Seminera
Lesona 141—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: Fampakarana vady maro


“Lesona 141—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: Fampakarana vady maro,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 141: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–66

Fampakarana vady maro

I Joseph Smith mamaky sy mandika ny Baiboly

Na dia ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray aza no lalàn’ Andriamanitra raikitra mikasika ny fanambadiana (jereo ny Jakoba 2:27, 30), dia nisy ny fotoana izay nandidiany an’ireo zanany sasantsasany mba hampihatra ny fampakarana vady maro. Ireo taona voalohany nanombohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no isan’ny fotoana nitrangan’izany. Nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hampihatra ny fampakarana vady maro sy hampianatra ny hafa mikasika izany fitsipika izany. Afaka manampy ny mpianatra ity lesona ity hahatakatra kokoa momba ny didy nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina sasantsasany mba hampihatra ny fampakarana vady maro tany am-piandohan’ny Fiangonana.

Sahanasa fianarana azo atao

Didy sarotra

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Filoha Russell M. Nelson

Nangataka hatrany ireo zanany nanao fanekempihavanana mba hanao zavatra sarotra Andriamanitra. (Russell M. Nelson, “Mijoro ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016)

  • Inona ireo ohatra sasantsasany ahitana zavatra sarotra izay asain’ Andriamanitra ataon’ny zanany?

    Raha ilaina dia resaho ny momba ireo tantara ao amin’ny soratra masina mba hoeritreretin’ny mpianatra. Tafiditra ao anatin’ireo ohatra mikasika izany i Abrahama izay nangatahina mba hanao sorona an’i Isaka (jereo ny Genesisy 22:1–2, 10), i Maria izay nanaiky ilay antso ho renin’i Jesoa Kristy (jereo ny Lioka 1:26–38), ary i Jesoa Kristy nijaly sy nanao sorona fanavotana ho an’ny zanak’olombelona (jereo ny Matio 26:39). Hevero ny hampiseho sary izay maneho ireo zava-nitranga ireo.

    i Abrahama sy i Isaka
    I Maria novangian’ilay Anjely
    ny Mpamonjy ao amin’ny Saha Getsemane
  • Nahoana Andriamanitra araka ny eritreritrao no mandidy ny zanany hanao zavatra sarotra indraindray?

Azonao atao ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny mamaky ny Abrahama 3:23–25. ChurchofJesusChrist.org.

1:54

Tao anatin’izao fotoampitantanana misy antsika izao, dia nangatahin’ny Tompo mba hanao zavatra sarotra maro ny Mpaminany Joseph Smith. Didy sarotra iray nomen’ Andriamanitra an’i Joseph Smith ny fametrahana ny fampiharana ny fampakarana vady maro, izay fantatra koa amin’ny hoe fampirafesana tany am-piandohan’ny Fiangonana.

Hazavao fa entina ilazana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy mihoatra ny iray ny fampakarana vady maro. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy hafahafa akory ny mitolona amin’ny fananana fahatsapana fisafotofotoan-tsaina na fanontaniana mikasika io fombafomba io. Hevero ny hanome ny mpianatra fotoana mba hanoratana ireo fanontaniana izay mety hananany ao amin’ny diary fandalinany.

Tsara raha ny mpianatra ihany no mikatsaka ny valin’ny fanontaniana anananan’izy ireo. Asao izy ireo hihaino tsara ny fitarihana izay voarain’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mandalina. Tsy ny famaliana ny fanontanian’ny mpianatra rehetra akory no anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao. Tsy maninona ny milaza hoe tsy manana ny valiny ianao. Azonao aseho fa afaka mandroso amim-pinoana ao amin’i Jesoa Kristy isika na dia tsy manana ny valin’ny fanontaniana rehetra aza.

Ny torolalan’ny Tompo momba ny fampakarana vady maro

Raha teo am-pandikana ny Baiboly ny Mpaminany Joseph Smith dia namaky mikasika ireo mpanompon’ Andriamanitra sasantsasany izay nanambady vehivavy mihoatra ny anankiray. Mba hahitana ny zavatra nangatahin’i Joseph tamin’ Andriamanitra dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1. Vakio avy eo ny andininy 2 sy 34–37, mba hitadiavana ny fomba namalian’ny Tompo ny fanontanian’ny mpaminany.

  • Inona ny fahamarinana iray izay nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny hoe, rehefa amin’ny fotoana inona no haneken’ny Tompo ny fampakarana vady maro?

Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra nianarany ary ampio izy ireo hitady ilay fahamarinana hoe: Amin’ny fotoana andidian’ny Tompo hampiharana ny fampakarana vady maro ihany no anekeny izany.

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa nisy Nefita vitsivitsy nanomboka nampihatra ny fampakarana vady maro izay tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Nifototra tamin’ireo tantara tao amin’ny Testamenta Taloha izy ireo mba hanamarinana ny fihetsik’izy ireo (jereo ny Jakoba 2:23–24; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:38–39). Nomelohin’ny Tompo ireo fihetsika ireo ary nampianariny an’ireo Nefita ilay fitsipika napetrany ho an’ny fanambadiana.

Vakio ny Jakoba 2:26–27, 30, mba hitadiavana ny fampianaran’ny Tompo ho an’ny Nefita.

  • Nanampy inona teo amin’ny fahatakaranao mikasika ny fampakarana vady maro ireo andininy ireo?

Ampio ny mpianatra hahatakatra, raha ilaina, fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no lalàn’ Andriamanitra raikitra mikasika ny fanambadiana. Nisy fotoana anefa nandidian’ Andriamanitra ny hampiharana ny fampakarana vady maro ho toy ny tranga maningana teo anatrehan’io lalàna raikitra io. Antony iray nomen’ Andriamanitra mikasika ny fampiharana ny fampakarana vady maro ny mba “hanangana[na] taranaka iray ho [Azy]” (Jakoba 2:30).

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’io fahalalana io anao eo anatrehan’ireo fanontaniana mety hanananao mikasika ny fampiharana ny fampakarana vady maro tany am-piandohan’ny Fiangonana?

Fampakarana vady maro teo anivon’ireo Olomasina tany am-boalohany

Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fahafahana mampiasa ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra mba hahatakarany tsara kokoa ny fampiharana ny fampakarana vady maro tany am-piandohan’ny Fiangonana.

sary famantarana ny taratasy zaraina Hevero ny hanaparitaka ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe: “Ampahany avy amin’ny ‘Le mariage plural à Kirtland et à Nauvoo.’” Azonao atao ny mangataka ny mpianatra tsirairay na ao anatin’ny vondrona kely mba handalina ireo fitaovana ireo . Asao izy ireo hitady fampahalalana izay afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana mety ananany.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fandalinana, dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny fandalinana nataonao izay hitanao fa nanampy?

  • Nanao ahoana ny fihetsik’i Joseph sy ireo mpikambana hafa tany am-piandohan’ny Fiangonana rehefa nangatahina mba hampihatra ny fampakarana vady maro?

  • Ahoana no nanampian’ Andriamanitra ireo Olomasina teo anatrehan’io didy sarotra io?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy maninona mihitsy raha mbola manana fanontaniana momba io lohahevitra io izy ireo. Sarotra ho an’ireo Olomasina tany am-piandohana ny niaina io didy io, ary mety ho sarotra ny mahatakatra izany amin’izao fotoana izao. Saingy afaka manampy antsika handroso amim-pinoana ny fifantohana amin’ireo fahamarinana manan-danja izay efa fantatsika momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy ary momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana sy mizara teny nambara toy ity manaraka ity:

Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

15:1
Loholona Neil L. Andersen

Tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra ny finoana fa mikatsaka ny antoka sy ny herim-po mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe, “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.” (Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,,” Liahona, nôv. 2015, 66)

Fintino ny zavatra nianaranao

Hevero ny hampiditra rafi-tantara noforonina toy ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hanazava am-bava ny zavatra nianarany androany:

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namana iray ianao izay manontany tena sao nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’ Andriamanitra i Joseph Smith rehefa nametraka ny fampiharana ny fampakarana vady maro tao amin’ny Fiangonana. Makà fotoana fohy hamintinana fitsipika vitsivitsy ao amin’ny diarinao izay azonao zaraina amin’ilay namana amin-katsaram-panahy sy amim-paharetana.

Afaka manontany ianao raha toa misy mpianatra mahatsapa fa afaka ny hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra nanoratana tao anatin’ny diariny. Afaka ny ho fotoana tsara ho an’ireo mpianatra koa izany mba hizarany izay valiny mety hitan’izy ireo mahakasika ny fanontaniana ananan’izy ireo na ny olan’izy ireo.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona amin’ny mpianatra fa hanampy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo sy mitodika any Aminy mba hahazo fanampiana eo anatrehan’ireo olana na fanontaniana atrehan’izy ireo ao amin’ny fiainan’izy ireo manokana.