“Lesona 139: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130: Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
Lesona 139: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130
Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Ny filazantsara dia azo ampianarina amin’ny fomba mahomby mandritra ireo fivoriana lehibe na mandritra ireo fiaraha-mivory iarahana amin’ny olona vitsivitsy sy mitokana. Nampiasa ireo fomba roa ireo ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany, tahaka ny nataon’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny lahatsoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 dia ahitana ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpaminany nandritra ireo fiaraha-mivory nahitana ireo Olomasina vitsivitsy nonina tao Ramus, Illinois. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo singa amin’ny fampianarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe
-
Inona no mety ho noeritreretinao na tsapanao raha nanatrika teo ianao nandritra ny fampianaran’i Jesoa?
-
Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny Mpamonjy ho mpampianatra mahomby?
Ry rahalahy sy anabavy malala,
Fahafahana azo araraotina feno voninahitra ho anareo ny mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Na manana antso manokana hampianatra ianao na tsia, dia mpampianatra ianao. Amin’ny maha-mpianatr’ilay Tompo Mpampianatra anao, dia i Jesoa Kristy izany, ianao dia manana fahafahana hizara ny fahazavany na aiza na aiza alehanao: ao an-tokantrano, any am-piangonana, rehefa manompo ny hafa, ary eo anivon’ireo namanao. Adidy masina ny mampianatra ny filazantsara. Ampahany manan-danja ao anatin’ny asan’ny Tompo izany, ary tena mahomby rehefa ataontsika araka ny fombany. (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana [2022], 1)
-
Inona avy ireo fahafahana sasany ananan’ny zatovo mba hampianarana sy hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?
Tamin’ny 2 aprily 1843 dia nihaona tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois, ny Mpaminany Joseph Smith, izay sahabo ho 32 kilaometatra ivelan’i Nauvoo. Nampianatra fahamarinana samihafa ao amin’ny filazantsara i Joseph, anisan’izany ireo antsipirian-javatra momba Ny Andriamanitra, ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana eto amin’ity fiainana ity, ary ny fomba ahafahantsika mandray ireo fitahian’ Andriamanitra. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 ireo fampianaran’ny Mpaminany.
Miomàna hampianatra
Traikefa amin’ny fampianarana
-
Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao ankehitriny?
-
Inona no nianaranao androany momba ny fampianarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
-
Nahoana no mety hahasoa anao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy ny fanararaotana ireo fahafahana hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?