“–Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao–: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“–Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”
“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”
Topimaso ankapobeny
Ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia fanambarana ara-paminaniana mba hanampiana antsika hahatakatra ireo fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Nambaran’ Andriamanitra ato amin’ity fanambarana ity ny fomba hahazoana fiadanana sy fahasambarana ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fanambarana momba ny Fianakaviana, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny anjara asa fototry ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny fanambarana momba ny fianakaviana ary hanisy marika ireo hevi-baovao hitany na handray an-tsoratra ireo fanontaniana izay mety hananan’izy ireo.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadika nomerika na natao printy an’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; tahadika natao printy an’ny lesona 7 ao amin’ny boky torolalana ho an’ny institiota Ny Fianakaviana Mandrakizay: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ireo mpianatra izay tsy tafiditra amin’ny Médiathèque de l’Évangile
-
Horonan-tsary: “Le Plan du salut – Nous sommes toujours une famille” (4:47)
Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka sy ny fikarakarana azy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hihaino na hamaky ny tonon’ilay fihirana hoe “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 113). Amporisiho izy ireo hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny zanaka ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadika nomerika na natao printy an’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; tahadika vitsivitsy natao pirinty an’ireto lahateny manaraka ireto mba hozaraina amin’ireo mpianatra izay tsy tafiditra amin’ny Médiathèque de l’Évangile: Dallin H. Oaks, “Ray aman-dreny sy zanaka,” Liahona, nôv. 2018, 61–67; David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” Liahona, mey 2013, 41–44; Neil L. Andersen, “Zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 28–31
-
Horonan-tsary: “Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray” (14:46; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 8:13 hatramin’ny 8:47)
Fanambarana momba ny fianakaviana, Tapany 3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga hianatra efa vonona hizara ireo fotoana izay niainan’izy ireo fahasambarana niaraka tamin’ny fianakaviany.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadika nomerika na natao printy an’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10
Tanjon’ny lesona: Hanome fahafahana ireo mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hanampiana azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara amin’ny iray kilasy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay nanan-danja teo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny anton’izany.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland izay ampy isa tsara mba ho ampy ifampizaran’ny mpianatra miara-mandalina (Jeffrey R. Holland, “Indro ny reninao,” Liahona, nôv. 2015, 49)