamaritra ny toetoetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto, hitadiavana ny teny na ny andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny hoe nahoana no avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no tokony hikatsahantsika fahamarinana:

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny antony tokony ianteherantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mikaroka fahamarinana ireo andininy ireo?

    Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, dia hazavao fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Hevero ny hanoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.

  • Aiza no ahafahantsika mahita ilay fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mikatsaka loharanom-pahalalana azo antoka

Ity sahanasa fianarana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny antony tokony ampiasan’izy ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay nomen’ Andriamanitra azy ireo.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Mitadiava fampianarana izay afaka mitari-dalana antsika amin’ny ezaka ataontsika hitadiavana valiny amin’ireo fanontaniantsika.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny hitanao izay mamaritra ny antony maha-zava-dehibe ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

  • Inona avy no loharano sasantsasany avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay azontsika itodihana amin’ny fikarohana fahamarinana ataontsika? Ahoana no anehoan’ireo loharano ireo ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahitana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra sy hanombanana ny maha-azo antoka ny loharano hafa mety ho tojo azy ireo. Hevero ny hampiasa ny iray amin’ireo sahanasa ireo na izy roa, miankina amin’ny fotoana anananao sy ny filan’ny mpianatrao.

Sahanasa A: Mitadiava loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Alohan’ny hanasana ny mpianatra hamita ity sahanasa manaraka ity, dia hevero ny hampiseho ny fomba fampiasana ny fanampiana amin’ny fandalinana novokarin’ny Fiangonana mba hahitana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Azonao atao ny misafidy lohahevitra ao amin’ny filazantsara iray ary mampiseho amin’ny mpianatra ny toerana ahitana fampahalalana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharano voatanisa ao amin’ny dingana faha-2.

Rehefa avy nampiseho tamin’ny mpianatra ny fomba ahitana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ianao, dia avelao izy ireo hanao fanazaran-tena irery na miaraka amina namana mpiara-miasa iray ao an-dakilasy. Afaka mizara sy mampiseho ireto toromarika manaraka ireto ianao mba hanampiana ny mpianatra hanomboka.

Ampiharo ny fampiasana fanampiana amin’ny fandalinana novokarin’ny Fiangonana mba hahitana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanarahana ireto dingana roa manaraka ireto:

  1. Misafidiana lohahevitra ao amin’ny filazantsara iray mba hitadiavana fampahalalana momba izany. Isan’ny ohatra amin’ny lohahevitra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny tantaran’ny Fahitana Voalohany, ary ny Tenin’ny Fahendrena. Azonao atao ny misafidy izay lohahevitra ao amin’ny filazantsara mahaliana anao.

  2. Mitadiava loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanampiana amin’ny fandalinana izay novokarin’ny Fiangonana. Isan’ny ohatra amin’ny fanampiana amin’ny fandalinana ny Lohahevitra sy fanontaniana, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny fitaovana fampiasa hanaovana fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile , Sujets de l’histoire de l’Église, ary ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

    Hevero ny hivezivezy mba hahafahanao manampy an’izay mpianatra mety hanana fanontaniana na misy zavatra ilaina, rehefa miasa hitady loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra. Mety hanampy ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra niainan’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto, rehefa avy nomena fotoana nandalinana izy ireo.

  3. Inona avy no hevi-baovao azonao nandritra ilay dingam-pitadiavana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

  4. Inona no fampahalalana nanampy izay hitanao?

Sahanasa B: Tombano ireo loharanom-pahalalana

Misy fotoana isika sendra ireo loharanom-pahalalana tsy navoakan’ny Fiangonana ao anatin’ny fikarohantsika fahamarinana. Amin’ireny fotoana ireny dia zava-dehibe ny fanombanantsika raha azo antoka ilay fampahalalana jerentsika na tsia.

  • Inona no azontsika atao mba hanavahana ireo loharanom-pahalalana azo antoka sy tsy azo antoka?

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto na omeo ny mpianatra amina taratasy zaraina. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky ny soratra masina mifandray amin’ireo fanontaniana ireo ankoatra ny fanasana azy ireo hamaky hatramin’ny farany ireo fanontaniana, na samirery na miaraka amin’ny iray kilasy.

Manavaka ny fahamarinana amin’ny zavatra diso

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-4

Vakio hatramin’ny farany ireto fanontaniana manaraka ireto. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fanontaniana toy itony manampy anao hamaritra ny maha-azo antoka sy ny fahazoana tombony avy amin’ireo loharanom-pahalalana isan-karazany.

  • Inona no tsapako avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamaky na maheno io fampahalalana io aho? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–24.)

  • Mitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany ve io fampahalalana io? (Jereo ny Môrônia 7:15–17.)

  • Mamporisika ahy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ve izy io?

  • Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina ve izany? (Jereo ny 2 Timoty 3:15–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.)

  • Manamafy ny zavatra efa tsapako fa nolazain’ny Fanahy Masina tamiko hoe marina ve izany, sa mamporisika ahy hisalasala ny amin’ireny fahamarinana ireny? (Jereo ny Môrônia 10:5 .)

  • Avy amina loharano izay raisin’ny Mpamonjy na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho azo itokisana ve izy io?

  • Inona no mety holazain’ny ray aman-dreniko na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ity fampahalalana ity? (Raha alaim-panahy hanafina izany amin’izy ireo aho, dia inona no ambaran’izany amiko mikasika ny loharanom-pahalalana izay nipoirany?)

Angataho ireo mpianatra hizara ny antony iheveran’izy ireo fa hanampy azy ireo hisaintsaina ny fanontaniana toy ireo, rehefa avy mamaky hatramin’ny farany ireo fanontaniana izy ireo. Mety ho azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hizara ohatra amin’ny fomba nampiasan’izy ireo an’ireo fanontaniana ireo na ny mitovitovy amin’izany mba hanombanana ny maha-azo antoka ilay fampahalalana.

Mampihatra ny zavatra izay nianaranao

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa, ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mba hanampiana azy ireo hampiditra ao am-pony ny fianarana nataony. Avy eo dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny eritreritr’izy ireo amina namana iray na ny iray kilasy.

  • Inona no nianaranao androany ka afaka manampy anao hahita valiny tsara kokoa amin’ireo fanontanianao momba ny filazantsara?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no hiantraikan’ny zavatra nianaranao androany amin’ny zavatra hataonao amin’ny hoavy?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nohalalininareo androany, ary amporisiho hikatsaka ny fahamarinana nambaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra.