Lesona 150: Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra: Fanomanana ny lalana ho an’ny hafa
“Lesona 150: mpamaky lay any amin’ny tany rehetra: Fanomanana ny lalana ho an’ny hafa,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“mpamaky lay any amin’ny tany rehetra,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 150: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136
Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra
Fanomanana ny lalana ho an’ny hafa
Nanomboka tamin’ny 1847 ka hatramin’ny 1868, dia naneho finoana lehibe an’i Jesoa Kristy ireo mpamaky lay an’arivony rehefa nandeha tamin’ny sarety mitafoa sarety tarihin-tanana mba hiangona miaraka amin’ireo Olomasina tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Ankehitriny, ireo mpamaky lay manerana izao tontolo izao dia manohy maneho finoana lehibe rehefa miangona miaraka amin’ireo Olomasina na aiza na aiza misy azy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana ny ho mpamaky lay amin’ny alalan’ny fanomanana ny lalana ho an’ny hafa hanara-dia an’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
mpamaky lay
Ampifandraiso amin’ny zava-bitany ny olona tsirairay.
Olona
Zava-bita
Olona
1. Johnnes Gutenberg
Zava-bita
A. Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany tany Taiwan
Olona
2. Elizabeth Jackson
Zava-bita
B. Vehivavy voalohany nahazo ny loka Nobel, nomena noho ny fikarohana nataony momba ny radiation
Olona
3. Chen Lin Shu-liang
Zava-bita
D. Namorona ny milina fanontana pirinty
Olona
4. Edmund Hillary sy Tenzing Norgay
Zava-bita
E. Voalohany nihanika hatreny an-tampon’ny Tendrombohitra Everest
Olona
5. Marie Curie
Zava-bita
F. Nandeha sarety tarihin-tanana nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake
Inona no itovizan’ireo olona ireo?
Ahoana no nahafahan’ny zava-bitan’ireo mpamaky lay ireo nanomana lalana mba harahin’ny hafa?
Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy
Ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao momba an’i Jesoa Kristy:
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no mpamaky lay voalohany indrindra nanomanana ny lalana. Izy tokoa no “lalana” hahatanterahan’ny drafitry ny famonjena mba hahafahantsika mibebaka sy miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny finoana Azy. (M. Russell Ballard, “Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana,” Liahona, nôv. 2022, 35)
Vakio ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto: Jaona 13:15; 14:2–6; 2 Nefia 31:5–12; ary Môzià 16:7. Tadiavo ny fomba azo iheverana an’i Jesoa Kristy ho mpamaky lay.
Inona no hitanao?
Tamin’ny fomba ahoana no lasa fitahiana teo amin’ny fiainanao ny asa nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fanomanana lalana iray ho anao?
Mahatsiaro ho toy ny mamela ohatra tianao harahin’ny hafa ve ianao?
Inona no mampientanentana anao amin’izany maha-mpamaky lay izany? Inona no mampitebiteby anao?
Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao ho tonga mpamaky lay ho an’ny hafa raha ny fahatsapanao azy?
Asao mandritra ny ambin’ity lesona ity ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hampitombo ny fanirianao ho lasa mpamaky lay tahaka ny an’i Kristy mba harahin’ny hafa.
mpamaky lay nandeha sarety notarihin-tanana
Taorian’ny nandehanan’ny andiany maro nankany Salt Lake City tamin’ny sarety mitafo, izay matetika notarihin’omby, dia namporisika ny Olomasina hampiasa sarety tarihin-tanana i Brigham Young. Nisintona sarety tarihin-tanana ny mpamaky lay mba hahatonga ny dia tsy handany vola be loatra sy ho haingana kokoa. Tamin’ireo andiany mpifindra monina maherin’ny 350 dia 10 monja no nandeha tamin’ny sarety tarihin-tanana. Na dia tsy nanana olana lehibe aza ny ankamaroan’ireo andian-tsarety tarihin-tanana tamin’ny famitana ilay dia, dia voasakan’ny tafio-drivotry ny ririnina ireo andian-tsarety tarihin-tanana an’i Willie sy Martin teny an-dalana teny tamin’ny taona 1856. Maro no namoy ny ainy noho ny hanoanana sy ny hafanana tafahoatra. Ny ezaka fanavotana nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Utah dia nanome ireo fitaovana nilaina ary nanampy ireo mpandeha hamita ny dian’izy ireo, nanavotra aina maherin’ny 1 200 (jereo ny Church History Topics, “Handcart Companies,” ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics).
Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity tantara manaraka ity momba ny mpamaky lay iray nandeha sarety tarihin-tanana.
2:3
Nampihetsi-po ahy ny tantaran’i Elizabeth Jackson, izay namoy an’i Aaron vadiny izay maty taorian’ny niampitana ny Renirano Platte niaraka tamin’ny andian-tsarety tarihin-tanan-dry Martin. Nanoratra izy hoe:
“Tsy hivalampatra aho hitantara ny zavatra tsapako tamin’ny nahatonga ahy ho vady mananotena miaraka amin’ny zaza telo eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany. … Mino aho … fa ny fijaliako noho ny fitiavana ny filazantsara dia horaisina ho toy ny asa masina mba hahasoa ahy. …
“Izaho dia [niantso] ny Tompo, … Ilay nampanantena fa ho vadin’izay mananotena ary ho rain’izay tsy manan-dray. Niantso Azy aho ary tonga nanampy ahy Izy.”
Nilaza i Elizabeth fa nanoratra izany tantara izany amin’ny anaran’ireo izay niaina toe-javatra toy izany, ka manantena izy fa ireo taranaka hoavy dia ho vonona ny hijaly sy hahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Quentin L. Cook, “Mahatalanjona ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany!,” Liahona, mey 2011, 18)
Inona no nijoroan’i Elizabeth ho vavolombelona momba ny Tompo?
Inona no nantenainy fa hianaran’ny hafa avy amin’ny ohatra nasehony?
Ohatra ana mpamaky lay
Vitao ity sahanasa manaraka ity, ka tadiavo ny fomba ahafahan’ireo ohatry ny mpamaky lay manerana an’izao tontolo izao manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba ho mpamaky lay.
Vakio ny tantaran’ny mpamaky lay iray na maromaro.
Fantaro hoe ahoana no naha mpamaky lay azy ireo.
Mitadiava fomba nanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fomba ahafahan’ny ohatra tahaka ny an’i Kristy mitaona anao ho mpamaky lay ho an’ny hafa.