“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136
Topimaso ankapobeny
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 dia nanambara ny nahafaty ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith ary nijoro ho vavolombelona momba ny fomba nitahian’ny Tompo antsika tamin’ny alalany. Taorian’ny nahafatesan’i Joseph dia tsy azon’ireo mpikamban’ny Fiangonana antoka hoe iza no hitarika azy ireo saingy nahafantatra izy ireo fa ny fanalahidin’ny fanjakana dia nohazonin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo teo ambany fitarihan’i Brigham Young. Nandeha niankandrefana tsikelikely nankany Salt Lake City ireo Olomasina. Tsy tambo isaina ireo mpamaky lay hafa manerana izao tontolo izao nanohy naneho finoana ny Tompo toy izany.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra momba ny zavatra mety hilainao omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy sy ny fomba nanampian’ny zavatra nataony azy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy. (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).
-
Sary haseho: Ny Mpaminany Joseph Smith
-
Horonan-tsary: “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?” (18:46; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 15:52 hatramin’ny 16:28)
-
Hira: Rakin-kiran’ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100)
Ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fatokian’izy ireo fa ny Tompo dia manohy mitarika ny asany na dia maty aza ny mpaminany iray.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hikaroka soratra masina sy teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary loharano hafa voatendrin’ Andriamanitra izay manampy azy ireo hahafantatra fa ny mpaminanin’ny Fiangonana dia mpanompo nofinidin’ny Tompo.
-
Taratasy zaraina: “Ny olona handimby an’ Joseph Smith”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa miezaka ny hitandrina ny fanekempihavanany mba hankatò ny didiny izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Mety ho nanana fahafahana maro hianatra momba ny fanekempihavanana avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo mpianatra. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fitahiana azony rehefa niezaka nanao sy nitandrina ny fanekempihavanany izy ireo mba hankatò ny didin’ny Tompo.
-
Zavatra haseho: Sarina sarety voarakotra; sarintany maneho ny lalan’ny mpamaky lay
-
Horonantsary: “Mbola mitohy ny diabe!” (13:30; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:14 hatramin’ny 11:02)
-
ChurchofJesusChrist.org
Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana ny ho mpamaky lay amin’ny alalan’ny fanomanana ny lalana ho an’ny hafa hanara-dia an’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hianatra momba ny razambe iray izay niditra ho ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary hisaintsaina ny fomba nitahian’ny fanapahan-kevitry ny razambeny azy ireo. Raha anisan’ireo voalohany ao amin’ny fianakaviany niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ireo mpianatra dia afaka misaintsaina ny antony nisafidianany ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy izy ireo amin’ny alalan’ny batisa sy ny fiantraikan’izany eo amin’ireo taranaka ho avy. Azonao atao avy eo ny manasa ireo mpianatra hizara ny tantarany amin’ny iray kilasy.
-
Sary haseho: Sarety tarihin-tanana
-
Horonantsary: “Mahatalanjona ireo Vehivavy Olomasin’ny Andro Farany!” (16:18; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:12 hatramin’ny 3:05)
-
Taratasy zaraina: “Mpamaky lay manerana izao tontolo izao”