Seminera
Lesona 145: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134: Filazana mikasika ny fitondram-panjakana


“Lesona 145: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134: Filazana mikasika ny fitondram-panjakana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 145: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134

Filazana mikasika ny fitondram-panjakana

rahavavy eo anoloan’ny trano Fiangonana iray

Ho setrin’ny fanenjehana sy ny fiampangana momba ny finoan’ny Fiangonana dia nanoratra taratasy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hanazavana ny fomba foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fankatoavana ireo lalàm-panjakana any amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny zavatra niainan’ny Filoha Nelson niaraka tamin’ny mpanjaka iray

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity ary hamaky ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson etsy ambany. Na azonao aseho ny horonan-tsary “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 3:16. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org io horonan-tsary io.

2:3

Tamin’ny 1986, ny Filoha Russell M. Nelson dia vahiny mpandahateny tao amin’ny oniversite iray tany Accra, Ghana. Taorian’ny lahatenin’ny Filoha Nelson dia nisy mpanjakan’ny foko iray nanatona azy ary nametraka fanontaniana momba an’i Jesoa Kristy. Nizara hevitra avy amin’ny 3 Nefia izay nanan-danja tokoa tamin’ilay mpanjaka ny Filoha Nelson.

Filoha Russell M. Nelson

Rehefa avy nahatsapa ny herin’ny tenin’ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia ilay mpanjaka, dia nanambara hoe: “Raha miova fo sy miditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho dia hoentiko miaraka amiko ny fokoko iray manontolo.” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahôna, nôv. 2017, 61)

Alohan’ny hizarana ity valinteny manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity, dia miatoa kely mba hanontany ireo mpianatra ny mety ho fihetsiny raha toa ka misiônera teo anivon’ny vahoakan’io mpanjaka io izy ireo ary nandre azy niteny izany.

Namaly ny Filoha Nelson hoe “Ry mpanjaka ô, … tsy tahaka izany anie no fandehany e” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61).

  • Inona no fantatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra izay afaka manampy amin’ny fanazavana ny valintenin’ny Filoha Nelson?

  • Na dia mety ho nanana fikasana tsara aza ilay mpanjaka, dia nahoana no zava-dehibe ny hoe safidy manokana ny fiovam-pon’ny olona amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

Raha mahaliana ny mpianatra ny zavatra hafa nolazain’ny Filoha Nelson tamin’ilay mpanjaka dia zarao ny zavatra nampianariny hoe: “Ny fiovam-po dia zavatra mahakasika ny tsirairay. … Ny olona tsirairay dia mandray tenivavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” 61).

Asao ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra mandritra ny lesona anio mikasika ny hoe nahoana no zava-dehibe ho azy ireo ny manana fahafahana hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy araka ny fanirian’izy ireo manokana. Asao ihany koa izy ireo handinika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny lalàn’ny tany sy ny fanajana ireo izay tsy mitovy finoana aminy. Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra hanoratany ny eritreriny momba ny iray na maromaro amin’ireo hevitra ireo alohan’ny hanohizana.

Ny maha zava-dehibe ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana

Tamin’ny taona 1830 dia nenjehina ireo mpikamban’ny Fiangonana, ka ampahany amin’ny anton’izany ny fiheveran-diso fa tsy hanaraka ny lalàm-panjakana izy ireo noho ny fivavahana. Mba hanazavana ny fanoloran-tenan’ny Olomasina hanaraka ny lalàn’ny tany miaraka amin’ny fampiharana ny fahalalahana ara-pivavahana dia nanoratra filazana ny finoana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’io fizarana io, dia hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa. Ny mpinamana tsirairay dia azo tendrena hifantoka amin’ny iray amin’ireto fahamarinana roa manaraka ireto:

  1. Mino isika fa tokony hankatò ny lalàn’ny fitondram-panjakana any amin’izay ipetrahantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1, 3, 5–6).

  2. Mino ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fieritreretana malalaka isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:2, 4–5, 7).

Afaka mamaky ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny fahamarinana ao anatin’izany ny mpinamana tsirairay, ka mitady ireo teny na andian-teny izay manohana na manazava izany fahamarinana izany. Avy eo dia afaka mifampianatra ny zavatra izay nianarany ireo mpiara-miasa.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miasa aminy dia manasà mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nanan-danja lehibe taminao avy amin’ny zavatra novakinao?

  • Inona no fanontaniana mety hapetraky ny olona iray rehefa avy mamaky ireo andininy ireo?

sary famantarana ny taratasy zarainaMba hanampiana ny mpianatra hahita ny valin’ny fanontanian’izy ireo sy hahatakatra kokoa ireo fahamarinana ato amin’ity lesona ity dia ataovy izao manaraka izao:

Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra. Afaka mandalina sy mifanakalo hevitra momba ilay taratasy zaraina voalohany ny vondrona tsirairay. Avy eo dia azo alamina ho vondrona vaovao maromaro ireo mpianatra mba handalina sy hifanakalo hevitra momba ilay taratasy zaraina faharoa.

Fa azo asolo izany koa ny hoe ny antsasaky ny vondrona dia afaka mandalina ny taratasy zaraina iray ary ny antsasany hafa dia afaka mandalina ilay taratasy zaraina iray hafa. Afaka mizara ny zavatra nianarany amin’ny vondrona iray izay nandalina taratasy nozaraina hafa ireo vondrona avy eo.

Mino isika fa tokony hankatò ny lalàn’ny fitondram-panjakana any amin’izay ipetrahantsika

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity.

