“Lesona 148: Ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana: Nosafidian’ny Tompo hitarika ny Fiangonana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Joseph Smith dia mbola tsy niaina velively ny fahafatesan’ny mpaminany iray. Tsy vitan’ny hoe fotoan-tsarotra ara-pihetseham-po fotsiny ihany ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum ho maritiora fa fotoana iray mety ho nisian’ny fisafotofotoana sy ny fisalasalana mikasika ny hoe iza no hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia nanomana lalana ho an’ny Fiangonany ny Tompo mba hanohizana ny asa eo ambany fitarihan’ny mpaminany. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fatokian’izy ireo fa ny Tompo dia manohy mitarika ny asany na dia maty aza ny mpaminany iray.
Sahanasa fianarana azo atao
Mpitarika vaovao ao amin’ny Fiangonana
Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hizara izao rafi-tantara manaraka izao.
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Gabriel ianao izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana vao haingana niaraka tamin’ny fianakaviany. Rehefa avy nirava avy nanao seminera izy indray andro dia nametraka fanontaniana vitsivitsy taminao momba ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana. Manontany tena izy hoe inona no mitranga rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana ary ahoana no fomba hisafidianana mpaminany vaovao. Nanontany tena mihitsy aza izy hoe ahoana no ahazoantsika antoka fa tena ilay mpaminany no ilay olona mety indrindra amin’izany.
Amin’ny maridrefy 1 ka hatramin’ny 5, ka ny 1 dia ambany ary ny 5 dia ambony, dia hatraiza ny halehiben’ny fatokianao ny fahaizanao mamaly ny fanontanian’i Gabriel?
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ny fomba fizotran’ny fanovana mpitarika ao amin’ny Fiangonana?
Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina amin’ny fianarany rehefa mandalina bebe kokoa momba ny lamina napetraky ny Tompo amin’ny fisafidianana ireo izay hitarika ny Fiangonany isika. Asao izy ireo hikatsaka fanambarana mikasika ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantaran’izy ireo izany amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainany.
Iza no handray ny toeran’i Joseph Smith?
Mety hanampy ny mpianatra ny mahatakatra ny sasany amin’ireo sahan-kevitra izay nitondra nankany amin’ny fanovana voalohany teo amin’ny fitarihana tao amin’ny Fiangonana. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mamintina na mamaky ireto manaraka ireto:
Tamin’ny fotoana namonoana an’i Joseph Smith ho maritiora dia mbola tsy niaina fahafatesana mpaminany izany mihitsy ny mpikamban’ny Fiangonana. Ankoatra ny alahelo lehibe nateraky ny fahafatesan’i Joseph, dia nisy koa ireo tsy nahazo antoka hoe ahoana no handrosoan’ny Fiangonana. Ny ankamaroan’ireo Apôstôly dia nanao asa fitoriana tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia tamin’ny fotoana nandrenesan’izy ireo ny fahafatesan’i Joseph sy Hyrum. Niverina tany Nauvoo izy ireo sy ny misiônera hafa rehefa nandre an’ilay vaovao mampalahelo.
Rehefa tsy nisy Filohan’ny Fiangonana intsony, dia nisy olona vitsivitsy nanao fanambarana samihafa mikasika ny zavatra tokony hitranga amin’ny fitarihana ny Fiangonana.
Hevero ny hanasa mpianatra telo ho eny aloha. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra tsirairay hamaky mafy ny iray amin’ireto andiam-pehezanteny telo manaraka ireto. Tsara ho fantatrao fa miresaka an’i Sydney Rigdon ilay tantara voalohany eto ambany. Momba an’i Brigham Young ny tantara faharoa. Momba an’i James Strang ny tantara fahatelo. Aza mbola lazaina an’ny mpianatra aloha ireo anarana.
Nilaza ny Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa nolazaina taminy tamin’ny alalan’ny fahitana fa tsy misy olona afaka handimby an’i Joseph. Nanolo-kevitra ny ho “mpiambina” ny Fiangonana izy.
