Seminera
Lesona 149: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: Ilay dia niankandrefana: Dian’ny Fanekempihavanana nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake


“Lesona 149—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: Ilay dia niankandrefana: Dian’ny Fanekempihavanana nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: Ilay dia niankandrefana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 149: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: Ilay dia niankandrefana

Dian’ny Fanekempihavanana nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake

vehivavy sy ankizy miasa eny an-tsaha

Tamin’ny volana febroary 1846 dia nandao an’i Nauvoo ny vondron’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany ary nandeha nankany amin’ny tany tsy fantatra tany Andrefana. Tao Winter Quarters, Nebraska, ny Filoha Brigham Young dia nandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136ankehitriny. Ao amin’io fanambarana io, ny Mpamonjy dia nampanantena ny hitahy ny Olomasina rehefa nitandrina tamim-pahatokiana ny fanekempihavanany tamin’ny diany niankandrefana izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fa hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa miezaka ny hitandrina ny fanekempihavanany hankatò ny didiny izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Dia lavitra sy sarotra

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia asehoy ny sarin’ny sarety iray voarakotra sy ny sarintany maneho ny lalan’ny mpamaky lay. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapany raha toa izy ireo ka manao dia lavitra tahaka ny an’ireo Olomasina tany am-boalohany. Azonao atao ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina tany am-boalohany mba hankatoavana ny didin’ny Tompo mba hanaovany ny dian’izy ireo miankandrefana.

sarety mitafo
sarintany maneho ilay dia niankandrefana

Olomasin’ny Andro Farany maherin’ny 60 000 no nandeha tamin’ny sarety mitafo na sarety tarihin-tanana avy any Nauvoo nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake teo anelanelan’ny taona 1846 sy 1868. Izay zavatra mety ho tafiditra tao anaty sarety mitafo iray na sarety tarihin-tanana iray ihany no nampirimin’ny fianakaviana. Navela daholo ny zavatra hafa rehetra. Tsy nitondra mpandeha ireo sarety raha tsy hoe narary na naratra izy ireo. Ny ankamaroan’ny fianakaviana dia tsy maintsy nandeha an-tongotra 1 900 km avy eo Nauvoo nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.

Ho fampitahana, dia hevero ny hampiseho ny sarintanin’ny faritra misy anao ary asio marika eo amin’ny 1 900 km miala eo.

  • Inona no fanahiana mety ho nanananao mikasika ity dia ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao haharitra izany karazana dia izany? Ahoana no ahafahanao manao asa amim-pinoana Azy mandritra ny dianao?

Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe ahoana no mety hitovian’ny diantsika manokana eo amin’ny fiainana amin’ny dian’ny mpamaky lay nataon’ny Olomasina niankandrefana. Mba hanatevenana ny valintenin’ny mpianatra dia zarao ity teny nambara manaraka avy amin’ny Filoha M. Russell Ballard ity:

Nampianatra toy izao ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha M. Russell Ballard

Na dia ilaina sy manan-danja aza ny mahatsiaro ny tantaran’ny diaben’ny mpisava lalana Môrmôna tamin’ny taonjato faha-19 dia mila tsaroantsika fa “mitohy ny diabe mitety ny fiainana!” mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika maneho ny “finoantsika manokana isaky ny mandingana.” …

Ny diabe miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra no diabe manan-danja indrindra amin’ny fiainantsika ary mitohy isan’andro, isan-kerinandro, ary isan-taona izany arakaraka ny hampitomboantsika ny finoantsika Azy sy i Jesoa Kristy Zanany Malala. …

Mijanòna eo amin’ny lalan’ny filazantsara amin’ny fananana “finoana isaky ny mandingana” mba hahafahanao miverina tsy misy tomika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo. (M. Russell Ballard, “Mbola mitohy ny diabe!,” Liahona,, nôv. 2017, 105–6).

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny fampianaran’ny Filoha Ballard?

Rehefa mandalina ianao anio, dia eritrereto ny fandehan’ny dianao eo amin’ny fiainanao. Ahoana no ahafahanao manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana no nahitanao ny fanampian’Izy Ireo nandritra ny dianao? Saintsaino ombam-bavaka ny fomba mety handrosoanao sy ny fahasahiranana mety hatrehinao.

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo ankehitriny ary mbola hanohizan’Izy Ireo mitahy azy ireo manokana mandritra ny diany.

Ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo

Azonao atao ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity mba hanomezana sahan-kevitra ara-tantara momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra hitady an’i Winter Quarters eo amin’ny sarintany.

