Seminera
Lesona 157: Tombano ny fianaranao 10: Misaintsaina ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana


“Lesona 157: Tombano ny fianaranao 10: Misaintsaina ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao 10,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 157: Ireo Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2

Tombano ny fianaranao 10

Misaintsaina ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

mpirahalahy mijery rakitsary iray

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hivoatra ara-panahy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fahatsiarovana ara-panahy

Hevero ny hitondra sary momba ny tenanao manokana ao an-dakilasy. Asehoy ilay sary ary fariparito fohifohy ireo fahatsiarovanao mifandray amin’ireo olona na zava-nitranga ao amin’ilay sary. Raha nangatahina hanao ny sahanasa fanomanana ny mpianatra ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara fohifohy ny sariny sy ny fahatsiarovany ao anaty vondrona kely na amin’ny iray kilasy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara sary ananan’izy ireo ao amin’ny findainy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny olona ny mijery sarin’olona na zava-nitranga tamin’ny lasa?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo fahatsiarovana izay mety ananantsika ka tsy azo alaina ao amin’ny sary iray?

Niresaka momba ireo fahatsiarovantsika ara-panahy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

16:43
Loholona Neil L. Andersen

Ankamamio ireo fahatsiarovana masinareo. Inoy izy ireny. Soraty izy reny. Zarao amin’ny fianakavianareo izy ireny. Matokia fa tonga tao aminareo avy tamin’ny Rainareo any An-danitra sy ny Zanaka Malalany izy ireny. Avelao izy ireny hitondra faharetana rehefa miahiahy ianareo ary fahatakarana mandritra ny fotoan-tsarotra. Mampanantena anareo aho fa rehefa manaiky an-tsitrapo sy mankamamy tsara ireo zava-nitranga ara-panahy nanamarika anareo teo amin’ny fiainanareo ianareo, dia mbola ho maro dia maro tokoa no ho azonareo. Mahafantatra sy tia anareo ny Ray any An-danitra. (Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana,” Liahona, mey 2020, 22)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny misaintsaina ireo fahatsiarovantsika ara-panahy?

    Hazavao fa ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ireo fahatsiarovana ara-panahy na zavatra niainan’izy ireo rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny tantaran’ny Fiangonana nandritra ny taona lasa.

    Alohan’ny hanomezana ny mpianatra fotoana hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto dia hevero ny hijery ilay teny nambara ao amin’ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay milaza hoe: “Ren’ny olona ao amin’ireo fanambarana ny feo malefaka nefa hentitra avy amin’i Jesoa Kristy Tompo,” Azo atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo hevi-baovao izay noraketiny tao amin’ny diary fandalinany nandritra ny taona na ny fanamarihana na fandraisana an-tsoratra nataon’izy ireo tao amin’ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hamaly ireo fanontaniana ireo.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny teniny ianao tamin’ity taona ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

  • Niova toy ny ahoana ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hatramin’izay taona lasa izay?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao izay nisy fiantraikany teo aminao? Inona no fiantraikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo taminao?

  • Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany ao amin’ny filazantsara izay nezahinao nampiharina? Inona no hitanao na antenainao ho hita noho ny ezaka nataonao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny fahatsiarovana ara-panahy sasany ananan’izy ireo amin’ny iray kilasy, raha mety ny hizarana izany. Rehefa mizara ny mpianatra dia amporisiho ny hafa mba handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Iza no niaina zavatra mitovy amin’izany?” na “Inona no azonao ampiana amin’ny zavatra nozarain’ny mpiara-mianatra aminao?”

Mandray fanambarana

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina nandritra ny taona izy ireo mba hanao fanazaran-tena sy hianatra ny fomba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana.

Filoha Russell M. Nelson

Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana. …

Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95–96)

Ho fanehoana misimisy kokoa ny fanasan’ny Filoha Nelson ho antsika mba hampitombo ny fahafahantsika mandray fanambarana, dia hevero ny hampiseho balaonina maro isan-karazany izay nabontsina hanana habe samihafa. Asao ny mpianatra hieritreritra hoe iza amin’ireo balaonina ireo no maneho indrindra ny fahafahan’izy ireo mandray fanambarana ho an’ny tena manokana tamin’ny fiandohan’ny taona ary izay maneho ny fahafahan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fandinihan’izy ireo dia afaka misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara.

  • Inona no nanampy anao “hampitombo ny fahafahanao ara-panahy handray fanambarana” tamin’ity taona ity?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina sasantsasany avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nanampy ny fahatakaranao momba ny fandraisana fanambarana?

    Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manome ohatra vitsivitsy toy ny Joseph Smith—Tantara 1:5–20 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 9:7–9; 11:12–13; 88:118.

  • Inona no zavatra niainanao vao haingana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

Manazava ny Famerenana amin’ny laoniny

Mampisehoa sary maro manerana ny efitrano izay maneho ireo zava-nitranga manan-danja tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny, toy ireto manaraka ireto. Ho solon’izany dia azonao atao koa ny mangataka ny iray kilasy hitanisa ireo zava-nitranga manan-danja tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eny amin’ny solaitrabe. Misafidiana efatra na dimy mba hifanakalozana hevitra amin’ny iray kilasy. Soraty amin’ny taratasy samy hafa izy ireo ary apetraho manerana ny efitrano ireo taratasy.

Ny Fahitana Voalohany

Ny Fahitana Voalohany

Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Fanorenana tempoly

Fanorenana tempoly

Apetraho ao anaty vondrona ny mpianatra ary asao ny vondrona tsirairay hivondrona ao amin’ny sary na taratasy samy hafa. Omeo andraikitra ny mpitarika vondrona iray mba hitarika ny fifanakalozan-kevitra momba ilay zava-nitranga tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Amporisiho ilay mpitarika hanasa ny olona rehetra ao amin’ilay vondrona mba hizara. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ireo vondrona hifandimby hisahana sary vaovao iray ary hisafidy mpitarika vondrona vaovao. Ireto fitaomana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpitarika ny vondrona hitarika ny fifanakalozan-kevitra isaky ny toeram-piantsonana iray.

  1. Zarao ny zavatra tadidinao momba io zava-nitranga io.

  2. Hazavao hoe nahoana no hahasoa ny olona manerana an’izao tontolo izao ny mahafantatra momba an’io zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy io.

  3. Ifanakalozy hevitra ny fomba nanampian’io zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny io ny finoanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy hitombo.

Ny Mpaminany Joseph Smith

Ity sahanasa manaraka ity dia azo ampiasaina ho fanampin’ilay sahanasa fandinihana nataon’ireo mpianatra tany am-piandohan’ny lesona.

Mampisehoa sarin’ny Mpaminany Joseph Smith iray. Anontanio ny mpianatra raha tadidin’izy ireo hoe iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no mamaritra ny asa lehibe izay nataon’i Joseph teo amin’ny fiainany. Avy eo dia iaraho mamaky na manonona ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa io fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith io dia nosoratana fotoana fohy taorian’ny famonoana azy ho maritiora. Ampio izy ireo hiomana hifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy.

Eritrereto ny fomba niovan’ny fahatsapanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba an’i Joseph Smith tao anatin’ny taona. Azonao atao ny manoratra ny eritreritrao rehefa misaintsaina izao manaraka izao ianao:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaranao manokana fa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay Ala kely Masina ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny asa nanentanan’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hataony?

  • Raha misalasala ianao momba ny antson’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy, dia inona no azonao atao mba hahafantarana izany ho an’ny tenanao manokana?

Hevero ny hamarana amin’ny fanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith.