“Lesona 142: Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 9: Manao tsianjery; Mahazo fahalalana ara-panahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 9,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 142: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 9
Manao tsianjery; Mahazo fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanazatra tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izany. Hanampy azy ireo koa izany hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina hahazoana fahalalana ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Ataovy tsianjery
Hevero ny hampiseho karafa fasiana rano tsy misy na inona na inona sy kaopy maromaro feno rano. Fenoy rano ireo kaopy. Asao ny mpianatra iray hanao tsianjery am-bava ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay notadidiny. Azon’ny mpianatra atao ny mandraraka ny iray amin’ireo kaopy misy rano ao anaty karafa, isaky ny misy andalan-tsoratra masina voatonona.
Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no mety haha-toy ny tahirin-drano ho an’ny fotoan-tsarotra ny fanaovana tsianjery soratra masina?
Inona avy ireo toe-javatra iainana izay tianao raha mba misy soratra masina iray nataonao tsianjery ka azonao itodihana?
Asao ny mpianatra hitadidy fotoana iray izay nahatongavan’ny soratra masina iray tao an-tsainy. Mety hoe teny iray manokana ao anaty andininy iray na fampianarana iray amin’ny ankapobeny no tsaroan’izy ireo. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo.
Mariho fa rehefa lasa mahafantatra tsara ireo andalan-tsoratra masina isika dia afaka mitondra izany ao an-tsaintsika ny Fanahy Masina amin’ny fotoan-tsarotra (jereo ny Jaona 14:26 ). Ampahafantaro ny mpianatra fa anio ianao dia handany fotoana kely hamantarana kokoa ireo andalan-tsoratra masina fiifehezana fotopampianarana. Fomba iray anaovana izany ity manaraka ity. Misy hevitra fanampiny amin’ny fanaovana tsianjery hita ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana .”
Manapaha hevitra ny amin’izay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tianao hataon’ny mpianatra famerenana. Tena mahomby ity sahanasa ity raha ampiasana andalana roa na efatra.
Izarao taratasy tsy misy na inona na inona ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hanoratra ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja tsirairay eo amin’ilay taratasy. Avy eo dia asao izy ireo mba hanapaka ny teny tsirairay ho andinin-teny iray sy andian-teny manan-danja. Azon’ireo mpianatra afangaro ireo tapa-taratasy ireo ary avy eo dia averina araka ny filaharany. Raha vantany vao afaka manatanteraka izany asa izany izy ireo dia asao izy ireo hamerina ilay dingana amin’ny andalana sy ny andian-teny manan-danja manaraka. Raha mianatra tsara ireo andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja izy ireo dia afaka mampifangaro ireo ampahany rehetra avy amin’ireo andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ary miezaka mamerina izany araka ny filaharany.
Azonao atao ho solon’izany ny manasa ireo mpianatra hampiasa ny application Fifehezana fotopampianarana mba hanaovana ezaka amin’ny fitadidiana.
Raha manana fotoana ampy ianao dia afaka manasa mpianatra vitsivitsy ho eny aloha ary hizara andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja efa vitany tsianjery ary handraraka rano iray kaopy ao anatin’ilay karafa.
Mitandrema mba tsy hihoatra ny 10–15 minitra ity sahanasa fitadidiana ity mba hanomezana fotoana ampy hanaovana fampiharana ny Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana rehefa afaka kelikely ao anatin’ilay lesona.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Raha tsapanao fa tokony hamerina hijery ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra dia makà fotoana mba hamerenana mijery ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Nampidirina ao amin’ny tovana “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana ” ireo sahanasa famerenana naroso.
Asao ny mpianatra hifidy ny iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto na rafi-tantara hafa noforoninao izay mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatrao. Rehefa avy misafidy rafi-tantara iray ny mpianatra dia resaho ny antony mety mahatonga ny olona iray hanana fahatsapana toy izany. Afaka manampy mba hahatonga ilay rafi-tantara ho toy ny tena izy amin’ny mpianatra ny fanaovana izany.
