“Lesona 163: Ilay Kristy velona, Tapany 2: –Manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ny fisian’ny fiainany tsy manam-paharoa,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ilay Kristy velona, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 163: Ilay Kristy velona
Ilay Kristy velona, Tapany 2
“Manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ny fisian’ny fiainany tsy manam-paharoa”
Tahaka ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mijoro ho vavolombelona momba ilay Kristy velona dia afaka manambara ihany koa isika fa velona i Jesoa Kristy! Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Antony tokony hizarana
-
Inona no tianao hozaraina?
-
Nahoana ianao no te hizara izany?
-
Inona amin’ireo antony ao amin’ilay lisitra no azo ampiharina amin’ny fizarana zavatra niainana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?
-
Inona no azonao ampidirina ao amin’ny lisitrao ho antony manokana hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?
Miomana hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy
Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Misy ny maro eto amin’izao tontolo izao izay tena kely no fantany momba an’i Jesoa Kristy, ary any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao izay efa nanambarana ny anarany nandritra ny taonjato maro, dia mihena ny finoana an’i Jesoa Kristy. … Nisy fikarohana [iray] hafa natao manerana an’izao tontolo izao … izay maminavina fa ao anatin’ny am-polo taonany maro ho avy dia mihoatra ny avo roa heny ny isan’ny olona hiala amin’ny Kristianisma noho izay hanaiky izany.
… Raha hihena ny firesahan’izao tontolo izao momba Azy, iza no handeha hiresaka betsaka momba Azy? Isika! (Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88–89)
-
Inona no eritreritra na fahatsapana anananao momba ity teny nambaran’ny Loholona Andersen ity?
Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia ohatra amin’ny fizarana momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra iray amin’izany ilay fanambarana hoe “Ilay Kristy velona.” Makà minitra vitsy hamerenana mijery ity antontan-taratasy ity, ary saintsaino ireo tombontsoa izay mety hiainantsika satria nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.
Vakio ny 2 Nefia 25:26, ka tadiavo ny antony fanampiny hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny antony nolazain’i Nefia?
-
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny zavatra azon’i Jesoa Kristy atao ho an’ny hafa hisy fiantraikany eo amin’ny fanirianao hijoro ho vavolombelona na hizara ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba Azy?
Tsarovy ireo fahamarinana hitanao momba ny Mpamonjy ao amin’ny “Ilay Kristy velona” nandritra ny lesona teo aloha. Azonao atao ny misafidy ilay iray izay nifantohanao tao amin’io lesona io na misafidy iray hafa tianao hozaraina amin’ny hafa.
Sahanasa A: Fanaovana tsianjery
Fomba iray hiomanana amin’ny fizarana momba an’i Jesoa Kristy ny fanaovana tsianjery ny ampahany iray amin’ny “Ilay Kristy velona.”
Makà minitra maromaro hitadidiana ampahany iray izay mampianatra ny fahamarinana nosafidinao. Azonao soratana izany, na averina imbetsaka, na raketo am-peo ny tenanao mamaky izany ary henoy imbetsaka izany. (Azonao atao ihany koa ny manao tsianjery ireo sombin-tsoratra masina hitanao tao amin’ny lesona teo aloha izay mijoro ho vavolombelona ny amin’io fahamarinana io ihany.)
Avy eo dia soraty ny fotoana sy ny fomba ahafahanao mizara amin’ny olona iray hafa ny zavatra nataonao tsianjery. Ampidiro ao anatin’izany ny antony maha-manan-danja ireo andian-teny nosafidinao aminao sy ny fomba antenainao fa hanampian’izy ireo ny hafa hitodika amin’i Jesoa Kristy.
Sahanasa B: Manaova peta-drindrina, na mème, na sary nomerika
Fomba iray hanampiana anao hizara ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ny fanaovana peta-drindrina, na mème, na sary nomerika.
Hevero ny hisafidy sary samihafa izay mampiseho ny hevitry ny fahamarinana nofidinao. Ohatra, azonao atao ny misafidy ny hizara ny fahamarinana momba ny batisan’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe izany. Hita ao amin’ity andian-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy velona” manaraka ity izany: “Na dia tsy nanam-pahotana aza Izy dia natao batisa mba hanatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Azonao atao ny mampiditra io andalana io ao amin’ny tetikasanao miaraka amin’ny sary tianao indrindra izay maneho ny batisan’ny Mpamonjy. Azonao atao ihany koa ny mampiditra andalana avy ao amin’ny soratra masina izay mampitombo ny fahatakaranao.
Avy eo dia ampidiro ao ny fanazavanao ny antony maha-manan-danja izany fahalalana izany aminao.
Sahanasa D: Manomàna lahateny iray
Fomba iray hilazana amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy ny manao lahateny.
Alaivo sary an-tsaina hoe nanaiky ny handray fitenenana ianao ny alahady ao amin’ny paroasy na sampana misy anao. Azonao zaraina ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony maha-manan-danja izany aminao. Manorata andiam-pehezan-teny vitsivitsy farafahakeliny izay azonao ampiasaina ao amin’ny lahateninao. Aza hadino ny mampiditra teny nambara avy ao amin’ny “Ilay Kristy velona,” andinin-tsoratra masina, sy ny antony maha-manan-danja an’ireo zavatra ireo aminao.
Fotoana hizarana
-
Ahoana no mety hivoaran’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy rehefa mizara ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba Azy amin’ny hafa ianao?