“Lesona 160: Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 3: Fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 3,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 160: “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”
Fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana
Ny antony iray nandefasan’ny Ray any An-danitra antsika ety an-tany ao anatina fianakaviana dia ny hanampiana antsika mba hiaina fahasambarana. Ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, ny Tompo dia nanambara ny fomba ahafahantsika mahazo fiadanana sy fahasambarana izay ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’i Jesoa Kristy eo amin’ireo fifandraisana ao amin’ny fianakavian’izy ireo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny milaza antony sy vokatra tsy feno manaraka ity. Fenoy ny banga voalohany amin’ny alalan’ny andian-teny toy ny hoe “Ny fahazoana isa tsara any am-pianarana.” Avy eo dia asao ny mpianatra hameno ny banga faharoa amina andian-teny izay mameno ilay fehezan-teny, toy ny hoe “manao enti-mody isika.” Azonao averina imbetsaka io dingana io amin’ny alalan’ny fampiasana andian-teny samihafa.
“ dia azo tratrarina kokoa rehefa .”
Asao ny mpianatra hamaky ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana, ka hitady fomba iray nentanim-panahy hamenoana ilay andian-teny eny amin’ny solaitrabe. Ampio ny mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa rehefa miorina eo amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo . Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’ny fiainana ny fampianaran’i Kristy mitondra mankany amin’ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia angataho izy ireo hisaintsaina fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hampitombo ny fahasambaran’ny fianakavianao?
Manampy amin’ny fisian’izany fahasambarana izany amin’ny fomba ahoana ny fiezahanao miaina ny fampianaran’ Izy ireo?
Ampahafantaro ny mpianatra fa any amin’ny faran’ity lesona ity izy ireo dia hasaina handray andraikitra eo anatrehan’ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay afaka mampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviany. Asao ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mandritra ny ambin’ny lesona mba hahafantarana izay fitsipika tokony hifantohan’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hihaino tsara izay eritreritra na fahatsapana azony avy amin’ny Fanahy Masina.
Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy
Hevero ny hametraka sarin’i Jesoa Kristy eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hamaky indray ny andiam-pehezan-teny 7 , fa amin’ity indray mitoraka ity dia asaivo asiany marika ny fampianarana tsirairay izay afaka mampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana. Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe manodidina ny sarin’i Jesoa Kristy. Avy eo dia asaivo miasa ao anaty vondrona kely na tsiroaroa ny mpianatra mba hamitana ity sahanasa manaraka ity:
Misafidiana fampianaran’i Jesoa Kristy iray hitanao ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 .
Mitadiava soratra masina na teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay manampy antsika hahatakatra tsara kokoa izany fampianarana izany.
Lazalazao ny fomba ahafahan’ny fanarahana izany fampianarana izany mampitombo ny fahasambarana ao amin’ny fianakaviana.
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na hikaroka ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Ireto manaraka ireto dia soratra masina sasantsasany mety ho hitan’ny mpianatra mikasika ireo fampianarana avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 : 3 Nefia 18:15–16, 21 (vavaka); Môrônia 7:45–48 (fitiavana); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 (fibebahana); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11 (famelana).
ChurchofJesusChrist.org
Rehefa nomena fotoana ampy, dia asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra hitan’izy ireo. Rehefa mizara izany ny vondrona dia asao izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny andinin-tsoratra masina na ny ampahany amin’ny teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nanampy azy ireo hahatakatra ny fampianaran’i Jesoa Kristy.
Avy eo dia azonao atao ny mampiasa fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy hisy fiantraikany eo amin’ny fianakaviana.
Inona amin’ireo fampianaran’i Kristy eny amin’ny solaitrabe no nisy fiantraikany teo amin’ny fahasambarana tsapanao tao amin’ny fianakavianao?
Inona amin’ireo fampianarana ireo no tianao hifantohana kokoa ao amin’ny fianakavianao? Nahoana? Ahoana no ahafahanao manatanteraka izany ao amin’ny fianakavianao?
Inona amin’izy ireo no tianao hifantohana ao amin’ny fianakavianao any aoriana any? Nahoana?
Inona amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy no afaka manampy fianakaviana iray izay manana olana amin’ny tsy fitovian-kevitra, na ny fifandirana, na ny fifandraisana feno disadisa?
Rehefa mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia azonao atao ny mampitodika azy ireo any amin’ireo fitsipiky ny “finoana, vavaka, fibebahana, famelan-keloka, fanajana, fitiavana, [ary] fangorahana” ao amin’ny andiam-pehezan-teny nohalalinin’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fanirian’ny Mpamonjy hamela heloka sy hanasitrana ary hanatsara ny fifandraisan’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ny ezaka ataontsika sy ny faniriantsika hibebaka sy hamela ny hafa dia afaka manasa ny fitarihany manasitrana eo amin’ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika.
