Seminera
Lesona 152: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 1: Ny fahitana momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy


“Lesona 152: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 1: Ny fahitana momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 152: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, Tapany 1

Ny fahitana momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy

I Jesoa manompo ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Raha nalahelo noho ny fahafatesan’ireo olon-tiany tao amin’ny fianakaviany sy ory noho ny faharavana nateraky ny Ady Lehibe Faharoa sy ny valanaretina gripa naneran-tany ny Filoha Joseph F. Smith, dia nitady fampiononana tao amin’ny soratra masina izy. Rehefa nisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny 1 Petera 3–4 izy dia nahazo fahitana lehibe momba ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy teo anelanelan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ankehitriny ny fahitan’ny Filoha Smith dia lasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanoloran’ny Mpamonjy famonjena ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Mankaiza isika rehefa maty?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ity rafi-tantara manaraka ity na hamorona rafi-tantara izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’izy ireo. Ny tanjon’ilay rafi-tantara dia ny hanampy ireo mpianatra hanombantombana ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny tontolon’ny fanahy. Azon’ny mpianatra atao ny mizara izay takatr’izy ireo fa mitranga amin’ireo izay nanaiky sy tsy nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Taorian’ny fandevenana an’i Bebe Roberts dia miteny aminao i Julie fa samy maty kanefa tsy natao batisa tany amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Bebe sy i Dadabe Roberts. Ireo ray aman-drenibeny hafa (i Bebe sy i Dadabe Jones) dia nodimandry ka nitoetra ho mpikamban’ny Fiangonana mahatoky nandritra ny androm-piainan’izy ireo. Manontany anao i Julie hoe: “Inona no hitranga amin’ireo ray aman-drenibeko izay tsy vita batisa?”

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny tontolon’ny fanahy.

  • Hatraiza ny fahatokian-tenanao hizara fahamarinana momba ny tontolon’ny fanahy amin’i Julie?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa isan’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Asao izy ireo mba hiezaka ny hahay hihaino tsara ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy mikasika ireo fahamarinana momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izay hohalalinin’izy ireo androany.

Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty

Mba hanomezana ny sahan-kevitra ara-tantara amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha Ballard ity.

Ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay zafikelin’ny Filoha Joseph F. Smith, dia nizara izao manaraka izao momba ilay fahitana izay lasa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 amin’izao fotoana izao.

2:3
Filoha M. Russell Ballard

Tamin’ny 3 ôktôbra 1918, rehefa niaina alahelo lalina noho ny olona an-tapitrisany maty maneran-tany noho ny ady sy ny valanaretina ary koa noho ny nahafatesan’ireo tao amin’ny fianakaviany, dia nandray ilay fanambarana avy any an-danitra ny Filoha Smith, izay antsoina hoe “ny fahitana momba ny fanavotana ny maty.” …

Ilay fanambarana izay noraisiny tamin’ny 3 ôktôbra dia nankahery ny fony ary nitondra valiny ho an’ireo fanontaniana maro nananany. Isika koa dia afaka mahazo hery sy mianatra bebe kokoa mikasika ny hoavintsika manokana rehefa maty isika sy ireo olon-tiantsika ka mankany amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ny fandalinana io fanambarana io sy ny fandinihana ny lanjany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny fiainantsika isan’andro. (M. Russell Ballard, “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty,” Liahona, nôv. 2018, 72–73.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–4, ka tadiavo ireo fahamarinana izay nosaintsainin’ny Filoha Smith rehefa nandray io fahitana io izy.

  • Inona no manan-danja aminao momba ny zavatra izay nosaintsainin’ny Filoha Smith teo am-panaovany fandalinana?

  • Inona no fantatry ny Filoha Smith momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony?

    Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray tahaka izao manaraka izao: Azo vonjena ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsarany.

