“Lesona 144: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–56: -Iza ity midina avy amin’ Andriamanitra … ity?,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–56,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 144: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134
“Iza ity midina avy amin’Andriamanitra … ity?”
Rehefa miverina i Jesoa Kristy dia ho vonona handray Azy ny mahatoky (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:56 ). Ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 dia afaka manampy antsika hianatra kokoa momba Azy sy hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ireo toetra tsara sy toetoetran’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany
Hevero ny hampiseho sary maneho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Azon’ny mpianatra atao koa ny mamaritra, na raha azo atao, ny mampiseho ireo sary tiany indrindra mikasika ny Fiaviany Fanindroany.
Saintsaino ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity sady alaovy sary an-tsaina ihany hoe hanao ahoana izany Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izany.
15:32
Mitombo ny finoantsika rehefa miandrandra ilay andro be voninahitra hiverenan’ny Mpamonjy eto an-tany isika. Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny velarana sy ny fahalehibiazana, ary ny hakantony, dia hihoatra noho izay rehetra fahitan’ny maso mety maty na niainana. (Neil L. Andersen, “Ho Tonga anie ny Fanjakanao ,” Liahona , mey 2015, 122)
Inona ireo teny na andian-teny nanan-danja taminao? Inona no teny fanampiny mety hampiasainao hamaritana ny Fiaviana Fanindroany?
Hazavao amin’ny mpianatra fa taorian’ny nanasan’i Jesoa Kristy antsika hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:10 ), dia nanambara misimisy kokoa momba ireo toetoetrany sy ny toetra tsara ananany Izy. Nizara ireo zavatra izay hiseho amin’ny fotoana hahatongavany Izy sy mandritra ireo trangan-javatra izay hialoha izany.
Azonao atao avy eo ny mampiseho tsirairay ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hieritreritra mangina ny valinteniny.
Rehefa mieritreritra ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany aho, moa ve aho mazàna mifantoka kokoa amin’ireo zavatra hitranga sa amin’ny hoe iza no hiverina eto an-tany?
Inona no mety hiova raha mifantoka kokoa amin’i Jesoa Kristy aho mihoatra ireo zavatra hitranga manodidina ny fiverenany?
Asao ny mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiaviany Fanindroany mandritra ny fandalinany androany.
Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra kokoa momba ny zavatra hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroany sy momba ny hoe iza no hiverina dia asao izy ireo handika ity tabilao manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany. Afaka miara-miasa tsiroaroa ireo mpianatra, ary mameno tsanganana samy hafa ny mpiara-miasa tsirairay. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpiara-miasa dia afaka mifampizara ny zavatra hitany izy ireo ary mameno ilay tsanganana hafa.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:42–53 , ary raketo ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ny zavatra hitanao.
Ny zavatra hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroany
Ny zavatra ianarako momba an’i Jesoa Kristy
Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ilay andian-teny hoe “zavatra mahatahotra;” ao amin’ny andininy 43 ny mpianatra dia hazavao fa ny hoe mahatahotra dia mety hidika hoe henjana. Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fitafian’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 46–48 ny mpianatra, dia zarao ny zavatra nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: Amin’ny Fiaviana Fanindroany, i Jesoa dia hanao “akanjo mena midorehitra mba hanehoana ny rany izay mikoriana avy amin’ny mason-koditra rehetra” (“Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany ,” Ensign , apr. 2020, 10).
Ireo toetra tsara ananan’ny Mpamonjy
Rehefa avy mizara amin’ny mpiara-miasa aminy ny zavatra nampidiriny tao amin’ny tabilaony ny mpianatra dia soraty ny hoe “I Jesoa Kristy … ” eny amin’ny solaitrabe. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity ary asao ny mpianatra mba ho eny amin’ny solaitrabe ka hamita ilay andian-teny amin’ny valintenin’izy ireo.
Mifantoha amin’i Jesoa Kristy rehefa mampianatra ny soratra masina ianao: Raha te hianatra kokoa momba ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany ,” hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy . Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao “famoronana fanontaniana mampikaroka iray izay manampy ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ny anarana fiantsoana Azy, ny fanehoana Azy an’ohatra, ny toetra nananany, na ny toetoetrany.”
Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay manan-danja indrindra aminao? Nahoana izany no manan-danja aminao?
Mety hahita fahamarinana maromaro toy izao manaraka izao ireo mpianatra:
I Jesoa Kristy …
… dia marina sy mahery (jereo ny andininy 44–45, 50–51 ).
… dia mamaly soa ireo izay miandry Azy (jereo ny andininy 45 ).
… dia mahery ka mahavonjy (jereo ny andininy 47 ).
… dia maneho halemem-panahy sy hatsaram-po (jereo ny andininy 52 ).
… dia mahafantatra ny fijaliantsika (jereo ny andininy 53 ).
… dia mitondra ny enta-mavesatsika sy mitondra antsika ary manavotra antsika satria tiany isika (jereo ny andininy 53 ).
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny soratra masiny izay mampianatra ireo fahamarinana ireo.
