“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134
Topimaso ankapobeny
Nanambara ireo trangan-javatra izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany sy ny fomba hahafahan’ireo Olomasina miomana amin’ireo trangan-javatra ireo ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133; Nanambara misimisy kokoa momba ireo toetoetrany koa izy. Nofintinin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo zavatra inoan’ny Fiangonana momba ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–40
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky sy hisaintsaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–11 sy hieritreritra momba ny fahavononan’izy ireo hihaona amin’ny Mpamonjy rehefa tonga eto an-tany indray Izy.
-
Fitaovana: Takelaka kely fametahana afisy na taratasy hafa ho an’ny mpianatra tsirairay; feutre na pensilihazo miloko
-
Taratasy zaraina: “Manasa antsika hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny …”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–56
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo toetra tsara sy toetoetran’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady sary iray maneho ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Amporisiho izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny fianakaviana na ny naman’izy ireo momba ireo toetran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ilay hosodoko.
-
Sary haseho: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
-
Fitaovana: Tapa-taratasy kely hozaraina amin’ireo vondrona mpianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fankatoavana ireo lalàm-panjakana any amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanandrana hianatra ireo fitsipika ao amin’ny fanjakana misy azy ireo momba ny fanarahana antokom-pivavahana. Afaka mangataka fanampiana amin’ny ray aman-dreny na olon-dehibe iray azony itokisana ny mpianatra rehefa hianatra momba izany.
-
Horonan-tsary: “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” (15:01; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 3:16)
-
Taratasy zaraina: “Mino ny fankatoavana ireo lalàn’ny fitondram-panjakana ao amin’ny toerana ipetrahantsika isika”; “Mino ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fieritreretana malalaka isika”
Tombano ny fianaranao 9
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hivoatra ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba nivoaran’ny ny fahalalan’izy ireo ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba izany sy ny naha-lalim-paha izany tao anatin’ny herintaona na roa taona lasa. Afaka mieritreritra izay tsapany fa nitondra fiovana lehibe indrindra tamin’ny fivoaran’izy ireo ara-panahy ihany koa izy ireo.
-
Sary haseho: Dingana samihafa narahina tamin’ny fanamboarana ny Tempolin’i Salt Lake; dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly
-
Votoatiny haseho: Vato maranindranitra sy malamalama na sarina vato maranindranitra sy malamalama