Seminera
Lesona 146: Tombano ny fianaranao 9: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–134


“Lesona 146: Tombano ny fianaranao 9: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–134,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao 9,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 146: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

Tombano ny fianaranao 9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–134

Tempolin’i Salt Lake City

Mitaky ezaka tsy tapaka ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy kokoa ary dingana maharitra mandritra ny androm-piainana. Ny fanombantombanana tsy tapaka ny fivoarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hahita ny fivoarana izay ataontsika sy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handinika ny fomba nanampian’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hivoatra ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandrosoana miadana sy maharitra

Asehoy an’ny mpianatra ny sarin’ireo dingana samihafa tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Salt Lake. Anontanio ireo mpianatra raha fantatr’izy ireo hoe hafiriana no nilaina mba hamitana io tempoly io (40 taona). Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara raha tsapany fa mendrika ny fotoana sy ny ezaka natao tamin’izany ny famitana ny tempoly ary nahoana.

Fanorenana 1 ny tempolin’i Salt Lake City

Nahazoana lalana avy amin’ny Utah State Historical Society

Fanorenana 2 tao Salt Lake City
Fanorenana 3 tao Salt Lake City
Fanorenana 4 tao Salt Lake City

Ampio ireo mpianatra hampitaha ny fivoarany ara-panahy amin’ny fananganana ny tempoly. Fomba iray hanaovana izany dia ny fanasana azy ireo hieritreritra ny mety ho endriky ny asa nataon’ireo mpanorina rehefa niasa tamin’io tetikasa baharitra io izy ireo. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho tsapanao rehefa avy niasa nandritra ny 10 na 20 nanangana ny tempoly ianao no sady nahita ny asa rehetra izay mbola tokony hatao?

  • Raha anisan’ireo mpiasa ianao dia inona no mety ho nanosika anao hanohy hiasa?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no azo ampiharana ny traikefan’ireo mpiasa amin’ny ezaka ataontsika mba hitombo ara-panahy sy ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Makà fotoana hisaintsainana ny fiainanao sy ny zavatra nataonao mba hiezahana hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy. Eritrereto hoe hatraiza ny fivoaranao, na dia amin’ny fomba kely aza, mba hahatonga anao ho tahaka an’i Kristy kokoa.

  • Na dia lava aza izany dingana izany dia inona no ianaranao mikasika ny lanjan’ny fiezahana ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy isan’andro?

Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy ny fahatsapany ny halehiben’ny fivoarany tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay. Mba hanampiana ny mpianatra hizara dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny zavatra nianarany vao haingana avy tamin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hijery ny ao amin’ny diarin’izy ireo na hijery ny zavatra nomarihiny tao amin’ny soratra masiny vao haingana.

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manome fahafahana ny mpianatra hanazava ny zavatra ianarany, hanombantombana sy hizara ny zavatra tsapany, ary hanao tatitra momba ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara. Raha nifantoka tamin’ny fahamarinana hafa noho ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto ny fandalinana nataon’ny kilasinao momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–134, dia azonao atao ny manamboatra ireo sahanasa ireo mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Hazavao ny maha-zava-dehibe ny batisa ho an’ny maty

Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanazava ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty, dia asehoy ity sary manaraka ity izay ahitana toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly ary mampidira rafi-tantara tahaka ity eto ambany ity.

dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

Mampientanentana an’i Kanto sy ireo namany izany ho any amin’ny tempoly izany. Tsikaritry ny namana iray izay tsy mahafantatra ny tempoly ny fientanentanan’izy ireo ary taty aoriana iy dia nanontany an’i Kanto ny zavatra ataony any amin’ny tempoly. Nijery sarina dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly tamin’ny findainy i Kanto ary nanomboka nanazava momba ny batisa ho an’ny maty.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra holazainy raha toa ka asaina manazava amin’ny namana iray ny batisa ho an’ny maty izy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra izany tsiroaroa na anatina vondrona kely maromaro.

