Seminera
Lesona 153—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 2: “Nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo”


“Lesona 153: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 2: –Nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo,–” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 153: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 2

“Nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo”

tempoly

Tao anatin’ny fahitany ny tontolon’ny fanahy, dia nahita maro tamin’ireo fanahy ambony sy lehibe an’ny Ray any An-danitra ny Filoha Joseph F. Smith. Nahita mpaminany fahiny izay nanatontosa tamim-pahatokiana ny asan’ny Tompo izy. Hitany ihany koa ireo hafa izay notehirizin’ny Tompo ho teraka amin’ny andro farany mba hanorina tempoly sy hanatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny maty. Ny ôrdônansy toy izany dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ho voatosika handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ilay asako manan-danja

Ireto bitsika manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny asa manan-danja tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo. Aorian’ny fotoana hisaintsainana sy hanoratana dia afaka mizara ny valinteniny ireo mpianatra maniry hanao izany.

  • Anisanireo zavatra manan-danja indrindra nataoko teo amin’ny fiainako ny …

  • Anisan’ireo zavatra manan-danja indrindra mety hataoko eo amin’ny fiainako ny …

  • Ny Ray any An-danitra dia naniraka ahy ety an-tany amin’izao fotoana izao mba …

Asao ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mba hahafantarana ny sasany amin’ireo zavatra manan-danja izay tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hotanterahin’izy ireo. Afaka mandalina ny tsodranon’ny patriarika any an-tranony ihany koa ny mpianatra mba hianarana bebe kokoa momba izany.

Fanahy nofinidy natokana ho an’ny fahafenoan’ny fotoana

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tadidiny momba ny drafitry ny Ray any An-danitra avy amin’ny fahitan’ny Filoha Joseph F. Smith ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–60).

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–49, 53, ny Filoha Joseph F. Smith dia nahita fanahy ambony sy lehibe maro. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanondro ny sasany amin’ireo olona hitan’ny Filoha Smith tao amin’ny fahitany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56, ka tadiavo ny asa izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho tanterahin’ireo fanahy ambony amin’ny andro farany.

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mety miantefa aminao?

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny asan’ny Ray any An-danitra ho anao?

  • Ahoana no hamintinanao ireo andininy ireo ho fanambarana fahamarinana?

    Rehefa mamintina ireo andininy ireo ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fahamarinana iray tahaka izao manaraka izao: Ny Ray any An-danitra dia nanokana fanahy nofinidy hiasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo ho an’ny famonjena ireo zanany.

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanampiana amin’ny famonjena ireo zanany?

Raha tsy mizara hevitra ny mpianatra dia azonao atao ny misarika ny sain’izy ireo any amin’ny andininy 54. Ampio izy ireo hahafantatra fa afaka miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny olona any amin’ny lafy ilan’ny voaly dia fomba iray hitondrantsika fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56 dia miantefa amin’izy ireo. Mba hahafahana mampihatra ny fampifandraisana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile, dia afaka mamorona rohy eo amin’ireo andinin-tsoratra masina sy ireo teny nambara ireo mpianatra.

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Filoha Russell M. Nelson

Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombontsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany!

Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo! (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], ChurchofJesusChrist.org)

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpianatra hanombana ny fahatsapan’izy ireo amin’izao fotoana izao mikasika ny fandraisana anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Rehefa nanana fotoana ampy hisaintsainana izy ireo, dia afaka mizara ny eritreriny sy ny fihetseham-pony izay mpianatra te hizara.

  • Inona no tsapanao rehefa mahafantatra fa ny Tompo dia nanomana anao hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

  • Manao ahoana ny fihetseham-ponao handray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? Nahoana ianao no mahatsapa izany?

Ao amin’ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 2,” dia amporisihina ireo mpianatra handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra nataony sy ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo.

Natokana hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

Ity manaraka ity dia fomba iray hanampiana ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany.

Asao izy ireo hamorona hafatra izay azony zaraina mba handrisihana ny olona handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Mety ho taratasy kely mivalona zaraina, na lahatsoratra aely ao amin’ny tambajotran-tserasera, na hafatra an-tsary, na karazana fanasana hafa izany. Avelao ny mpianatra hisafidy ny karazana hafatra hoforonina.

sary famantarana ny taratasy zarainaNy raki-kevitra ao amin’ilay taratasy zaraina hoe “Natokana hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana” dia afaka manome hevitra ny mpianatra mikasika ny zavatra tokony hampidirina ao amin’ny hafatr’izy ireo. Asao ny mpianatra handalina ity raki-kevitra ity alohan’ny hamoronany ny hafany. Afaka misafidy ny handalina samirery na handalina ao anaty vondrona kely ny mpianatra.

Natokana hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57–59, ka tadiavo ny fomba hanavotana ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy.

  2. Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Tadiavo ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba ireo izay mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Filoha Henry B. Eyring

Eritrereto ny Mpamonjy rehefa mihaona Aminy ianao. Hanao ilay dinidinika ianao. Nanefa ny saran’ny fahotanao sy ny fahotan’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra rehetra Izy. Izy no Jehovah. Naniraka an’i Elia Izy. Nanome ny herin’ny fisoronana izy mba hamehezana sy hitahiana avy amin’ny fitiavana tonga lafatra. Ary nametraka any fitokisany taminao Izy tamin’ny alalan’ny namelany anao handre ny filazantsara nandritra ny fiainanao, sy nanomezany anao fahafahana hanaiky ilay andraikitra mba hanolotra izany amin’ireo razambenao izay tsy nanana ilay fahafahana tsy voavidim-bola anananao. Eritrereto ny fankasitrahana atolony an’ireo izay manefa ny sarany amin’ny alalan’ny asa sy ny finoana mba hitadiavana ny anaran’ireo razambeny sy an’ireo izay tia azy ireo sy tia Azy ka manome azy ireo ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra an’ Andriamanitra. Nanolotra fanatitra tsy misy fetra ho azy ireo Izy. Ho tia sy hankasitraka ireo izay nanefa izay sarany rehetra azon’izy ireo nefaina Izy mba hanome fahafahana ny razamben’izy ireo hisafidy ny fiainana mandrakizay izay atolony. (Henry B. Eyring, “Hearts Bound Together,” Liahona, May 2005, 78–79)

  1. Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ny fandraisana anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

  2. Moa ve misy zavatra niainana manokana, na soratra masina, na fanambarana nataon’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mety tianao hozaraina?

Fo mifamatotra ChurchofJesusChrist.org

16:12
3:11
4:4

Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ampitomboan’ny Tompo ny fahafahantsika mankany amin’ny tempoly sy mampiasa ny teknôlôjia mba hitondrana fanampiana eo amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Misy teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay mampianatra izany.

  • 16:12
  • 3:11
  • 4:4

Voatosika handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

Omeo fotoana ny mpianatra hamoronana sy hizarana hafatra iray mba handrisihana ny olona handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Amporisiho ny mpianatra mba hizara ny hafatr’izy ireo any an-trano.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny antony nanosika azy ireo handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Ny famaliana ireo fanontaniana ao amin’ny diariny dia fomba iray ahafahan’ny mpianatra manasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo. Asao ny mpianatra vonona mba hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nianaranao na tsapanao tamin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 teo amin’ny faharisihanao handray anjara amin’ny asa momba ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana?

  • Nahoana ny fandraisana anjara amin’ny asa momba ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana no anisan’ny asa manan-danja indrindra nataonao hatramin’izay?