“Ireo Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ireo Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ireo Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2
Ireo Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2
Topimaso ankapobeny
Tao anatin’ireo taona taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nanatevina ny soratra masin’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanampiana ireo Fanekem-pinoana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, ary ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo Fanekem-pinoana dia fanambarana fohy miisa 13 momba ny zavatra inoana izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Filazana Ôfisialy 1 dia ahitana rakitsoratra avy amin’ny Filoha Wilford Woodruff izay nambaran’ny Tompo ho an’ny Olomasina mba hampitsahatra ny fanaovana fampakarana vady maro tamin’ny faramparan’ireo taona 1800. Ny Filazana ôfisialy 2 dia filazana ny fanambarana iray noraisin’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny 1978 izay nanome porofo fanampiny fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra ary “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33). Izany filazana izany dia nahatonga ireo lehilahy mendrika rehetra ho afaka handray ny fisoronan’ Andriamanitra ary ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra mba handray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fanekem-pinoana
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ireo Fanekem-pinoana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ireo Fanekem-pinoana miisa13 ary hanandrana hanao tsianjery ny iray amin’izany izay manan-danja amin’izy ireo. Amporisiho izy ireo ho tonga hianatra efa vonona hizara ny fanekem-pinoana nosafidin’izy ireo ary hanao tsianjery am-bava izany amin’ny mpianatra hafa.
-
Horonan-tsary: “Ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ireo Fanekem-pinoana” (14:28; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:09 ka hatramin’ny 14:07)
-
Taratasy zaraina: “Sahanasa fandalinana ireo Fanekem-pinoana”
Filazana Ôfisialy 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hatakatra fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy omena ireo mpaminaniny ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ary avy eo hanontany ny fianakaviana na ny namana ny fomba nitahiana azy ireo satria manohy manambara ny sitrapony amin’ny alalan’ireo mpaminaniny i Jesoa Kristy.
-
Votoatiny haseho: Sahanasa fanaovana fanombantombanana ny tena manokana any am-piandohan’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Fiarahabana tonga soa” (4:27; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:42 ka hatramin’ny 1:14)
Filazana Ôfisialy 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hanao asa amim-pinoana rehefa miatrika toe-javatra tsy fantatra na fanontaniana ara-panahy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny teny fanolorana ny Filazana Ôfisialy 2 mba hamantarana ireo toe-javatra niainana izay nitarika ho amin’io fanambarana io.
Tombano ny fianaranao 10
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hivoatra ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitondra sarin’olona na zavatra niainan’izy ireo manokana izay antenain’izy ireo hotsaroana mandrakariva.
-
Zavatra hoentina: Sary iray an’ny tena manokana; balaonina na sarina balaonina nabontsina amin’ny habe isan-karazany
-
Horonan-tsary: “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana” (16:43; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:31 ka hatramin’ny 16:09)
-
Sary: Lafin-javatra na tranga samihafa izay maneho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara