“Lesona 161: Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10: Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 161: “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10
Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Famerenana fifehezana fotopampianarana: Zarao
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilazalaza momba ny zatovolahy iray izay niatrika olana tena sarotra. Rehefa mamaky momba ny toe-javatra niainan’io zatovolahy io ianao dia saintsaino ny antony maha-zava-dehibe aminy ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Hiresaka momba ny zatovolahy iray izay niditra tamim-pahamendrehana tany amin’ny sahan’ny misiôna aho, izay nisafidy ny hody alohan’ny fotoana noho izy voasarika amin’ny lehilahy mitovy aminy sy noho ny ratra izay niainany avy tamin’izany. Mbola mendrika izy, saingy efa narefo dia narefo ny finoany, niha-tsy zaka ny vesatry ny zavatra tsapany, ary nihamafy hatrany ny fahoriany ara-panahy. Nifandimby tonga teo aminy ny ratram-po, ny fisafotofotoan-tsaina, ny fahatezerana ary ny fahakiviana. (Jeffrey R. Holland, “Indro ny reninao,” Liahona, nôv. 2015, 49)
-
Inona araka ny eritreritrao no fanontaniana na ahiahy momba ny drafitry ny Ray any An-danitra na momba ny Fiangonana mety hananan’io zatovolahy io?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ireo fanontaniana na ahiahy ireo amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra?
-
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany ny mahatakatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny namany sy ny fianakaviany ny mampihatra ireo fitsipika ireo ihany koa?
Inona no nataon’ilay tovolahy?
Ny filohan’ny misiônany, ny filohan’ny tsatòkany, ny evekany dia nandany ora maro nandinika sy nitomany ary nitsodrano azy. … Nijoro ho vavolombelona taminy momba ny herin’ Andriamanitra, sy ny Fiangonany [ny reniny], fa indrindra indrindra momba ny fitiavany an’ilay zanany. Sady nijoro ho vavolombelona ihany koa izy ny amin’ny fitiavany azy tsy voahozongozona ary tsy mety maty. …
Tsy niova tamin’ny fomba mahagaga ny fironan’[ilay zatovolahy] ho voasarika amina lehilahy. Tsy nisy nihevitra fa izany no hitranga. Fa niova tsikelikely ny fony.
Nanomboka niverina tany am-piangonana indray izy. Nisafidy ny handray an-tsitrapo sy amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo izy. Nahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly indray izy ary nanaiky ny antso ho mpampianatra seminera vao maraina, izay nahitany fahombiazana tena mahatalanjona. Ary ankehitriny, dimy taona taty aoriana, tamin’ny alalan’ny fangatahany manokana sy ny fanampiana lehibe nataon’ny Fiangonana, dia niditra indray ny sahan’ny misiôna izy mba hamita ny asa fanompoany ny Tompo. Nitomany noho ny herim-po sy ny fahamarinan-toetra ary ny fahatapahan-kevitr’ity zatovolahy ity aho. (Jeffrey R. Holland, “Indro ny reninao,” Liahona, nôv. 2015, 49)
-
Ahoana no fomba nanehoan’ireo safidy nataon’ilay zatovolahy ny finoany an’i Jesoa Kristy? Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny safidiny teo amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny nisafidianan’ny reniny ny hijoro ho vavolombelona taminy momba ny fitiavan’ Andriamanitra azy?
-
Inona no porofo hitanao fa nitodika tany amin’ireo loharano voatendrin’ Andriamanitra izy? Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny safidy nataony teo amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy?
-
Ndeha hatao hoe tsy afaka mahita ny valin’ny fanontaniany sy ny ahiahiny sasantsasany ity tovolahy ity. Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny izay afaka manampy azy ny mitadidy azy?
Fenoy ny banga
Misafidiana iray amin’ireto teny nambara manaraka ireto avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana ary andramo fenoina tsy an-kijery izany. Avy eo dia hamarino ny valiny nomenao amin’ny alalan’ny fampiasana ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy”.
-
“Mandritra ireo fotoana izay mety tsy hahitantsika avy hatrany ny valin’ireo fanontaniantsika …”
-
“Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba …”
-
“Ny fianarana mamantatra sy misoroka ireo loharano tsy azo itokisana dia afaka …”
Eritrereto ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakaran’ilay zatovolahy sy ny namany ary ny fianakaviany ireo fitsipika ao amin’ilay teny nambara nosafidinao.
Loharano voatendrin’ Andriamanitra
-
Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (na boky soratra masina hafa) izay heverinao fa afaka manampy io zatovolahy io?
-
Inona avy ireo teny nambaran’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay hanampy azy na ireo olona akaikin’ny fony ny mandalina azy?