Lesona 154—Ireo Fanekem-pinoana: Mianatra fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy
“Lesona 154—Ireo Fanekem-pinoana: Mianatra fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Ireo Fanekem-pinoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 154—Ireo Fanekem-pinoana sy ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2
Ireo Fanekem-pinoana
Mianatra fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Tamin’ny 1 martsa 1842, dia namaly ny fangatahan’i John Wentworth izay mpamoaka gazety ny Mpaminany Joseph Smith mba hanome fampahalalana momba ny tantaran’ny Fiangonana sy ireo zavatra inoan’ny Fiangonana. Tao anatin’ny valinteniny dia nanambara fitsipika fototra miisa 13 ao amin’ny filazantsara i Joseph izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fanekem-pinoana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ireo Fanekem-pinoana.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Manazava ireo zavatra inoantsika
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay te hahafantatra bebe kokoa momba ny zavatra inoan’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Tena liana ilay namanao, saingy minitra vitsy monja no ananany hihainoana anao alohan’ny handehanana any am-pianarana.
Inona no zavatra tianao ho takatry ny namanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?
Inona avy ireo loharano azonao zaraina amin’ilay namanao mba hanampiana azy hahafantatra misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?
Ireo Fanekem-pinoana
4:43
Tamin’ny 1842 dia namaly ny taratasy iray azony avy tamin’i John Wentworth, izay nipetraka tany Chicago, Illinois, i Joseph Smith. I Wentworth dia mpamoaka gazety iray nantsoina hoe Chicago Democrat ary naniry ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny zavatra inoan’ireo Olomasina nipetraka tany Nauvoo, Illinois sy ny tantaran’izy ireo izy. Tao amin’ny ampahany tamin’ilay taratasy dia nizara ny antsipiriany mikasika ny fananganana ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ny tanjonyi Joseph. Ny Mpaminany dia namarana ilay taratasy tamin’ny fanambarana fohy miisa 13 izay mirakitra ireo fahamarinana fototra sy fotopampianaran’ny Fiangonana. Ireo fanambarana ireo dia nomena anarana hoe Ireo Fanekem-pinoana taty aoriana ary navoaka tamin’ny 1851 tao amin’ny edisiôna voalohan’ny Voahangy Lafo Vidy.
Ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao mikasika ny fomba ahafahan’ny fianarana ny Fanekem-pinoana manampy antsika.
14:28
Mamporisika anareo aho hampiasa ny sainareo mahiratra mba handalina sy hianatra ireo Fanekem-pinoana sy ireo fotopampianarana ampianariny. Anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra izy ireo ary azo antoka fa fanambarana tsara fintina indrindra mikasika ny fotopampianarana ato amin’ny Fiangonana. Raha mampiasa azy ireo ianareo ho toy ny torolalana hitantanana ny fandalinanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho hitanareo fa ho vonona ianareo hanambara amin’izao tontolo izao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny. Ho vitanareo ny hanambara amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary lalina ireo zavatra fototra inoanareo mafy amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anareo. (L. Tom Perry, “Ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ireo fanekem-pinoana,” Liahona, nôv. 2013, 48)
Inona no nianaranao avy amin’io teny nambara io momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana sy ny fahafantarana ireo Fanekem-pinoana?
Mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy miaraka amin’ireo Fanekem-pinoana