Seminera
Ilay Kristy velona: Topimaso ankapobeny


“Ilay Kristy velona: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Ilay Kristy velona: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ilay Kristy velona

Ilay Kristy velona

Topimaso ankapobeny

Tamin’ny taona 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka ny fanambarana hoe “Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly” ho fankalazana ny faha-2000 taonan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Manambara fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjy izay afaka manampy sy mitahy antsika izany.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra mba hahafantatra an’i Jesoa Kristy: Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy mivantana ny mpianatra, dia hianatra Aminy sy hiezaka ny ho tahaka Azy amin’ny nahim-pony izy ireo. Ho mora kokoa amin’izy ireo ny hitodika any Aminy mba hahazoan’izy ireo fanampiana sy fanantenana ary fahasitranana mandritra ny androm-piainan’izy ireo. Ho afaka ny hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izy ireo. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany koa ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Ilay Kristy velona, Tapany 1.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Ilay Kristy velona, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Ilay Kristy velona, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny “Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly” ary hitady ireo andian-teny tian’izy ireo hozaraina amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo hanaraka ny fitaomam-panahy azon’izy ireo momba ny zavatra tokony hozarainy sy ny olona tokony hizarany izany.

  • Zavatra haseho: Zavatra iray tianao sy irinao hozaraina amin’ny mpianatrao, toy ny sary na zavatra niainana iray, na sakafo iray tianao indrindra

  • Fitaovana: Taratasy sy fitaovana fanoratana; gazetibokin’ny Fiangonana tranainy, raha misy, mba hanetezan’ny mpianatra sary na teny hamoronana sary atambatambatra