Seminera
Lesona 158: Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 1: “Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”


“Lesona 158: Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 1: –Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesson 158: Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 1

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”

fianakaviana miara-mandalina

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia fanambarana ara-paminaniana izay nosoratana mba hanampiana antsika hahatakatra ireo fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny anjara asa fototry ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Alohan’ny fotoam-pianarana dia ataovy izay hananan’ny mpianatra tsirairay fahafahana hijery “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” na amin’ny endriny nomerika izany na amina tahadika natao printy. Mety hisy tahadika iray tafiditra ao amin’ny diary fandalinan’ny mpianatra.

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany”

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ka tsy manaraka ny filaharany ireo teny avy amin’ilay lohateny teo aloha teo. Omeo iray minitra ny mpianatra hanandrana handahatra izany ao an-tsainy. Avy eo dia asao izy ireo hitady sy hanisy marika ireo teny ireo any amin’ny faran’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”

Avy eo dia manaova fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no fototry ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany ny fianakaviana?

  • Inona no hozarainao momba ny Ray any An-danitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena izay afaka manampy ireo zatovo izay manahy momba ny toe-javatra misy ny fianakaviany, eo anatrehan’ny fahafantarana fa ny fianakaviana tsirairay dia miatrika fitsapana ary tsy misy lavorary isika rehetra?

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto teny sy andian-teny manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hamaky ilay lisitra.

  • Ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana

  • Fisaraham-panambadiana

  • Herisetra

  • Ny maha-lahy na maha-vavy

  • Ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy

  • Fananan-janaka

  • Firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana

  • Fanalan-jaza

  • Fahasambarana ao amin’ny fianakaviana

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ny lesona androany ianao dia mitandrema satria saro-pady ireo lohahevitra horesahina. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra mba hiezaka hanana fitiavana sy fahatakarana tahaka ny an’i Kristy rehefa mifanakalo hevitra momba ireo lohahevitra ireo izy ireo.

  • Iza amin’ireo lohahevitra ireo no ananan’ny olona fanontaniana na ahiahy ankehitriny?

  • Aiza araka ny eritreritrao no handehanan’ny olona matetika mba hitadiavana valiny momba ireo olana ireo?

    Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fahatakarany ireo olana ireo sy ny fanontaniana mety hananan’izy ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra momba ireo lohahevitra ireo?

Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny valin’ny sasany amin’ireo fanontaniana sy ahiahy ananan’izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hitarika azy ireo rehefa mandalina ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” izy ireo androany sy mandritra ny herinandro.

Fanambarana momba ny fianakaviana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony sasantsasany nahatonga ny Tompo hitondra fanentanam-panahy tao anatin’ny fanoratana ny fanambarana momba ny fianakaviana dia zarao ity teny nambara manaraka ity izay natao rehefa nampahafantarina ilay fanambarana.

Fanamarihana: Ny teny hoe an-kosoka dia entina hilazana ireo fampianarana feno fitaka.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nilaza fa:

2:3
Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Manoloana ireo an-kosoka maro izay lazaina fa fahamarinana aseho amin’ny endriny mandresy lahatra, manoloana ireo fitaka maro mikasika ireo fitsipika sy soatoavina, manoloana ny fanangolena sy fitaomana maro mba hanekena ny fahalotoana misoko miadan’izao tontolo izao, dia nahatsapa ny hampitandrina sy hampitandrina mialoha izahay. Mba hanatanterahana izany, izahay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamoaka fanambarana ankehitriny ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao mba ho fanambarana sy ho fanamafisana ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa nambaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ity fiangonana ity ombieny ombieny nandritra ny tantarany. (Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nov. 1995, 100)

  • Inona no nisarika ny sainao mikasika ny antony namoahana ilay fanambarana momba ny fianakaviana?

Vakio ireo andiam-pehezan-teny 1–3 ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra momba ny sasany amin’ireo lohahevitra eny amin’ny solaitrabe.

sary famantarana ny fanofananaMifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy: Ilay sahanasa etsy ambany dia manolotra fomba iray hilazan’ny mpianatra ireo fitsipiky ny fiovam-po izay hitan’izy ireo. Raha mila fanampiana amin’ny fampianarana izany, dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana. Hevero ny hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “Mametraha fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovam-po.”

Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’izy ireo eo akaikin’ilay lohahevitra mifandray amin’izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny fomba ahafahan’ilay fahamarinana nosoratan’izy ireo manampy amin’ny famaliana ilay lohahevitra mifandray amin’izany.

Ireto manaraka ireto dia fahamarinana sasantsasany mety hozarain’ny mpianatra:

  • Fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany ny fianakaviana.

  • Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony.

  • Ny drafitr’ Andriamanitra dia manome fahafahana ny hitohizan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana aorian’ny fahafatesana.

Mety ho fotoana tsara ahafahan’ny mpianatra mizara hevi-baovao na mitondra fanontaniana izay mety hananany izany.

Ireto fizarana telo manaraka ao amin’ny lesona ireto dia mamakafaka ireo fahamarinana tsirairay etsy ambony ireo. Misafidiana iray na maromaro amin’ireo fahamarinana ireo mba hifantohana arakaraka ny fotoana sy ny zavatra ilain’ny mpianatrao. Na azonao atao ny mandalina fahamarinana hafa izay miompana bebe kokoa amin’ny fanontanian’ny mpianatra sy ny zavatra ilainy.

1. Fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany ny fianakaviana.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa. Asao ireo mpiara-miasa hifandimby hizara ny zavatra rehetra azon’izy ireo zaraina momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny iray minitra. Amporisiho ny mpianatra handinika ireo ampahan-javatra mandrafitra ny drafitra dia ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany, ny fiainana an-tany ary ny fiainana aorian’ny fiainana an-tany.

  • Ahoana no maha-fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianakaviana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Eto amin’ny fiainana an-tany? Any amin’ny fiainantsika aorian’ny fiainana an-tany?

  • Raha mahafantatra izany zavatra izany momba ny fianakaviana i Satana, dia inona araka ny eritreritrao no mety hataony manoloana ireo fahamarinana momba ny fianakaviana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny antony maha-fototry ny drafitr’ Andriamanitra ny fianakaviana, dia hevero ny hanasa azy ireo hikaroka soratra masina ao anatin’ny “Fianakaviana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ankoatra izany dia azonao zaraina ity teny nambara manaraka ity mba hovakin’ny mpianatra tsirairay. Hevero ny hamporisika ny mpianatra hanisy marika ireo ampahany amin’ilay fehezan-teny izay misarika ny sain’izy ireo.

Nampianatra izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona D. Todd Christofferson

Rehefa fantatra ny antony nialantsika teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy ny zavatra takina mba hiverenana any Aminy sy hisandratana miaraka Aminy dia lasa tena mazava fa tsy misy zavatra mifandray amin’izao fotoana iainantsika eto an-tany izao izay manan-danja kokoa noho ny fahaterahana ara-batana sy ny fahaterahana ara-panahy indray, izay fepetra roa takina hahazoana ny fiainana mandrakizay. …

Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra, dia toerana ilaina ho an’ny fahaterahan’ny zanaka izay tonga ao anatin’ny fahadiovana sy ny tsy fananan-tsiny ary tontolo ho an’ny fianarana sy fiomanana izay ho ilain’izy ireo mba hananana fiainana an-tany mahomby sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. (D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 51–52)

Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny soratra masina sy ilay teny nambara izy ireo dia azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anaty vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny maha-fototry drafitry ny Ray any An-danitra ny fianakaviana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fianakaviana nanampy ny isam-batan’olona hiomana “ho amin’ny fiainana an-tany mahomby sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy”?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fampianarana ireo anao hamaly fanontaniana sy ahiahy momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

2. Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra handalinany manokana ireo loharanom-pahalalana sasany etsy ambany. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka mitarika azy ireo rehefa mandalina:

  • Nahoana no toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony ny maha-lahy na maha-vavy?

  • Ahoana no ahafahantsika mampianatra fahamarinana momba ny maha-lahy na maha-vavy amim-paharesen-dahatra no sady misoroka ny tsy firaharahiana na ny tsy fanajana ny hafa?

Transgenre: se comprendre soi-même” ao amin’ny fizarana “Faire face aux défis de la vie” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile

Transgenre: soutenir autrui” ao amin’ny fizarana “Faire face aux défis de la vie” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile

Rehefa ampy ny fotoana nandalinan’ireo mpianatra dia afaka mizara ny hevi-baovao azony ireo mpianatra manolo-tena.

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia zarao ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary asao ny mpianatra hizara ny dikan’izany amin’izy ireo.

Hevero ny hizara ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay momba ny maha-ianao anao sy ny tanjonao.

3. Ny drafitr’ Andriamanitra dia manome fahafahana ny hitohizan’ny fifandraisana eo amin’ny mpianakavy aorian’ny fahafatesana.

Alohan’ny hamakian’ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo momba ny olona iray fantatrao izay niaina zava-tsarotra nanoloana ny fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Na azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo izay nizaka zavatra mafy noho ny fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany.

Vakio ny 1 Korintiana 15:22 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2, ka tadiavo ny fanantenana mety ho hita ao amin’i Jesoa Kristy rehefa maty ny olona iray akaikin’ny fo.

  • Ahoana no mety hanomezan’ireo fahamarinan’ny drafitr’ Andriamanitra ao amin’ireo andininy ireo hery ho an’ny olona iray izay mijaly noho ny famoizana toy izany?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahatelo ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana hisy fiantraikany eo amin’ny olona iray izay mijaly noho ny famoizana olona iray akaikin’ny fony?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Le Plan du salut–Nous sommes toujours une famille” (4:47), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fianakaviana teo amin’io zatovolahy io.

4:47

Fehin-kevitra

Ho famaranana ny lesona dia azonao atao ny manasa ny mpianatra handinika mangina sy hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka mizara izay nosoratany ireo manolo-tena hanao izany avy eo.

  • Inona no nianaranao androany ka nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?