“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Topimaso ankapobeny
Raha mbola tao Illinois ireo Olomasina dia nizara fampianarana manan-danja mombana lohahevitra maro samihafa ny Mpaminany Joseph Smith, anisan’izany ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana sy faharanitan-tsaina, ireo fitahiana izay raisintsika amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra ary ny toetran’ Andriamanitra. Nampiditra ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay izy ary nampianatra fa tsy maintsy miditra ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika mba hahazoana ireo fitahian’ny fisandratana. Noraketin’ny Mpaminany ihany koa ny fanambarana iray mifandray amin’ny fampiharana ny fampakarana vady maro, fanambarana izay nangatahin’ny Tompo mba harahin’ireo mpikamban’ny Fiangonana fahiny sasantsasany.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo singa amin’ny fampianarana ireo fotopampianaran’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana rehetra izay nahafahany nampianatra vao haingana tany an-trano na tany am-piangonana. Asao izy ireo ho vonona hifanakalo hevitra momba ireo fahombiazana sy fanamby natrehan’izy ireo raha nampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
-
Taratasy zaraina: “Mampianatra fahamarinana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 (Tapany 1 sy Tapany 2)”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hangataka olona iray akaikin’ny fo na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana mba hizara ny sasany amin’ireo fitahiana izay noraisin’izy ireo avy amin’ny fanambadiany ao amin’ny tempoly. Azo atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy.
-
Votoatiny haseho: Torolalana amin’ilay sahanasa fandalinana eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–66
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa momba ny didy nomen’ny Tompo ny Olomasina sasantsasany mba hampihatra ny fampakarana vady maro nandritra ny fotoana niandohan’ny Fiangonana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ohatra ana olona iray ao amin’ny soratra masina izay nankato didy sarotra iray avy amin’ Andriamanitra.
-
Sary: Abrahama, Maria, Jesoa Kristy.
-
Horonan-tsary: “Sarotra ve izany hoe mpaminany izany? (Antso mendrikanja manokana)” (1:54); “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy” (15:01; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana faha 6:25 ka hatramin’ny 8:27)
-
Taratasy zaraina: “Sombiny avy tamin’ny -Fampakarana vady maro tao Kirtland sy Nauvoo-”
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 9
Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanazatra tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izany. Hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina hahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa ity lesona ity.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana vitsivitsy izay nianaran’izy ireo nandritra ny taona.
-
Zavatra hoentina: Zinga lava taho sy kaopy maromaro