Inona no tombontsoa azonao eo amin’ny fiainanao noho ny fahatakarana ireo toetran’i Jesoa Kristy sy ny toetoetrany?
Manova ny fahatsapanao momba ny Fiaviany Fanindroany amin’ny fomba ahoana ireo famariparitana an’i Kristy ireo?
Mampitombo ny fahatakarantsika ny toetpetran’ny Mpamonjy
Ity sahanasa atao manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny momba ny Mpamonjy. Asehoy ireto dingana telo manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay sahanasa.
Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ilay sahanasa dia azonao atao ny manome azy ireo ohatra tahaka ilay iray voalaza etsy ambany amin’ireo dingana telo.
Misafidiana toetra na toetoetra nananan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 izay tianao hianarana kokoa. Soraty eo an-tampon’ny taratasy iray tsy misy na inona na inona izany.
Soraty eo amin’ny taratasinao ny rafi-tantara iray mamaritra olona iray izay afaka mandray tombontsoa avy amin’ny fahatakarana io toetoetran’i Jesoa Kristy io.
Asio soratra masina na teny nambarana mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mampitombo ny fahatakaranao ilay toetoetra ao amin’ny taratasinao. (Mba hahazoana fanampiana dia azonao atao ny mijery ilay toetra tsara ananana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na mikaroka izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.)
Volavolao miaraka amin’ny mpianatra ny dingana tsirairay amin’io sahanasa io amin’ny alalan’ny fampiasana hevitra tahaka ireto manaraka ireto:
Dingana 1: Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe marina sy mahery na asio faribolana izany raha toa ka nosoratana nandritra ny sahanasa natao teo aloha.
Dingana 2: Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity. Angataho ny mpianatra hizara ny antony mety hahatsapan’ny zatovo sasany ny tenany ho toa an’i Andry. Manome fanantenana ho an’ny olona iray izay manana fahatsapana toy izany amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa marina sy mahery i Jesoa.
Miezaka ny hanao izay tsara indrindra azony atao i Andry mba hanao ny tsara, saingy sarotra izany noho ny faharatsiana be dia be eto amin’izao tontolo izao. Tsapany ho toa mitady handresy ny ratsy. Leo ny fanenjehana sy ny fakam-panahy manodidina azy izy.
Dingana 3: Soraty eny amin’ny solaitrabe ny 1 Nefia 22:15–17 . Asao ny mpianatra hamaky izany ary hitady ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny hery sy ny fahamarinan’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:
Asao ireo vondrona hamerina ireo taratasy any amin’ireo vondrona niavian’izany voalohany ary hamaky ny zavatra fanampiny napidirina tao amin’ny taratasin’izy ireo. Asao ny mpikambana iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba hizara amin’ny mpianatra ny hevi-baovao momba an’i Jesoa Kristy izay azon’izy ireo avy amin’ity sahanasa ity.
Ireo toetran’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao
Hevero ny mizara toetoetra iray mampiavaka an’i Jesoa Kristy izay manan-danja aminao.
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka ireo toetoetra izay nohalalininy androany ary hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny toetoetran’i Kristy izay nianaranao androany mba hampatanjaka anao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?
Inona no azonao atao mba hianarana kokoa ireo toetoetra ireo?
Ho famaranana dia afaka mizara ny zavatra nosoratany miaraka amin’ireo fahatsapana hafa ananany momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra vitsivitsy izay vonona.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2018) ho an’ny institiota dia manome fanazavana azo heverina momba ny sasany amin’ireo sary ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–45 (jereo ny pejy 819 ).
Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Tokony hahafantatra ireo famantarana sy hamaky ny hevitra fonosin’ireo vanim-potoana isika, tokony hiaina amim-pahatokiana araka izay azontsika atao isika, ary tokony hizara ny filazantsara amin’ny olona rehetra isika mba hahafahan’ny rehetra mahazo ireo fitahiana sy fiarovana. Saingy tsy afaka ary tsy tokony ho tsy afaka mihetsika isika satria fotsiny hoe [ny Fiaviana Fanindroany] sy ny zava-mitranga manodidina azy dia efa miandry antsika any ho any. Tsy afaka mijanona miaina isika. Mazava ho azy fa tokony hiaina feno kokoa ny fiainanantsika isika raha oharina amin’izay niainantsika teo aloha isika. Izany rahateo no fitantanana ny fotoam-pahafenoana . …
Miandrandra anao hanana finoana sy fahapahan-kevitra ampy ary fahatokisana ampy Aminy Andriamanitra mba hirosoanao sy hiainanao ary hifalianao hatrany. Raha ny marina, dia tsy vitan’ny hoe miandrandra anao fotsiny ihany Izy mba hiatrika ny ho avy (izay toa tena mampalahelo sy tsy miraharaha). Miandrandra anao ny hanaiky ary hanefy ny ho avy Izy—mba hitia izany sy hifaly amin’izanyary hankamamy ireo fahafahana azontsika araraotina ao anatin’izany (Jeffrey R. Holland, “Terror, Triumph, and a Wedding Feast ” [Takariva amorom-patana nataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ireo tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, sept. 12, 2004], 2, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org )
Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
2:3
Noho Izy nivoa-dra tamin’ny mason-kodiny rehetra, dia tsy maintsy hoe mena dia mena ny fitafiny [Mpamonjy] tao Getsemane, mena toy ny jaky izany lambany izany!
