“Lesona 151: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137: Ireo izay handova ny fanjakana selestialy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 151: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137
Ireo izay handova ny fanjakana selestialy
Tamin’ny volana janoary 1836, raha tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay tsy mbola vita tanteraka ny Mpaminany Joseph Smith dia nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy. Ao amin’io fahitana io, izay fantatra ho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 ankehitriny, dia nanambara fahamarinana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahany ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra
Tamin’ny taona 1823, dia nandrotirotika ny fon-dry Smith mianakavy ny fahafatesana tampoka nianjady tamin’i Alvin, ilay zanaka lahimatoa. Nangataka mpitondra fivavahana teo an-toerana ilay fianakaviana mba hanatanteraka ny fotoam-pivavahana fanaovam-belona farany an’i Alvin. Koa satria tsy mpivavaka tao amin’ny fiangonan’ilay mpitondra fivavahana i Alvin, dia nilaza ilay mpitondra fivavahana hoe tsy afaka ny ho voavonjy i Alvin. Hoy i William rahalahin’i Joseph taty aoriana hoe: “Nanindry mafy an-kolaka [ilay mpitandrina] … fa lasa tany amin’ny helo [i Alvin], satria tsy mpikamban’ny fiangonana i Alvin” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [ 2007], 401–3). Nandritra ny androm-piainany i Joseph dia mbola namoy olon-tiana betsaka kokoa ankoatra izany aza niaraka tamin’i Emma vadiny, rehefa nandevina ny efatra tamin’ireo zanany enina izy ireo.
-
Inona avy ireo fanontaniana mety ho nananan’i Joseph Smith sy ny fianakaviany momba ny fahafatesan’ireo olon-tiany?
Fahitana iray momba ny fanjakana selestialy
Tamin’ny janoary 1836 dia nanao fivoriana niaraka tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay tsy mbola vita tanteraka i Joseph. Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy any aoriana any i Joseph Smith. Ao amin’io fahitana io, izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 ankehitriny, dia nampianarina fahamarinana mandrakizay momba ny famonjena ireo zanaky ny Ray any An-danitra i Joseph, anisan’izany ireo ankizy kely sy i Alvin rahalahiny.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–10, ka tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana.
-
Inona no ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo izay mety ho nankahery an’i Joseph Smith sy ny fianakaviany? Nahoana no mety ho nankahery izany?
-
Inona no mety ho tsapan’ny fianakaviana Smith momba ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo?
-
Inona no zavatra tsapanao mikasika ireo fahamarinana ireo? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?
Ireo rehetra izay manaiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia mendrika ny fanjakana selestialy (jereo ny andininy 7–8)
Rafi-tantara: Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny fianakaviana iray izay miaina toe-javatra toy ny an’ny fianakaviana Smith tamin’ny fotoana nahafatesan’i Alvin ianao.
Loharanom-pitaovana enti-mandalina: Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8; 1 Petera 4:6; Môzià 15:24; ary ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:
Soa ihany fa ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana sy ireo fitahiana mandrakizainy dia azo omena ireo izay tsy nanana fahafahana handre ny filazantsara teto an-tany. Azo atao amin’ny alalan’ny fisoloana tena azy ireo ireo ôrdônansin’ny tempoly. (Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Liahona, Nov. 2008, 94)
Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:
-
Ahoana no mety hanampian’ireo soratra masina sy fampianaran’ny Filoha Nelson ireo ilay fianakaviana hahatakatra ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany?
-
Inona avy no fiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena?
Tsaraina amin’ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika (jereo ny andininy 9)
Rafi-tantara:
-
Manahy i Lorenzo fa sao dia tsy mba hanana fahafahana hahita namana hiara-dia aminy mandrakizay sy hanambady any amin’ny tempoly mihitsy izy.
-
I Amy no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany. Manahy izy sao dia tsy ho voafehy amin’ny ray aman-dreniny.
Loharanom-pitaovana enti-mandalina: Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9 sy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity:
Ahoana ny amin’ireo izay tsy afaka manambady eto amin’ity fiainana ity na ireo izay tsy afaka ny hofehezina amin’ireo ray aman-dreniny eto amin’ity fiainana ity? Fantatsika fa ny Tompo dia hitsara antsika tsirairay araka ny fanirian’ny fontsika, sy ny asantsika ary ny fitahian’ny fisandratana dia homena an’ireo rehetra izay mendrika. (Russell M. Nelson, “Salvation and Exaltation,” Liahona, May 2008, 10)
Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:
-
Midika ho inona aminao ny hoe hitsara antsika amin’ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika ny Tompo?
-
Ahoana no mety hanampian’ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny andininy 9 an’i Lorenzo na i Amy hahatakatra kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay?
-
Inona no fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny zavatra tsapanao momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny?
Voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy ny ankizy madinika (jereo ny andininy 10)
Rafi-tantara: Misiônera ianao ary mihaona amin’ny ray aman-drenin’ilay zazalahy roa taona izay maty an-drano, ary vonton’alahelo izy ireo. Manahy ireo ray aman-dreny fa sao dia tsy afaka mankany an-danitra ilay zazalahy kely satria tsy mbola natao batisa mihitsy.
Loharanom-pitaovana enti-mandalina: Vakio ny Môrônia 8:8, 11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46; 137:10.
Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:
-
Lafiny inona amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra no hozarainao amin’ireo ray aman-dreny ireo?
-
Inona no fampiononana fanampiny mety hatolotrao an’ireo ray aman-dreny ao amin’ilay rafi-tantara?
-
Inona no fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena?
Zarao ny zavatra tsapanao
-
Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana nianaranao androany miantefa amin’ny toe-javatra iainanao na ny olanao amin’izao fotoana izao?
-
Inona no fiantraikan’ny zavatra nianaranao na tsapanao teo amin’ny fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny fahasambarana?