Seminera
Lesona 143: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–40: Miomana hihaona amin’ny Mpamonjy


“Lesona 143: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–40: Miomana hihaona amin’ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–40,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 143: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–40

Miomana hihaona amin’ny Mpamonjy

Tamin’ny Novambra 1831, dia naniry ny hahafantatra bebe kokoa momba ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanangonana an’i Isiraely ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 dia mamaritra ireo zava-nitranga izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fomba ahafahan’ny Olomasiny miomana amin’ireo trangan-javatra ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany

Sary noforonina tamin’ny alalan’ny IA

Sahanasa fianarana azo atao

Fotoana hiomanana

Asao hilaza tsy an-kijery ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–11 ny mpianatra (fa tsy mampiasa ny soratra masin’izy ireo ary tsy omena fotoana hiomanana). Azonao atao ny miantso an’ity sahanasa ity hoe fitsapam-pahaizana tsy nampoizina. Dia apetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity avy eo.

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny vokatra azo raha fantatrao andro vitsivitsy na herinandro maromaro mialoha io fitsapam-pahaizana io?

Azonao omena 2 ka hatramin’ny 3 minitra ny mpianatra mba hiomanana hamerina indray ilay fitsapam-pahaizana. Avy eo dia jereo ny fomba hivoaran’ny fahaizan’izy ireo manao tsianjery ilay andian-teny.

Asao ny mpianatra hampitaha ity sahanasa ity amin’ny fomba hiovan’ny zavatra iainantsika rehefa miezaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika. Asao izy ireo hisaintsaina na hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no tsapanao mikasika ny fihaonana amin’ny Mpamonjy rehefa miverina indray Izy?

  • Manao ahoana ny fahavononanao amin’ny fiverenany? (Inona no tena mampientanentana anao? Inona no mampanahy anao momba izany andro izany?)

Amporisiho ny mpianatra rehefa manao fandalinana androany mba hikatsaka ny bitsiky ny Fanahy mikasika ny fomba hiomanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.

Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Afaka mamaky na mamintina ilay andiam-pehezanteny ianao na ny mpianatra iray izay manolo-tena.

Tamin’ny nôvambra 1831 dia maro ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana no naniry hahafantatra bebe kokoa momba ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanangonana an’i Isiraely. Nomen’i Jesoa Kristy ity fanambarana ity ho valin’ireo faniriana marina ireo. Lasa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 ankehitriny io fanambarana io, ary navoaka voalohany ho toy ny tovana ho an’ny Bokin’ireo Didy. Voaray roa andro taorian’ny fizarana 1 izany, izay fantatra tany am-boalohany tamin’ny anarana hoe “sasin-tenin’ny Tompo.”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–4, 10–11, ka tadiavo ny zavatra nambaran’ny Mpamonjy momba ny fiverenany eto an-tany.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no ianaranao avy amin’ny andininy 4 mikasika ny fanirian’ny Mpamonjy ho antsika?

    Rehefa mizara ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Manasa antsika hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy.

  • Inona araka ny eritreritrao ny sasany amin’ireo fomba manan-danja indrindra hiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Fiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’izy ireo miomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany dia azonao atao ny manampy “amin’ny alalan’ny…” eo amin’ny faran’ilay fahamarinana natao sora-matevina eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra handalina ireto andininy manaraka ireto ao anatina vondrona kely maromaro. Dia angataho izy ireo avy eo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba nanasan’ny Mpamonjy antsika mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:5–16, 36–40, 62, ka tadiavo ireo teny sy andian-teny izay hanampy antsika hiomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hizara hevitra momba ny fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao ireo vondrona mba hisafidy ny iray amin’ireo hevitra fanomanana eny amin’ny solaitrabe, na omeo lohahevitra iray ny vondrona tsirairay mba hiasana. Afaka manomana famelabelarana ny mpianatra mba hampianarana ny hafa ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Hevero ny hanome takelaka fasiana afisy na taratasy maromaro sy marker miloko maromaro mba hanampiana ireo mpianatra hamorona ny famelabelarana hataony. Amporisiho izy ireo hampiasa ny application Mediathèque de l’Évangile, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary ireo loharanom-pitaovana hafa mba hanampiana azy ireo hiomana. Ny famelabelarana tsirairay dia mety hahitana ireto singa ireto:

  • Ny fanambarana fahamarinana izay nofidin’ny vondrona na nasaina niandraiketany

  • Hevitra manokana mikasika ny fomba ahafahan’ny zatovo mampihatra ny zavatra nianarany mba hiomanana kokoa hihaona amin’ny Mpamonjy

  • Soratra masina mifandray, teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na andalana avy ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy momba ilay lohahevitra

  • Sary natao, peta-drindrina, meme, na fanehoana zavatra hafa azon’ny maso jerena izay afaka manampy olona iray hahatakatra ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany

sary famantarana ny taratasy zarainaRaha mila fitarihana fanampiny ny mpianatra dia azonao atao ny manome fizarana iray amin’ity taratasy zaraina manaraka ity ho an’ireo vondrona izay mifanandrify amin’ny lohahevitra sahanin’izy ireo.

