Rehefa niparitaka manerana izao tontolo izao ny filazantsara nandritra ny taonjato faha-roapolo dia nivavaka ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hahazo fitarihana mikasika ny lalàna iray izay nametra ny mpikamban’ny Fiangonana taranaka Afrikana tsy handray ny fisoronana. Olomasina maro no nisafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy nanoloana ireofanontaniana mikasika ilay lalàna. Tamin’ny 8 jona 1978 dia nampahafantatra ny fanambarana iray izay nanafoana ireo famerana ireo ny Fiadidiana Voalohany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana rehefa manoloana toe-javatra mampiahiahy na fanontaniana ara-panahy izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ohatra momba ny finoana
Tamin’ny aprily 1972 dia nitsidika ny tranon’i Helvécio sy Rudá Martins avy any Rio de Janeiro, Brésil, ireo misiônera avy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Vetivety dia nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny hafatry ny misiônera ry Martins. Nianatra ihany koa mikasika ny fitsipiky ny Fiangonana iray izay nametra ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy hotendrena ho amin’ny fisoronana izy ireo. Nanana fanontaniana ho an’ireo misiônera i Helvécio sy i Rudá, izay taranaka Afrikanina (jereo ny “Elder Helvécio Martins of the Seventy,” Ensign, Mey 1990, 106; Mark Grover, The Autobiography of Elder Helvécio Martins [1994], 43).
Inona avy ireo fanontaniana mety ho napetrakao tamin’ireo misiônera raha toa ka niaina io toe-javatra io ianao?
Inona avy no mety ho fihetsika asehon’ny olona iray manoloana ny toe-javatra toy izany?
Manao asa amim-pinoana
Rehefa nahafantatra ny momba ilay famerana teo amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana ny fianakaviana Martins dia nisafidy ny hanao asa amim-pinoana izy ireo. Vetivety izy ireo dia natao batisa sy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro. Hoy ny Loholona Martins raha nitantara taty aoriana: “Nahita ny fahamarinana izahay, ary tsy nisy na inona na inona afaka nanakana anay hiaina izany.”
Ny taona 1975 dia nanambara ny Fiangonana fa hisy tempoly haorina koa any Sao Paulo any Brésil. –“Na dia tsy nanantena ny hiditra izany aza izahay dia niasa mba hananganana ny tempoly tahaka ireo mpikambana hafa,– hoy ny Loholona Martins mitadidy. –Tranon’ny Tompo rahateo izany.– Nivarotra ny firavaka nananany Rahavavy Martins mba hanampy tamin’ny fanangonana vola, ary nanompo tao amin’ny kômity nisahana ny fampahafantarana ny olona ny asa natao Rahalahy Martins” (ao amin’ny “Elder Helvécio Martins of the Seventy,” Ensign, May 1990, 106).
Vakio ny teny fanolorana ny Filazana Ôfisialy 2, ka tadiavo ny fampahalalana ny zava-niseho nifandray tamin’io filazana io.
Inona araka ny eritreritrao no zavatra manan-danja ka tokony hotakarina avy amin’io andiam-pehezan-teny io?
Ny Filazana Ôfisialy 2 dia ahitana ny filazana amin’ny fomba ôfisialy ilay fanambarana izay noraisin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1 jona 1978.
Vakio ireo andiam-pehezan-teny efatra eo ambanin’ny andian-teny hoe “Ry rahalahy malala” ao amin’ny Filazana Ôfisialy 2. Asio marika ireo teny na andian-teny izay heverinao fa manan-danja.
Inona no nisarika ny sainao tao anatin’ireo zavatra novakinao?
Nanampy anao hahatakatra na hahatsapa inona momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy io zavatra niainana io?
Fiantraikan’ilay fanambarana
Ity fanambarana ity dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny lehilahy sy vehivavy manerana izao tontolo izao. Fotoana fohy taorian’ny nandraisana izany dia nisy misiônera nalefa tany Afrika. Nanomboka teo dia nisy fananganana tempoly koa tany amin’io kaontinanta io, ary an-jatony sy an’arivony ireo olona taranaka Afrikanina izay nandray ho an’ny tenany ny ôrdônansin’ny filazantsara ary nandray izany ho an’ireo razambeny.
Rehefa avy nahafantatra momba ilay fanambarana izay nanolotra ny fisoronana tamin’ny lehilahy mendrika rehetra i Helvécio dia nitantara hoe:
“Tena nihetsi-po aho. Nankay amin’ny efitra fatorianay izaho sy i Rudá, dia nandohalika ary nivavaka. Nitomany izahay rehefa nisaotra ny Ray any An-danitra noho ny zava-nitranga izay nonofinofisinay fotsiny hatramin’izay. Tonga ihany ilay andro ary nandritra ny fiaina nay teto an-tany” (The Autobiography of Elder Helvécio Martins [1994], 69–70).
Fotoana fohy taorian’ilay fanambarana tamin’ny 1978 dia nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviana Martins. Lasa mpitarika tao amin’ny fisoronana tao an-toerana i Helvécio ary voantso ho mpikambana tao amin’ny Fitopololahy izy tamin’ny farany (jereo ny “Elder Helvécio Martins of the Seventy,” 106).
Inona no mety ho niova ho an’ny fianakaviana Martins raha toa ka tsy nisafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo?
Inona no nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ny fianakaviana Martins ka afaka manampy anao amin’ny toe-javatra tsy mampiahiahy iainanao na amin’ny fanontaniana tsy voavaly anananao?