Seminera
Lesona 159: Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 2: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka”


“Lesona 159: Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 2: —Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka,—” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2025)

“Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Lesona 159: “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”

Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 2

“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka”

ankizy mitsikitsiky

Nanambara ny maha-zava-dehibe ny zanaka ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ireo mpaminanin’ny Tompo. Afaka mandray anjara amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny mpivady amin’ny alalan’ny fitondrana zanaka eto amin’izao tontolo izao sy ny fitaizana azy ireo amim-pitiavana sy amim-pahamarinana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka sy ny fikarakarana azy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fitarihana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity na zavatra izay mamaly tsara ny zavatra ilain’ny mpianatrao. Azonao atao ny mandamina azy ireo ho tsiroaroa mba hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana aorian’ilay rafi-tantara.

I Kristen sy ireo namany roa dia niresaka momba ny hoaviny sy ny zavatra tian’izy ireo amin’ny fiainana. Rehefa niompana tamin’ny fianakaviana ny lohahevitra dia nilaza i Kristen fa fifaliana ho azy ny hanambady sy hanan-janaka rehefa lehibe. Hoy ny iray tamin’ireo namany, “Te hanambady aho, saingy tsy hanandrana hitaiza zanaka ato anatin’ity tontolo misavoritaka ity mihitsy aho.” Hoy ilay namana iray hafa, “Tsy mampaninona ahy ny hanana zazakely indray andro any, saingy tsy te hanambady aho raha ny eritreritro.” Rehefa avy nihaino ny hevitr’ireo namany i Kristen dia nanontany tena hoe nahoana ny fahatsapany momba ny fananan-janaka no toa hafa.

  • Nahoana ireo naman’i Kristen no nanana fahatsapana tahaka izany?

    Manasà mpianatra tsiroaroa maromaro hizara ny sasany amin’ny valintenin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hizara olana na fanontaniana fanampiny ananan’izy ireo momba ny ankizy sy ny fitaizana. Izarao tahadikan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ny mpianatra mba hampiasain’izy ireo. Asao ny mpiara-miasa tsirairay handalina ny andiam-pehezan-teny 4–6, ka hitady ireo teny na andian-teny izay manambara ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny ankizy sy ny fitaizana. Amporisiho ny mpianatra hanisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja rehefa mandalina izy ireo. Raha ilaina dia hazavao fa ilay andian-teny hoe “mihabetsaha sy mamenoa ny tany” dia entina hilazana ny fananan-janaka ary ilay andian-teny hoe “ny fahefana masin’ny fananahana” dia entina hilazana ny firaisana ara-nofo. Hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto.

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny ankizy sy ny ray aman-dreny hitanao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no irin’ny Tompo hanan-janaka ny mpivady raha toa ka afaka manao izany izy ireo?

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahatonga ny mpivady iray tsy te hanan-janaka?

Alohan’ny handrosoana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ny sasany amin’ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo manokana momba ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fananan-janaka sy ny maha-ray aman-dreny. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka sy ny fikarakarana azy ireo ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Mikaroka loharanom-pahalalana hafa avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahatakarana

Hevero ny hampiseho ireto fehezan-teny telo mifono fahamarinana avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ireto. Hazavao fa hampiasa ireo fehezan-teny ireo ny mpianatra mba hanaovana fanazaran-tena eo amin’ny fikarohana loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hahazoana fahatakarana fanampiny. Azonao atao ny mandrindra ny mpianatra ho vondrona misy olona telo, ka samy mandalina fahamarinana hafa ny mpianatra tsirairay. Azon’ny mpianatra atao mihitsy ny misafidy ny fehezan-teny hosahanin’izy ireo amin’ny fomba mahaliana; ohatra, ny mpianatra zandriny indrindra na ny mpianatra lava indrindra ao amin’ny vondrona tsirairay dia afaka manao ny safidy voalohany ny amin’izay hohalalinina.

  • “Ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hihabetsaka ka hameno ny tany dia mbola manan-kery.”

  • “Ny fahefana masin’ny fananahana dia tokony hampiasain’ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany.”

  • “Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.”

    Amporisiho ny mpianatra hampiasa loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny application Mediathèque de l’Évangile mba hahitana fampahalalana fanampiny momba ilay fehezan-teny maneho fahamarinana sahanin’izy ireo. Raha mila fitarihana izy ireo dia toroy hevitra mba hikaroka teny toy ny hoe “mihabetsaha ary mamenoa,” “fahefan’ny fananahana,” na “ray aman-dreny marina.” Asao izy ireo hitady teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na andinin-tsoratra masina, na lahatsoratra ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izay hampitombo ny fahatakarany.

    Rehefa avy manomana izany ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny vondrona misy azy ireo. Hevero ny hanontany ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ireo fehezan-teny maneho fahamarinana ireo izay tsapanao fa manan-danja?

  • Nahoana no mitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny miaina ireo fahamarinana ireo eo amin’ny tontolo ankehitriny?

  • Inona avy ireo ohatra efa hitanao momba ny fomba ahafahan’ny fiainana ireo fahamarinana ireo mitondra mankany amin’ny fitiavana bebe kokoa, ary ny tsy firaharahiana ireo fahamarinana ireo dia mety hitondra mankany amin’ny fijaliana na ny fanenenana?

  • Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fiainana amim-pahatokiana ireo fahamarinana ireo any aoriana?

Fotopampianarana mandrakizay momba ny zanaka

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny zanaka ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra sy hizara ity teny nambara manaraka ity.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny zanaka ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

14:47
Filoha Dallin H. Oaks

Manome fomba fijery miavaka momba ny zanaka … ny fotopampianarana mandrakizay. Amin’ny alalan’izany fomba fijery izany no ahitantsika fa ny fananana zanaka sy ny fitaizana azy ireo dia ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra. Andraikitra mahafinaritra sy masina izany ho an’ireo izay nomena hery handray anjara amin’izany. Noho izany dia didina isika mba hampianatra sy hiaro ireo fitsipika sy fomba fanao izay manolotra ny fepetra tsara indrindra ho an’ny fampivoarana sy ny fahasambaran’ireo zanaka ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra. (Dallin H. Oaks, “Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray,” Liahona, mey 2022, 102)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fa nitahy ny fianakavianao na ny olona hafa fantatrao ny zanaka?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitondrana zanaka eto amin’izao tontolo izao sy ny fitaizana azy ireo amim-pitiavana manampy anao hitovy kokoa amin’ny ray aman-drenintsika any an-danitra?

Hevero ny hampiseho ireto tari-dresaka manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hanombantombana mangina ny fahatakarany momba ny zavatra nianarany androany.

Tombano ny fahatakaranao ireto fehezan-teny manaraka ireto amin’ny alalan’ny fanomezana valiny ao amin’ny diary fandalinanao hampiasana ny hoe tena manaiky, manaiky, manaiky ihany, na tsy azoko antoka. Soraty fohifohy ny antony nisafidiananao ny valiny tsirairay.

  • Takatro hoe nahoana no mbola manan-kery ny didin’ Andriamanitra mba hihabetsaka sy hameno ny tany.

  • Takatro ny antony mahatonga ny fahefana masin’ny fananahana izay tsy hampiasaina raha tsy eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray izay nivady ara-dalàna ihany.

  • Takatro ny antony tokony hitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.

Raha manana fanontaniana na ahiahy fanampiny momba ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny zanaka na mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hampitombo ny fahatakarany miaraka amin’ny ray aman-dreniny na ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana.

Ho famaranana dia asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina ny zavatra nianarany momba ny maha-zava-dehibe ny fananana zanaka sy ny fikarakarana azy ireo ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.