Fitomboan’ny fahasambarana
Alohan’ny hanasana ny mpianatra hampihatra ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny fianakaviany dia ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba azo ampiharana ny fampianarany amin’ny toe-javatra samihafa iainan’ny fianakaviana. Hevero ny hanoratra toe-javatra vitsivitsy samihafa iainan’ny fianakaviana eny amin’ny solaitrabe izay mety hiainan’ny mpianatra ao amin’ny kilasinao. Ireo ohatra dia mety hahitana ireto manaraka ireto:
Fianakaviana iray manontolo izay mavitrika ao am-piangonana.
Fianakaviana izay ny ampahany ihany no mpikambana.
Ray aman-dreny nisara-panambadiana.
Fianakaviana ahitana ray na reny tokan-tena.
Hevero ny hangataka ny mpianatra mba hizara ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ireo toe-javatra tsirairay iainan’ny fianakaviana eny amin’ny solaitrabe:
Inona avy ireo fitsipika manokana avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana izay harosonao ho an’ny zatovo iray ao anatin’io toe-javatra io?
Ahoana no ahafahan’ny zatovo iray ao amin’io toe-javatra iainan’ny fianakaviana io mampihatra ireo fitsipika nosafidinao?
Hevero ny hampiseho ity teny nambara manaraka ity:
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Na inona na inona zavatra ratsy mety nitranga tao amin’ny fianakavianao dia mijoro ho vavolombelona aho ary mampanantena fa i Jesoa Kristy Tompo no loharanon’ny fanasitranana sy ny fanavaozana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay ilainao. …
Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mamorona fianakaviana mandrakizay ianao, na dia tsy avy ao amin’ilay karazana tokantranona Olomasin’ny Andro Farany izay miseho indraindray ao amin’ny fonon’ny gazetiboky Liahona na Ensign ireny aza ianao. Tsarovy foana ny hoe, manomboka aminao izany! (David A. Bednar, “A Welding Link ” [worldwide devotional for young adults, Sept. 10, 2017], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org )
Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo fampianaran’i Jesoa avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana izay tsapan’izy ireo fa ahazoan’izy ireo fitaomana ny hampiharana azy mba hanatsarana ny fahasambarana ao amin’ny fianakaviany manokana. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diary fandalinany drafitra iray hanombohana, na hanohizana, na hanatsarana ny fiainana izany fampianarana izany. Raha ampy ny fotoana dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany fa tokony hataony.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny herin’i Jesoa Kristy mba hampitomboana ny fahasambarana ao amin’ny fianakavian’ireo izay miezaka miaina ny fampianarany.
Hoy ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo sy ny fotopampianarany, dia azo takarina sy resena ny fiantraikan’ireo olana rehetra izay maharary mety hatrehin’ny fianakaviana. Na inona na inona no mety hilain’ny olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka manamafy orina ny fianakaviantsika isika rehefa manaraka ny torohevitra omen’ireo mpaminany.
Ny fanalahidin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika dia ny fananana ny Fanahin’ny Tompo ao an-tokantranontsika. Ny tanjon’ny fianakaviantsika dia ny ho eo amin’ilay lalana ety sy tery. …
… Mafy orina ny fianakaviana rehefa manakaiky ny Tompo isika, ary mafy orina ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana rehefa mifampahery sy mifanamafy orina ary mifampikarakara isika. (Robert D. Hales, “Strengthening Families: Our Sacred Duty ,” Ensign , May 1999, 33–34)
Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia manome izao famaritana manaraka izao momba ny hoe fianakaviana :
Araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, ny fianakaviana dia misy mpivady, zanaka, ary indraindray havana hafa izay mipetraka ao amin’ny trano iray na eo ambanin’ny lohan’ny fianakaviana iray. Ny fianakaviana koa dia mety ho ray na reny tokan-tena miaraka amin’ny zanaka, na mpivady tsy manan-janaka, na olona tokan-tena mipetraka irery mihitsy aza. (Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Fianakaviana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org )
Nilaza izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Raha miaraka amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanasitrana Lehibe sy Mpamonjy, dia afaka ny hisy foana ny fiantombohana vaovao. Manome fanantenana hatrany Izy.
I Jesoa Kristy no herin’ireo fianakaviana.
I Jesoa Kristy no herin’ireo zatovo.
