“Fifehezana fotopampianarana: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fifehezana fotopampianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako
Topimaso ankapobeny
Ny fandraisana anjara amin’ny fifehezana ny fotopampianarana dia manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy. Anisan’ny ampahany amin’ny fifehezana fotopampianarana ny fianarana sy ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy: manao asa amim-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra. Ireo fitsipika ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hamaly fanontaniana na hiatrika olana eo amin’ny fiainany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Manamafy ny fototra ara-panahy anananao
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana mitahy ny fiainan’izy ireo sy manampy azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ohatra mikasika ny fomba nitahian’ny fifehezana fotopampianarana ny fiainan’izy ireo. Raha toa ka vaovao amin’ny mpianatra ny fifehezana fotopampianarana dia asao izy ireo hamaky ny “Teny fanolorana ny fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
-
Sary: Fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake
-
Votoatiny haseho: Fehezan-teny miisa dimy ho an’ny fanombanan-tena
Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fahalalany momba ny fanambarana ara-panahy sy ny zavatra hafa mety ho tiany ho fantatra. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika zatovo iray hizara soratra masina na zavatra niainana mikasika ny fanambarana manokana avy amin’ Andriamanitra.
-
Horonan-tsary: “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (20:27; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 17:44 ka hatramin’ny 18:53)
Manao asa amim-pinoana mba hahitana valiny
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny valin’ny fanontaniany izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 sy hisaintsaina ny dikan’izany. Afaka mitadidy io andininy io ihany koa izy ireo ary mieritreritra ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo rehefa miatrika fanontaniana sarotra.
Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary hahita izany mitovy amin’ny fomba fahitan’i Jesoa Kristy izany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny andiam-pehezan-teny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
-
Sary: Ny fijery amin’ny sisiny sy eo anoloana ny mason’olombelona, zavakanto nataon’i Michael Murphy
Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valiny
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo loharano izay nitodihan’izy ireo mba hahazoana valiny amin’ireo fanontaniana ara-panahy. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara ohatra iray farafahakeliny momba ny loharanom-panampiana iray sy ny fomba nanampian’izany azy ireo.
-
Taratasy zaraina: “Manavaka ny marina amin’ny diso”