Raran’ny fitondram-panjakana any amin’ny toerana anaovan’i Dalia asa fitoriana ny fizarana ny filazantsara ivelan’ny trano fiangonana. Mahatsiaro ho kivy izy satria fantany fa misy olona hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ilay tanàna raha toa ka afaka miresaka malalaka kokoa momba izany izy. Mikasa ny hiresaka mangingina amin’ny olona eny an-dalana izy mba hampianarana azy ireo momba ny Mpamonjy.

  • Inona no hataonao manoloana izany toe-javatra izany?

Vakio ireto andinny manaraka ireto ary eritrereto ny fomba mety hanampian’izy ireo an’i Dalia hahatakatra ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataony.

Mba hahitana ny fomba namalian’ny Mpamonjy ny mety hisian’ny fifandirana teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana, dia vakio ny Matio 22:15–22 sy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Dallin H. Oaks

Na dia manaja ny lalàn’ Andriamanitra aza ny mpino rehetra dia manaiky koa ny ankamaroan’izy ireo fa ny lalàna sivily dia voatendrin’ Andriamanitra ihany koa. Nanome didy i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara; ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra” (Matio 22:21). Araka izany, dia tsy maintsy mankatò an’ireo lalàna roa ireo isika, araka izay azo atao. Rehefa misy fifandirana miharihary dia tsy maintsy mikatsaka ny hampirindra azy ireo isika. Rehefa tena tsy mahay mifanaraka izy ireo, dia tokony hiaraka amin’ny hafa mitovy hevitra amintsika isika amin’ny fiezahana hanova ny lalàna sivily hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Mila mitandrina tsara isika amin’ny zava-mitranga rehetra alohan’ny hanapahana hevitra—amin’ireo toe-javatra tsy fahita firy—handa ny iray mba hanomezana vahana ny iray hafa. (Dallin H. Oaks, “The Boundary between Church and State” [lahateny natao tamin’ny Fihaonamben’ny Fitsarana Sacramento/Klerjy Faharoa, 20 ôkt. 2015], newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao ka afaka manampy an’i Dalia hahatakatra fa tokony hanaja ny lalàna any amin’ny toerana anaovany asa fanompoana izy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fankatoavana ny lalàna eo amin’ny toerana ipetrahanao?

Mino ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fieritreretana malalaka isika

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Oviana ianao no niresaka momba ny fivavahana na ny finoana ara-panahy tamin’ny olona iray izay tsy mitovy zavatra inoana aminao?

  • Ahoana no fihetsik’izy ireo nanoloana ny zavatra inoanao? Ahoana no fihetsikao nanoloana ny azy ireo?

Diniho ity rafi-tantara manaraka ity.

Mpikambana ao amin’ny ekipa mpilalao baolina kitra ao amin’ny sekoliny i Liam. I Zain, izay iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny ekipany dia manana fombafomba ara-pivavahana manokana izay ataony alohan’ny lalao tsirairay. I Zain no hany olona avy ao amin’ny antokom-pivavahana misy azy ao amin’ilay ekipa. Nahatsikaritra ny zavatra nataon’i Zain ireo mpikambana hafa tao amin’ny ekipa ka nanomboka nampijaly azy noho izany. Fantatr’i Liam fa ratsy indraindray ny fahitan’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo ny fivavahan’i Zain.

Halalino ireto andininy manaraka ireto, ary eritrereto ny fomba mety hampiharana izany amin’ny toe-javatra misy an’i Liam sy amin’ny fifandraisanao amin’ireo izay tsy mitovy zavatra inoana aminao.

Nampianatra izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

ny Mpaminany Joseph Smith

Raha toa ka voaporofo fa vonona ny ho faty ho an’ny “Môrmôna” iray aho, dia amim-pahasahiana no hanambarako eo anoloan’ny Lanitra fa tena vonona ny ho faty mba hiarovana ny zon’ny Presbiterianina iray na Batista iray na olona tsara iray avy amin’izay mety ho antokom-pinoana hafa aho satria ilay fitsipika izay hanitsakitsahana ireo zon’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hanitsakitsahana ireo zon’ny … an’ireo antokom-pinoana hafa izay mety tsy malaza na marefo loatra ka tsy afaka miaro ny tenany.

Ny fitiavana fahafahana no manosika ny fanahiko—zom-pahafahana amin’ny maha-olon-tsotra sy zom-pahafahana misafidy ny finoana ho an’ny olombelona rehetra. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 345)

  • Inona no azonao zaraina amin’i Liam ka mety hanampy amin’ny fihetsika tokony hasetriny ny toe-javatra iainany?

  • Inona no nianaranao momba ny fomba tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hitondranao ireo izay tsy mitovy zavatra inoana aminao?

Rehefa avy nahazo fahafahana hianatra avy amin’ireo taratasy zaraina roa ireo vondrona dia omeo fahafahana izy ireo hiresaka momba ny zavatra nianarany na hametraka fanontaniana mikasika ny zavatra nianarany.

Raha toa ka tsapanao fa manampy ny mifanakalo hevitra misimisy kokoa momba ny zavatra nianaran’ireo mpianatra momba ireo fahamarinana roa ireo, dia ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray mijoro amin’ny finoany nefa koa manaja ny finoan’ny hafa tsy mitovy amin’ny azy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana ny lalàna mampitombo ny fahafahantsika manaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena?

  • Inona no tsapanao fa fomba mety hamporisihina ny fahalalahana ara-pivavahana ao anatin’ny lalàna any amin’ny toerana ipetrahanao?

    Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fanasana ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Afaka mizara izay zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy.

  • Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao androany?