Rehefa avy nanana fahafahana hilalao an-tsehatra izany ireo mpianatra dia asao izy ireo hamerina hijery ny zavatra nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124, 127, sy ny 128 mba hahitana raha misy zavatra tiany anampiana ny fanazavana omeny. Azonao atao ny manasa hiara-hijery izany ao anaty vondrona miaraka amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao an-tsaina.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany azon’i Kanto zaraina mba hanampiana ny namany hahatakatra ny maha isan’ny ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra io ôrdônansy masina io?

  • Azon’i Kanto ampiana hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy ilay namany?

Rehefa avy nandinika sy nifanakalo hevitra momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty ny mpianatra dia azonao atao ny manome azy ireo fahafahana hafa hilalao an-tsehatra ilay sahan-kevitra ary hampiditra ny zavatra nianarany ao anatin’izany.

Mandraisa anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana

Ity sahanasa ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hizara ny fomba nandraisany anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Azonao atao aloha ny manampy ny mpianatra hahatsiaro ny sasany amin’ireo fitahiana lehibe mifandray amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fizarana ity teny manaraka ity.

Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Filoha Henry B. Eyring

Tanora maro no nahita fa ny fanolorana ny fotoanany hanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia nampitombo ny fijoroany ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena. Nampitombo ny fitaoman’ny Fanahy teo amin’ny fiainan’izy ireo izany ary nampihena ny fitaoman’ny fahavalo. Nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny fianakaviany sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo izany. Nianaran’izy ireo fa tsy mamonjy ny maty fotsiny io asa io, fa mamonjy antsika rehetra ihany koa (jereo ny F&F 128:18). (Henry B. Eyring, “Manangona ny fianakavian’Andriamanitrana,” Liahona, mey 2017, 22)

  • Inona avy ireo fitahiana hitanao rehefa nandray anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana ianao?

Mety ho nasaina ny mpinatra ao amin’ireo lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128 mba hanao drafitra handray anjara amin’ity asa ity amin’ny fomba vitsivitsy. Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsaina ny drafitr’izy ireo ary amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nataony.

Raha ilaina dia azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ny sasany amin’ireo fomba azon’izy ireo safidiana mba handraisany anjara. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo sahanasa samihafa ao amin’ny FamilySearch.org ao amin’ny application Arbre familial. Asao ny mpianatra hamariparitra na, raha azo atao, mba hampiseho amin’ny iray kilasy ny zavatra nataony na nianarany. Mety ho nandeha tany amin’ny tempoly ireo mpianatra mba handray anjara amin’ireo ôrdônansy masina ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry. Asao izy ireo hizara ny fahatsapany mikasika io zavatra niainany io.

Mahatsapa ho matoky an’ Andriamanitra kokoa mandritra ny fitsapana

Mety ho nampiasa vato marokoroko sy malama ianao ho toy ny lesona azo tsapain-tanana rehefa nampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122. Raha izany no izy, dia asehoy indray izy ireny. Ireo vato ireo dia afaka mampahatsiahy ny mpianatra ny zavatra nianarany ary mamela ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fahatsapany mikasika ny tanjon’ny fitsapana sy ny fatokiana an’ Andriamanitra rehefa miaina izany isika. Raha heverinao fa mety hanampy izany, dia hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra ny sasany amin’ireo lesona mikasika ity lohahevitra ity. Mety ho nianatra momba ireo fitsapana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98, 101, 105, 111, 121–123, ary ireo fizarana hafa ireo mpianatra. Mety ho tadidin’ny mpianatra ihany koa ireo lesona manan-danja mikasika ny fatokiana an’ Andriamanitra avy amin’ny lesona momba ny fandroahana ny Olomasina tao Missouri.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery izay andinin-tsoratra masina manampy sy hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo zavatra nianaranao anao hanana fahatsapana hafa momba ireo fitsapana lalovanao?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa niaina fotoan-tsarotra ianao?

Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diariny ny fahatsapany mikasika ny fomba nanohanan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo tao anatin’ny fitsapana nolalovany. Asao izy ireo hieritreritra hoe niova toy ny ahoana ny finoany an’i Jesoa Kristy noho ny zavatra nianarany sy niainany. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra izay mahazo aina amin’ny fanaovana izany mba hizara ny zavatra nosoratany. Omeo fahafahana izy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny fanampiana avy amin’ Andriamanitra izay azon’izy ireo.