Nilaza ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nomen’i Joseph Smith ny fahefan’ny Mpamonjy hitarika ny Fiangonana ny Kôlejin’ny Roambinifololahy.
Ny mpikambana iray izay natao batisa efa-bolana talohan’ny nahafatesan’i Joseph dia nanolotra taratasy iray miaraka amin’ny sonian’i Joseph Smith izay nanondro azy ho mpandimby an’i Joseph.
Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fihetsikao manoloana ireo zava-nitranga ireo raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana nandritra izany fotoana izany?
Inona no mety ho ahiahy nanananao nanoloana ireo fanambarana ireo?
Lamina napetraky ny Tompo
Asao ny mpianatra hitady soratra masina sy teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary loharanom-pahalalana hafa nofidian’ Andriamanitra mikasika ny fomba ahafahantsika mahafantatra fa mpanompo nofidin’ny Tompo ny mpaminany. Asao ny mpianatra ao anatin’ny fandalinana ataony mba hampiasa ity taratasy zaraina manaraka ity hianarana ny fomba nahafantaran’ireo Olomasina taorian’i Joseph Smith hoe iza no tokony handiby azy:
Talohan’ny nahafatesany dia nampianatra izao manaraka izao tamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Mpaminany Joseph Smith:
Ry rahalahy, … efa kely sisa dia hitranga ireo toe-javatra [sasany] manan-danja. Mety hamono ahy ireo fahavaloko. Ary raha izany no hitranga, kanefa tsy nampitaina taminareo ny fanalahidy sy ny hery izay mitoetra amiko, dia ho very tsy ho eto an-tany intsony izy ireo. Fa raha mahomby amin’ny fampitana izany amin’ny fametrahako ny tanako eo ambony lohanareo fotsiny aho, dia tsy maninona na dia ho lasa eo am-pelatanan’ireo mpamono olona aza aho raha izay no sitrak’ Andriamanitra, ary afaka mandeha amin’ny fifaliana sy ny fahafaham-po rehetra aho, satria fantatro fa vita ny asako, ary tafapetraka ny fototra izay iorenan’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao fitantanana ny fotoam-pahafenoana izao.
Eo an-tsoroky ny Roambinifololahy no tsy maintsy ipetrahan’ny andraikitra hitarihana ity fiangonana ity manomboka izao mandra-panendrenareo ny hafa handimby anareo. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 533–34 )
Nampianatra ihany koa i Joseph Smith fa ny Fiadidiana Voalohany no hany vondrona miahy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, saingy rehefa maty ny mpaminany dia rava ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny Tantara, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume B-1 , 691, josephsmithpapers.org ).
Inona avy amin’ny zavatra nianaranao no mety hanampy anao hamaly ireo fanambarana telo natao teo aloha?
Inona no lamina napetraky ny Tompo mba hanohizanany fitarihana ny Fiangonany rehefa maty ny mpaminany?
Rehefa niresaka tamin’ny Olomasina nandritra ny fivoriana lehibe iray i Brigham Young dia maro no nanoratra traikefa mahagaga ary nahatsapa fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina.
Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901), izay nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany taty aoriana dia nizara hoe:
Nitsangana i Brigham Young … dia nandahateny tamin’ny olona. … tsy misy afaka hanadino ny fihetseham-pony vokatr’izany mihitsy ny olona nanatrika io fotoana io! Raha nitsangana tamin’ny maty i Joseph ary niteny teo anatrehan’izy ireo indray, dia tsy ho nahatalanjona kokoa noho izay zavatra tsapan’ireo olona maro nanatrika ilay fivoriana ny vokatr’izany. Feon’i Josefa mihitsy no re; ary tsy vitan’ny hoe ny feon’ i Josefa fotsiny no re; fa raha ny fijerin’ny olona azy dia toa ny tenan’ i Josefa mihitsy no nijoro teo anoloan’izy ireo. Tsy mbola nisy trangan-javatra mahatalanjona sy mahagaga kokoa noho izay nitranga tamin’io andro io teo anatrehan’izany vondrona mpivavaka izany. Nomen’ny Tompo fijoroana ho vavolombelona izay tsy namela toerana ho an’ny fisalasalana momba ny hoe iza ilay lehilahy nofidiny hitarika azy ireo ny vahoakany. Samy nahita sy nandre tamin’ ny masony sy ny sofiny voajanahary izy ireo, ary avy eo dia tonga tao am-pon’izy ireo ny teny izay nambara, niaraka tamin’ny hery mandresy lahatra avy amin’ Andriamanitra, ary heniky ny Fanahy sy fifaliana lehibe izy ireo. Nisy ny zavatra nanjavozavo ary nitoetra tao am-pon’ny olona sasany angamba ny ahiahy sy ny fisalasalana; saingy tamin’izay fotoana izay dia nazava tamin’ny rehetra hoe io ilay lehilahy izay nomen’ny Tompo ny fahefana ilaina mba hanaovana asa eo anivon’izy ireo mba hisolo ny toeran’i Joseph (George Q. Cannon, “Joseph Smith, the Prophet,” Juvenile Instructor , ôkt. 1870, 174–75).
Nanoratra izao manaraka izao i Emily Smith Hoyt, izay mpikambana iray nanatrika ny fotoana nitenenan’i Brigham Young tamin’ireo Olomasina:
Nampientana mafy ny fanahiko manontolo ilay fomba fisainana, ny zavatra hita soritra teny amin’ny endrika, ary ny ny feo nivoaka. Ny masoko mihitsy no efa nahita ny vata-mangatsiakan’i Joseph izay novonoina. Ny tanako mihitsy no nahatsapa ny hatsiaka mamanalan’ny fahafatesana teo amin’ny handriny izay nanan-kaja teo aloha. Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho no gaga ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph no teo. Tsy izy no teo fa i Brigham Young, ary raha misy olona misalasala ny amin’ny zon’i Brigham hitantana ny raharahan’ny Olomasina dia izao no hany holazaiko amin’izy ireo. Raiso ny fanahin’ Andriamanitra dia fantatro manokana izany. Ny Tompo no hanome azy izay sahaza azy (Emily Smith Hoyt, ao amin’ny Lynne W. Jorgensen, “The Mantle of the Prophet Joseph Passes to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness ,” BYU Studies , boky. 36, lah. 4 [1996–97], 164).
Raha teo ianao, dia inona no mety ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany teo aminao?
Inona no mety hifandraisan’ny Môrônia 10:5 amin’ny zavatra nianaranao?
Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Alaovy antoka fa takatry ny mpianatra fa rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no mitarika ny Fiangonana . Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ireo Apôstôly manompo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia miverina amin’ny toerana maha zokiny azy ireo ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ihany koa fa ny Apôstôly nanompo ela indrindra no Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary noho izany dia izy no lasa Filohan’ny Fiangonana manaraka.
Azon’ny mpianatra fantarina koa fa afaka mandray tenivavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika fa ireo izay mitarika ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.
Mba hamaranana ny lesona dia avelao ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany mba hamaliana ilay rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hilalao an-tsehatra miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana ao anatin’ny valintenin’izy ireo fa ny mpaminany no mpitarika nofidin’ny Tompo.
Ireo Olomasina hafa, toa an’i Benjamin F. Johnson, i William C. Staines, ary i Wilford Woodruff, dia nirakitra an-tsoratra fa nandre ny feon’i Joseph Smith na nahita an’i Joseph rehefa niteny i Brigham Young (jereo ny Benjamin F. Johnson, My Life’s Review [1947], 104; History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume F-1, 300, josephsmithpapers.org ).
Taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
18:33
Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:
Andriamanitra dia mahalala ny zava-drehetra, hitany hatrany am-boalohany ny farany ary tsy misy lehilahy lasa ho Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy kisendrasendra izany, na mijanona eo noho ny vintana, na voantso tampoka. (Ezra Taft Benson, “Jesus Christ—Gifts and Expectations ,” New Era , mey 1975, 16–17)
ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny zavatra nataon’i Kathy vadiny mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’ny Filoha Russell M. Nelson:
2:3
Manana tombontsoa isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika handray tenivavolombelona ho an’ny tena manokana fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’ny Filoha Nelson. Raha nahafantatra ny Filoha Nelson manokana i Kathy vadiko, nandritra ny efa ho telopolo taona izay, ary tsy nametra-panontaniana momba ny fahefany masina, tamin’ny nanokanana azy dia nanomboka namaky ireo lahateniny rehetra tamin’ny fihaonambe tao anatin’ny 34 taona, sady nivavaka mba hahazoana toky misimisy kokoa mikasika ny andraikiny amin’ny maha-mpaminany azy. Mampanantena anao aho fa ho tonga aminao io tenivavolombelona mafonja kokoa io raha mikatsaka izany amim-panetrentena sy amim-pahamendrehana ianao. (Neil L. Andersen, “Ilay mpaminanin’Andriamanitra ,” Liahona , mey 2018, 25–26)
Mba hanehoana misimisy kokoa ny fahamarinana fa ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nitarika ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’ny mpaminany, dia zarao ny zavatra niainan’i Brigham Young rehefa namaky ilay taratasy manambara ny fahafatesan’i Joseph Smith izy. Izaho no noraketin’i Brigham:
Rehefa azonay io taratasy io, dia teo izaho sy i Orson Pratt ary namaky ilay taratasy. Tsapako tamin’izany ny zavatra mbola tsy tsapako teo amin’ny fiainako. … Nanahy mafy tokoa aho ka nila ho vaky ny lohako. … Tsy eto an-tany ve ny Fisoronana? Lasa i Joseph sy i Hyrum. [Avy eo] dia tonga toy ny feon’ny teha-tanana iray izany. Tonga tamiko tahaka ny Fanambarana izany—hoe eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakana. (Brigham Young, ao amin’ny Historian’s Office General Church Minutes, feb. 12, 1849, 2, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; novana ho toy ny mahazatra ny tsipelina, ny mari-piatoana ary ny fitsipi-pitenenana)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zava-nitranga tamin’ny Fiadidiana Voalohany taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia azonao atao ny manazava fa ny Fiadidiana Voalohany dia tsy atsangana avy hatrany foana aorian’ny fahafatesan’ny Filohan’ny Fiangonana iray.
Azonao atao ny manontany ireo mpianatra raha fantatr’izy ireo hoe hafiriana taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith vao natsangana indray ny Fiadidiana Voalohany.
Arakaraka ny fahatakaran’izy ireo dia azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra:
Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nitarika ny Fiangonana nandritra ny telo taona sy tapany ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo talohan’ny nananganana indray ny Fiadidiana Voalohany. Toy izany koa, ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nitarika ny Fiangonana nandritra ny telo taona mahery kely taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Brigham Young ary efa ho roa taona taorian’ny nahafatesan’ny Filoha John Taylor. Kanefa, rehefa maty ny Filoha Wilford Woodruff tamin’ny 2 septambra 1898, dia nanome tsindrimandry an’i Lorenzo Snow sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy ny Tompo mba handrafitra indray ny Fiadidiana Voalohany 11 andro monja taty aoriana, tamin’ny 13 Septambra (jereo ny George Q. Cannon, “Remarks,” Deseret Weekly , 8 ôkt. 1898, 514). Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nitarika ny Fiangonana tamin’ny ankapobeny nandritra ny fotoana fohy monja ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo alohan’ny hanokanana Filoha iray vaovaon’ny Fiangonana sy hananganana indray ny Fiadidiana Voalohany.
Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianarany dia omeo mpianatra miisa 15 ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao. Afaka mijoro eo anoloan’ny efitrano ireo mpianatra ireo ary mandamina ny tenany ho Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra mba hampiseho ny zavatra hitranga amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, araka ny lamin’ny Tompo, raha toa ka maty ny Filohan’ny Fiangonana.