Tsy mahagaga, raha hanao akanjo mena ho fampahatsiahivana izany i Kristy (jereo ny F&F&133:48 ) rehefa ho avy amim-boninahitra sy amin-kery Izy, izay tsy entina hilazana fotsiny ihany ilay hevitra hoe famiazam-boaloboka amin’ny fahatezerana fa mampahatsiahy antsika koa ny fijaliana izay niaretany ho antsika tsirairay tao Getsemane sy tao Kalvary! (Neal A. Maxwell, “Overcome … Even as I Also Overcame ,” Ensign , May 1987, 72)
Ireo olo-marina izay niaina talohan’ny fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany sy efa nitsangana tamin’ny maty no hiaraka Aminy ao amin’ny voninahiny. Ankoatra izany, ireo olo-marina izay niaina sy maty taorian’ny asa fanompoany teto an-tany dia hitsangana amin’ny maty ary hivoaka mba hiaraka amin’ny Mpamonjy. Tafiditra ao anatin’izany ireo olo-marina ao amin’ny fianakaviantsika izay efa maty. Ireo olo-marina izay mbola velona eto an-tany dia “hakarina” hihaona amin’ny Mpamonjy (1 Tesaloniana 4:17 ; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:75 ).
Asao ny mpianatra hijery ny “Filaharan’ny votoatiny araka ny vanim-potoana ” any amin’ny fiandohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ampio izy ireo hamantatra hoe inona no mampiavaka ny toerana nametrahana ny fizarana 1 sy 133 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Hazavao fa rehefa niomana ny hamoaka ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, izay fantatra tamin’ny anarana hoe Bokin’ireo didy tamin’ny voalohany, dia nanambara ny fizarana 1 izay sasin-tenin’ilay boky amin’izao fotoana izao ny Tompo. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanambara ilay fantatra ankehitriny amin’ny hoe fizarana 133 Izy. Nantsoin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana hoe tovana izany ary napetrany teo amin’ny faran’ilay boky tany am-boalohany.
Mba hamantarana ny sasany amin’ireo fitoviana eo amin’ny fizarana 1 sy 133 , dia afaka miara-miasa tsiroaroa ny mpianatra. Omeo ny iray amin’ireo toko sy andininy ho an’ny lohahevitra tsirairay etsy ambany ny mpiara-miasa tsirairay. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny toko sy andininy nomena azy, mizara amin’ny namany ny zavatra nianarany ary mifanakalo hevitra momba ny fitoviana tamin’ny zavatra hitany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11–13 sy 133:10, 64 : Nampitandremana isika mba hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14 sy 133:63 : Hoesorina hiala ireo izay mandà ny hafatry ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:18–23 sy 133:57–59 : Ireo malemy eto an-tany no ho iraky ny Tompo hizara ny filazantsara. Hampatanjaka azy ireo Izy.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa momba ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52 ), dia hevero ny hizara ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.
2:3
Tena manaitra ny fitohizan’ireo fiangaviana avy amin’ny mpaminany mba hisaintsainana ny hatsaran’ Andriamanitra. Tian’ny Raintsika any An-danitra hahatsiaro ny hatsaram-pony sy ny hatsaram-pon’ny Zanaka Malalany isika, tsy noho ny fanomezam-boninahitra Azy Ireo fa noho ny fiantraikan’izany fahatsiarovana izany eo amintsika. Mivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika rehefa misaintsaina ny hatsaram-panahin’Izy Ireo. Lasa manetry tena kokoa, mivavaka kokoa, mazoto kokoa isika rehefa misaintsaina ny famindram-pon’Izy ireo. (Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2020, 41)
Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra ” manomboka amin’ny kaodim-potoana 1:23 hatramin’ny 5:43, ka tadiavo ny fomba nahazoan’i Tom soa avy tamin’ny hatsaram-pon’ny zafikeliny. Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fisaintsainana ny hatsaram-pon’i Kristy mitondra tombontsoa sy manova azy ireo.
2:3
Toetran’i Jesoa Kristy ny halemem-panahy (jereo ny andininy 52 ). Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny atao hoe halemem-panahy sy ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny hafa, dia jereo ny “Fitiavana—fitsipika fototry ny Filazantsara ” manomboka amin’ny kaodim-potoana 3:18 hatramin’ny 6:01.
15:52
Azonao atao avy eo ny mifanakalo hevitra momba ny valin’ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Ahoana no ahafahan’ny hatsaram-panahin’i Bernice tamin’i Arlene ho ohatra amin’ny halemem-panahy tahaka ny an’i Kristy?
Inona no fitahiana azon’i Arlene noho ny halemem-panahin’i Bernice?
Ahoana no nitahiana anao tamin’ny halemem-panahin’ny Mpamonjy?