“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138
Topimaso ankapobeny
Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana dia manolotra famonjena ho an’ny zanany rehetra. Tamin’ny taona 1836 dia nampiseho fahitana momba ny fanjakana selestialy an’i Joseph Smith ny Tompo. Tamin’ny 1918, dia nahita fahitana momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy ny Filoha Joseph F. Smith.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahany ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba anoloran’ny drafitry ny fahasambarana famonjena ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra, anisan’izany ireo izay tsy mandray izany eto amin’ny fiainana an-tany.
-
Horonan-tsary:“Ary ny zazakely no hiroaka azy” (16:55; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:40 hatramin’ny 6:00)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anoloran’ny Mpamonjy famonjena ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra any amin’ny tontolon’ny fanahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany amin’izao fotoana izao sy izay tsy fantany momba ny zavatra mitranga amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra aorian’ny fahafatesan’izy ireo.
-
Horonan-tsary: “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” (15:20; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 8:39 hatramin’ny 10:33)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ho marisika handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra mety ho nataony vao haingana mba handraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana ary ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo.
-
Fitaovana: Taratasy sy fitaovana fanoratana mba hamoronana dépliant
-
Taratasy zaraina: “Natokana hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana”
-
Horonan-tsary: “Des cœurs enlacés” (16:12; jereo manomboka amin’ny minitra faha-10:21 hatramin’ny faha-11:30), “Les bénédictions promises de l’œuvre de l’histoire familiale et du temple” (3:26)