I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny. (Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny ,” Liahona , mey 2023, 59)
Nampianatra izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fialamboly mahasoa dia ilay namana sy ilay namana mpiara-miasa izay eo mandrakariva. Ny mozika, ny literatiora, ny haikanto, ny dihy, ny tantara an-tsehatra, ny fanatanjahan-tena, dia samy afaka manolotra fialamboly avokoa mba hanatsarana ny fiainana. … Miaraka amin’izay koa dia tsy ilaina lazaina loatra fa ny ankamaroan’ny zavatra izay lazaina fa fialamboly ankehitriny dia mamoa fady, mampirefarefa amin’ny tany, feno herisetra sy mandemy ny saina ary mandany fotoana. Raha mba hampihomehezana kely dia hoe, mila miasa mafy indraindray vao mahita fialamboly mahasoa. Rehefa ny fialamboly no mahatonga hiala amin’ny zavatra tsara ka hanao zavatra ratsy, dia lasa mpandrava ny fiainana natokana ho masina izany. (D. Todd Christofferson, “Reflections on a Consecrated life ,” Liahona , Nov. 2010, 17)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitovy eo anoloan’ Andriamanitra, dia azonao asaina izy ireo hamaky nytapany faharoa amin’ny andiam-pehezan-teny 7 (manomboka amin’ny hoe “Araka ny drafitr’ Andriamanitra”), ka hitady ny andraikitry ny ray sy ny an’ny reny. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mizara ny sasany amin’ireo zavatra manan-danja sy miavaka izay nampianarin’ny reniny sy ny rainy azy ireo. Avy eo dia ampio ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana ity: Ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy toy ny mpiara-miasa mitovy lenta . Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany io fahamarinana io dia zarao roa ny iray kilasy ary asao ny antsasany tsirairay handalina ny iray amin’ireto teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:
Tia ny zanany rehetra amin’ny fomba mitovy sy tonga lafatra ary tsy manam-petra ny Raintsika any An-danitra. Ny fitiavany dia mitovy ihany amin’ireo zanany vavy sy amin’ireo zanany lahy. Tia ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fomba mitovy ihany koa ny Mpamonjy antsika, i Jesoa Kristy Tompo. Natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny sorompanavotany sy ny filazantsarany. …
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manamasina ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fomba mitovy sy amin’ny alalan’ireo fitsipika mitovy. Ohatra, ny fibebahana amim-pinoana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina dia fepetra takina amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, tsy miankina amin’ny maha-lahy na maha-vavy . … Tia antsika rehetra amin’ny fomba mitovy [ny Ray any An-danitra] ary ny fanomezany lehibe indrindra, izany hoe ny fanomezana ny fiainana mandrakizay, dia natao ho an’ny rehetra. (M. Russell Ballard, “Equality through Diversity ,” Ensign , Nov. 1993, 89)
Na dia mitovy aza ny lehilahy sy ny vehivavy eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ireo fahafahana mandrakizay ananan’izy ireo, dia samy hafa izy ireo, kanefa manan-danja mitovy amin’izany, ireo adidy ao amin’ny drafiny mandrakizay. … Afaka manaiky ary mamporisika ny fahasamihafantsika mihitsy aza [Andriamanitra] eo am-panolorana fahafahana mitovy amin’izany mba hitomboana sy hivoarana. …
… Maro amin’ireo zavatra takina [mba hahazoana fiainam-pianakaviana ao anatin’ny fisandratana] no mitovy tanteraka ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ohatra, ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra dia tokony hitovy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tokony samy hivavaka ny lehilahy sy ny vehivavy. Samy manana tombontsoa mitovy izy ireo amin’ny fandraisana valim-bavaka ary noho izany dia mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’ny fivoarany ara-panahy. (M. Russell Ballard, “Equality through Diversity ,” Ensign , Nov. 1993, 89–90)
Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba izay zavatra nianarany dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Inona no nianaranao momba ny fomba fahitan’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy?
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mpiara-miasa mitovy lenta”?
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io manampy anao hampitombo ny fahasambarana ao amin’ny fianakavianao amin’izao fotoana izao sy any aoriana?
Maro ireo mpianatra no hiatrika toe-javatra izay mitaky herim-po sy finoana an’i Jesoa Kristy mba hiarovana ny zavatra nambarany tao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana.
6:56
Hevero ny hampiseho ity teny nambara manaraka nataon’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, ity:
Ilaintsika arovana amim-pahasahiana ireo [fotopampianaran]’ny Tompo izay nambara, izay mamariparitra ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ny lanjan’ny tokantrano amin’ny maha-toerana masina izany, eny fa na dia rehefa mitabataba ao an-tsofintsika aza izao tontolo izao hoe efa lany andro sy mametra antsika ary tsy mitombina intsony ireo fitsipika ireo. Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika! (Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana ,” Liahona , mey 2015, 15)
Avy eo dia asaivo mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy izao manaraka izao ny mpianatra:
Inona avy ireo fahamarinana nambaran’ny Tompo mahakasika ny fianakaviana izay mbola tsy takatry ny olona maro eto amin’izao tontolo izao?
Nahoana no zava-dehibe ny miaro ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika ankehitriny?
Ahoana no ahafahantsika mijoro ho mafy orina amin’ny zavatra nampianarin’ny Tompo amin’ny fomba izay mitondra fiadanana fa tsy fifandirana?
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ankehitriny ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana manomana anao hanangana fianakaviana iray any aoriana?