Azonao atao ihany koa ny mandinika ireo lohahevitra ana rafi-tantara azo asolo izany ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ity lesona ity.
Rafi-tantara 1: Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray izay misalasala ny hanambady any amin’ny tempoly ianao. Mihevitra izy fa mitaky zavatra betsaka loatra ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary fanoloran-tena lehibe izany. Manahy ny amin’izay mety handrasana aminy rehetra avy amin’izany izy.
Rafi-tantara 2: Manontany anao ny namana iray hoe: “Tena ilaina ve ny fanambadiana any amin’ny tempoly? Tsy ampy ve ny fanambadiana ara-panjakana raha tena mifankatia tokoa ny olon-droa?”
Mba hanampiana ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarana ataony manokana dia omeo fotoana kely izy ireo hieritreretana sy hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany.
Rehefa avy nomena fotoana nanomanana valiny ireo mpianatra dia zarao ho vondrona kely maromaro izy ireo. Mety hanampy ny manendry mpitarika vondrona iray mba hanamora ny fifanakalozan-kevitra. Azon’ny mpitarika atao ny manapa-kevitra hoe iza no handeha voalohany na ny filaharan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Asao hizara sy hifanakalo hevitra momba ny valin-tenin’izy ireo tamin’ireo fanontaniana teo aloha ireo vondrona. Omeo fotoana ampy ny ireo vondrona mba hahafahan’ny olona tsirairay ao anatin’izany mizara ny heviny.
Afaka manasa ireo vondrona ianao avy eo mba hamantatra ny iray amin’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy izay tsy voafidy ary hifanakalo hevitra momba ny fomba azo hampiharana ihany koa ireo fitsipika ireo amin’ireo rafi-tantara.
Miresaha amin’ireo vondrona mba handrefesana ny fahaizan’izy ireo mifanakalo hevitra momba ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Raha ilaina dia ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja.
Ahoana no ahafahan’ny olona iray mikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy raha toa ka manana fisalasalana sy ahiahy na fanontaniana momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly izy ireo?
Ahoana koa no ahafahan’ny olona iray manana ahiahy momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho an’ny famonjena izay afaka hanampy amin’ilay rafi-tantara?
Ahoana no mety hanovan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly ny fiainan’ny olona iray amin’izao fotoana izao sy any amin’ny mandrakizay?
Mikatsaha fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Ampio ny mpianatra hanombantombana ny traikefan’izy ireo amin’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:
Ahoana no nanampian’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy anao hanome valiny mahakasika ilay rafi-tantara?
Inona avy ireo fanamby natrehinao rehefa niezaka nampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy tamin’ireo rafi-tantara ireo ianao?
Inona no nianaranao na tsapanao momba ny fanambadiana mandrakizay izay heverinao fa manan-danja ka tokony hotadidiana?
Asehoy ity sary manaraka ity ary soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe “Tsy afaka manovo rano avy amin’ny fantsakana foana ianao.”
Inona araka ny eritreritrao no mety resahin’io oha-pitenenana io eo amin’ny fiainantsika?
Ahoana no mety hampiharana izany oha-pitenenana izany amin’ny fanaovana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?
Ireto manaraka ireto dia rafi-tantara roa azo ampiasaina ao anatin’ny fampiharana ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
“Tokony handoa fahafolonkarena ve aho raha tsy mahazo vola ampy hividianana zavatra hafa?” (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 ; 119 .)
“Alaivo sary an-tsaina hoe rehefa miresaka amin’ny namanao iray ianao, dia miresaka momba ny finoany an’ Andriamanitra izy. Mizara aminao izy ireo fa ny zavatra nampianarina azy ireo dia hoe tsy olona Andriamanitra fa zavatra misy na hery izay misy fotsiny ary hita eny rehetra eny amin’ny fotoana iray. Rehefa avy nizara ny namanao dia nitodika tany aminao izy ireo ary nanontany anao raha marina izany.” (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23 .)