Taorian’ny dia lavitra sy sarotra namakivakina an’i Iowa dia nitady fialofana vonjimaika tany amin’ny toerana iray izay nantsoiny hoe Winter Quarters tany Nebraska ny Olomasina. Noho izy ireo tsy niomana ny hijanona tao mandritra ny ririnina, dia niaritra hanoanana, aretina, ary fahafatesana ireo Olomasina, ka nisedra ny tanjany sy ny faharetany izany. Tao Winter Quarters tamin’ny Janoary 1847 no nahazoan’ny Filoha Brigham Young ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ankehitriny. Ao amin’io fanambarana io, ny Mpamonjy dia nanoro ny Olomasina ny fomba hiomanana sy hirosoana tamin’ny diany niankandrefana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–11, ka tadiavo ny zavatra nasain’ny Mpamonjy nataon’ny Olomasina rehefa nandeha niankandrefana izy ireo.

  • Inona no manan-danja aminao amin’ireo andininy ireo?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra. Raha toa ka manampy, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto: “Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ny Olomasina ao amin’ny andininy 2 sy 4 mikasika ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’izy ireo?” “Ahoana no tokony hifampikarakaran’ireo Olomasina sy ireo izay nanaraka azy ireo?” “Araka ny voalazan’ny andininy 11 dia inona no fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy raha toa ka manao sy mitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo ny Olomasina mandritra ilay dia?”

Ampio ny mpianatra hamantatra ilay fahamarinana hoe rehefa manaja ny fanekempihavanana nataontsika isika mba hitandrina ny didin’ny Tompo isika dia hitahy antsika amin’ny zava-drehetra Izy.

Vakio ny Môzià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, ka tadiavo izay fitoviana rehetra amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa sy amin’ny fanasan’ny Tompo.

Finoana isaky ny dingana atao

Ho an’ny ampahany manaraka amin’ny lesona, dia hevero ny handamina ireo mpianatra ho lasa “andiana mpamaky lay.” Azonao atao ny mandamina latabatra na seza ho boribory mba hahafahan’ireo andiany miara-mifanakalo hevitra momba ireo andinin-tsoratra masina sy fanontaniana. Afaka misafidy “kapiteny” ny andiany tsirairay mba hitatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra tsapany fa manan-danja avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–29 ary asio marika ireo didy nomen’ny Mpamonjy ny Olomasina rehefa nandeha niankandrefana izy ireo. Misafidiana didy vitsivitsy izay tena manan-danja aminao.

  • Nahoana ireo didy nofidianao no manan-danja ho an’ireo andiana mpamaky lay ka tokony harahiny?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fitandremana ireo didy ireo antsika?

  • Inona avy ireo fitahiana mety homen’ny Tompo antsika amin’ny fitandremana ireo didy ireo amin’izao fotoana izao?

Afaka mandalina ireto tantaran’ny mpamaky lay manaraka ireto ny mpianatra ary mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny andiany na miaraka amin’ny kilasy. Raha atao isaky ny andiany dia ataovy izay hahazoana antoka fa manana ny toromarika sy fanontaniana rehetra ilainy ny mpianatra ary fantatr’ireo mpitarika andiany fa hitatitra ny zava-nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitra izy ireo na afaka manome solontena avy amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny andiany mba hanao tatitra.

Nanao dia an’arivony kilaometatra tamim-pankatoavana ireo Olomasina “hankamin’ny toerana izay hampiorenan’ny Tompo ny tsatòkan’i Ziona.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:10). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo fomba nitahian’ny Tompo ireo mpamaky lay rehefa niezaka ny hitandrina ny fanekempihavanany hankatò ny Tompo izy ireo, dia azonao atao ny manao ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Asao ny mpianatra hisafidy ny tantara tiany indrindra momba ny diaben’ny mpamaky lay nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ary hizara izany amin’ny andiany misy azy ireo.

  • ChurchofJesusChrist.org

16:20

Lesona momba ny dian’ny mpamaky lay

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra azy ireo nandritra ny diany teo amin’ny fiainany rehefa nitandrina ny didiny izy ireo. Anontanio raha misy mpianatra te hizara ny zavatra niainany. Hevero ihany koa ny hizara ny traikefanao.

Asao ny mpianatra rehetra hanoratra ny zavatra nianarany androany izay azony zaraina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray. Ny mpianatra dia afaka mampiditra ny fomba ahafahan’ny tantaran’ireo mpamaky lay manampy antsika ho mahatoky amin’ny fanekempihavanantsika mba hitandrina ny didin’ny Tompo amin’izao fotoana izao sy ny fomba hitahian’ny Tompo antsika amin’ny ezaka ataontsika. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny fianakaviana na namana iray ivelan’ny kilasy.