Manasa antsika hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny …

… fialana ao Babylona (faharatsiana) (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 7, 12–14).

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Amin’izao fotoana izao dia sisan’ny tanàna fahagola i Babylona. Efa very hatry ny ela ny fanjelanjelany. Fa ny rehak’izao tontolo izao sy ny faharatsiana tao Babylona dia mbola mitoetra anefa. Ankehitriny dia andraikintsika ny mijoro ho mpino ao anatin’ny tontolo ahitana tsy mpino maro. … Mila mitoetra ao anatin’ny fahatoniana isika manoloana ny faneriterena ataon’ny hafa, tsy vaohelingelin’ireo firehana malaza na mpaminany sandoka, tsy miraharaha ny fanesoesoan’ny ratsy fanahy, manohitra ny fakam-panahin’ilay ratsy, ary mandresy ny hakamoantsika manokana. (Dieter F. Uchtdorf, “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany,” Liahona, nôv. 2015, 77–78)

… fanangonana an’i Isiraely (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4, 7–9, 37–38).

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Filoha Russell M. Nelson

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona—amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy. (Russell M. Nelson, ao amin’ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

… fibebahana sy fanamasinana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:5, 16, 34–35, 62).

Rahavavy Carol F. McConkie, Mpanolotsaina voalohany teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nanazava hoe:

Rahavavy Carol F. McConkie

Afaka ny ho lasa madio tsy misy pentina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika rehefa lavintsika amin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra ary mibebaka marina isika. Atao batisa amin’ny rano isika ho famelana ny fahotana. Hamasinina ny fanahintsika rehefa mandray ny Fanahy Masina amin’ny fo manontolo isika. Isan-kerinandro dia mandray ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika. Manao fanekena ao anatin’ny toe-panahy vonona ny hibebaka omban’ny fanirina amin-kintsim-po hanao ny marina isika fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy, ny hahatsiaro azy, ary ny hitandrina ny didiny mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. (Carol F. McConkie, “Ny hatsaran’ny fahamasinana,” Liahona, mey 2017, 10)

Asao ny vondrona tsirairay hizara ny famelabelarana nomaniny amin’ny hafa. Makà antoka fa mizara ny heviny momba ny fomba ahafahan’ny zatovo mampihatra ny zavatra nianarany ny mpianatra mandritra ny famelabelarana ataony.

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanasa antsika handinika ny zavatra hataontsika anio raha toa ka fantatsika ny fotoana marina amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Filoha Dallin H. Oaks

Ahoana raha toa ka rahampitso ny andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, dia inona no hataontsika androany? Inona ireo fibabohana hataontsika? Inona ireo fomba fanao izay tokony hajanontsika? Inona avy ireo fifandirana na olana izay tokony alamintsika? Inona avy ireo famelan-keloka hataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?

Raha tsy maintsy hataontsika ihany izany dia nahoana no tsy atao izao ankehitriny izao? Nahoana no tsy hikasaka fiadanana dieny mbola afaka mahazo fiadanana? (Dallin H. Oaks, “Fiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Liahona, mey 2004, 9)

Soraty avy amin’ny fanasana nataon’ny Filoha Oaks sy ny zavatra nohalalininao androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao fa asain’ny Fanahy ataonao mba hiomanana bebe kokoa hihaona amin’ny Mpamonjy. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo sakana izay mety hanelingelina amin’ny zavatra nobitsihin’ny Fanahy taminao fa tokony hataonao?

  • Inona no asa mety hanampy anao handresy ireo sakana atrehinao? Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny Mpamonjy?

  • Inona no tsapanao androany mikasika ireo tombontsoa azo avy amin’ny fiomanana amin’izao fotoana izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Raha mety dia azon’ireo mpianatra atao ny mizara ny zavatra izay nitaoman’ny Fanahy azy ireo mba hataony mba hiomanana ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fampahatsiahivana ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry antsika hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany sy hahita izany ho toy ny andro mahafaly.