    Azonao atao ny mamintina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:5–10 amin’ny alalan’ny fizarana fa namaky ny 1 Petera 3–4 ny Filoha Smith rehefa nisaintsaina ny fanavotana ny maty izay nampanantenain’ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy. Azonao ampahafantarina fa ny 1 Petera 4:6 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Inona no fantatrao momba ny fomba nanaovan’i Jesoa Kristy ny famonjena ho afaka ny ho azon’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra?

Ny nisehoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy

Rehefa mandalina ilay fahitana ny mpianatra dia mety hanampy ny mampahafantatra fa ny Filoha Smith dia nahita ny Mpamonjy nitsidika ny tontolon’ny fanahy teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny tontolon’ny fanahy dia mizara ho paradisa sy tranomaizina. Raha ilaina dia azonao atao ny manazava fa ny tranomaizina ato amin’ity sahan-kevitra ity dia entina ilazana toerana tsy maharitra any amin’ny tontolon’ny fanahy ho an’ireo izay maty ka tsy nahalala ny fahamarinana (fa tsy fonja na efitrano figadrana). Ireo fanahy ao amin’io tranomaizina io koa dia ireo izay tsy nankatkò nandritra ny fiainana an-tany topics.ChurchofJesusChrist.org

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity mikasika ny asa famonjena ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Filoha Dallin H. Oaks

Ny asa famonjena ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia ny fanafahana ireo fanahy amin’ny zavatra izay faritan’ny soratra masina matetika hoe “fatorana.” Eo ambany karazana fatorana ny olona rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy. (Dallin H. Oaks, “Matokia ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 26)

Rehefa mandalina ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ianao dia tadiavo ny fomba maha-voafatotra ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra sy ny fomba hanafahana azy ireo amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotany.

Fomba iray handaminana ny kilasy ny fizarana ny mpianatra ho vondrona maromaro misy olona telo avy. Asao ny mpianatra handalina ny iray amin’ireto fizarana telo manaraka ireto. Aorian’ny fotoana hifanakalozana hevitra momba ireo fanontaniana nomena dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra nianarany amin’ny hafa ao amin’ny vondrona misy azy izay nandalina fizarana iray hafa.

sary famantarana ny fanofananaAmporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Raha te hahazo fampiofanana mikasika ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Hevero ny hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “Asao ny mpianatra hifampizara ny zavatra ianaran’izy ireo.”

  • Inona no hitanao?

  • Ahoana no fomba nandraisan’ireo fanahy ny filazantsaran’ny Mpamonjy nandritra ny fiainana an-tany?

  • Ahoana no naha-voafatotra ireo fanahy ireo? Ahoana no fomba nanafahan’ny Mpamonjy azy ireo?

  • Inona avy ireo fahafahana azo araraotina izay omen’ny Mpamonjy ireo fanahy ao amin’ny paradisa? Ao amin’ny tranomaizina?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny asany?

  1. Manafaka ireo fanahy ao amin’ny paradisa ny Mpamonjy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–19, 23–24, 50–52, ka tadiavo ny fomba nanafahan’ny Mpamonjy ireo fanahy ao amin’ny paradisa.

  1. Manafaka ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina ny Mpamonjy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–22, 29–37, 57–59, ka tadiavo ny fomba nanafahan’ny Mpamonjy ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina.

  1. Mandamina ny fitoriana ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–37, 57–59, ka tadiavo ny fomba nandaminan’ny Tompo ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo izay any amin’ny tranomaizina.

Mampiseho ny fahatakarana

Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho ny fahatakarany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 dia azon’ny mpianatra atao ny milalao an-tsehatra ilay rafi-tantara tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Ny mpianatra dia afaka mifandimby milalao ny anjara asan’i Julie ary manao fanazaran-tena amin’ny fomba hamaliana ny fanontaniany ho an’ireo ray aman-drenibeny tsirairay. Rehefa avy nomena fotoana ampy hanaovana fanazaran-tena ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra tsapany sy ny fomba hiantefan’ireo fampianarana ireo amin’izy ireo.

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny famonjena atolotr’ Izy ireo ho an’ny velona sy ny maty.