Lesona 140: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana
“Lesona 140: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 140: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana
Lafiny iray tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith no nanambaran’ny Tompo fa rehefa fehezin’ny herin’ny fisoronana ny mpivady ary mahatoky amin’ny fanekempihavanan’izy ireo, dia haharitra mihoatra ny fahafatesana ny fanambadian’izy ireo. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Mahatakatra ny fanambadiana
Nanambara ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Iray amin’ireo asa lehibe amin’izao androntsika izao … ny manampy ny olona hahatakatra ny tena dikany sy ny tanjon’ny fanambadiana. (David A. Bednar, “The Divine Pattern of Eternal Marriage,” Ensign, sept. 2020, 41)
Ahoana no hamaritanao ny “tena dikany sy ny tanjon’ny fanambadiana”?
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny fahadisoan-kevitry ny olona momba ny fanambadiana ankehitriny?
Fanambadiana mandrakizay
Tamin’ny mey 1843, fony tao Ramus Illinois i Joseph Smith dia nilaza tamin’i Benjamin sy i Melissa Johnson fa nikasa ny hampanambady azy ireo araka ny lalàn’ny Tompo izy. Satria efa mpivady izy ireo, dia nivazivazy i Benjamin fa tsy hanambady an’i Melissa indray izy raha tsy mihontihonty aminy i Melissa. Tena matotra anefa i Joseph. Nampianatra azy ireo ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay ny Mpaminany, ary avy eo dia namehy azy ireo ho mpivady mandrakizay. I William Clayton dia mpitantsoratr’i Joseph tamin’izany fotoana izany ary nirakitra an-tsoratra ny fampianarany, izay hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 (jereo ny “Nous nous réjouissions de l’entendre parler” ao amin’ny Révélations dans leur contexte [2016], 279–280).
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
Araka ny hevitrao, dia ahoana no ahafahan’ny fanambadiana manomana antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa?
Ny tanjon’ny fanambadiana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra
Misafidiana iray na maromaro amin’ireto sosokevitra manaraka ireto mba hahitana valinteny fanampiny amin’ilay fanontaniana hoe “Nahoana no zava-dehibe amin’ Andriamanitra ny fanambadiana?” Ampidiro ao amin’ilay andiana valinteny ao amin’ny diary fandalinanao ireo fahamarinana nianaranao.
Hadihadio ny soratra masina. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; 132:19. Mitadiava andalan-tsoratra masina fanampiny hohalalinina amin’ny alalan’ny fijerena ny hoe “fanambadiana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Halalino ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Karohy ny hoe “fanambadiana” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny fizarana lohahevitra ao amin’ny arisivan’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Mandefasa hafatra an-tsoratra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na olon-dehibe azo itokisana izay manontany ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana hoe “Nahoana no zava-dehibe amin’ Andriamanitra ny fanambadiana?”
Inona no zavatra nianaranao izay tsy fantatrao taloha?
Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy anao rehefa mahatsikaritra hevitra eto amin’izao tontolo izao izay mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra momba ny fanambadiana ianao?
Raha jerena amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny fanambadiana, dia ahoana no ahafahan’izany mitondra fiantraikany eo amin’ny fahatsapanao momba ny fanambadiana?
Hazavao ny fotopampianaran’ny fanambadiana
Eritrereto hoe miresaka momba ny tanjonao amin’ny hoavy ianao. Rehefa milaza ianao hoe manantena ny hanambady ianao, dia manontany ny namanao hoe: “Nahoana anefa no zava-dehibe ny fanambadiana e?”
Ahoana no havalinao ny namanao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianarana nohalalininao androany?